- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

Sokajy: Azia Atsinanana, Frantsa, Japana, Hehy, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Saripika, Tanora, Voina, Zavakanto & Kolontsaina

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe.

Anisan'ny tetikasa “Inside Out” tontosain'ilay mpanakanto Frantsay JR [1] ity kamiao ity, tetikasa andraisan'ny rehetra anjara [2]. Mifantoka amin'ny fakàna sary ireo olona eny an-dalana manerana ny faritra maro isan-karazany eran'izao tontolo izao ny tetikasan'ity mpanakanto ity, ary hametaka izany sary izany eny amin'ny tranobe an-tanàn-dehibe. Sehatra misokatra ho an'ny rehetra ny tetikasa [3] mba hizarana ireo tantara tsy fantatra sy hamadika ny fitantarana manokana ataon'ny tena ho haikantom-bahoaka.

Sary ahitana olona eo amin'ny 400 eo no voangona avy tao amin'ny faritra Tohoku, avaratr'i Japana, faritra izay mbola mizaka ny voka-dratsin'ny fihovitry ny tany sy ny tsunami tamin'ny taona 2011 [4] izay namoizana ain'olona teo amin'ny 16.000 ary nandravarava ny faritra. Natao fampiratiana ny sombiny tamin'ireo sary ireo.

雨の中、東北へ向かうトラック [5]

Sarin'ilay kamiao nandeha tao anatin'ny orana ho any Tohoku.

Two merchants from Kesennuma's fish market.。 [6]

Mpanera roa ao amin'ny tsenan'ny trondro ao Kesennuma

Posters put on display in Kesennuma's shopping district [7]

Sary lehibe mipetaka ao amin'ny tsenam-barotry ny distrikan'i Kesennuma

People check out portraits coming out of the truck. [8]

Olona mijery sy maka sary ireo sary nivoaka tao amin'ilay kamiao.

A woman behind the track in apron [9]

Sarin'olona teo ivelan'ilay kamiao

Nanomboka tamin'ny volana Febroary 2013 ary mbola mitohy hatramin'ny 2 Jiona 2013 ny Fampiratiana JR [10] ao amin'ny Mozean'ny Kanto Ankehitriny Watari [11]ao amin'ny distrikan'i Shibuya, ao Tokyo. Satria tao Tohoku no natao ny Tetikasa “Inside Out” JR, mitady fanohanana ara-bola [12] ho an'ny tetikasa amin'ny alalan'ny Campfire [13][ja], habaka Japoney fanangonam-bola ny Mozean'ny Kanto Ankehitriny. [11] Nahazo valiny mahafa-po ity antso fanohanana ity, satria tratra tao anatin'ny fe-potoana napetraka ny vola notadiavina, roa tapitrisa yen (eo amin'ny 19.600 dolara Etazonia eo).

Iray amin'ireo habaka fanangonam-bola ifandrimbonana ao Japana [14] [ja] ny Campfire. Tamin'ny 2012, naangona [15] [ja] vola teo amin'ny 92 tapitrika yen (903.000 dolara Etazonia) ny habaka ho fanohanana ny tetikasa; ary amin'ny alalan'ny famatsiam-bola 5.3 tapitrisa yen (52.000 dolaras) ho anà tetikasa manokana. Mampitaha ity habaka ity amin'ilay habaka fanangonam-bola ifandrimbonana malaza Amerikana Kickstarter [16], izay nahavita naangona vola iray tapitrisa dolara [17] ho an'ireo tetikasa 17 samihafa ary vola mitotaly 320 tapitrisa dolara eo tamin'ny taona 2012.

Na dia eo aza ny hakelin'ny tsenan'ny fanangonam-bola ao Japana, afaka nihoatra ny fanambiny ny Campfire ary nahatratra ny tanjona. Manao antso fanohanana ara-bola ao amin'ny Campfire [18] [ja] ny Mozean'i Watari ankehitriny mba hanitarana ny tetikasa manerana ny firenena. [Efa nikatona tamin'ny 10 Mey 2013 teo izany tetikasa fanangonam-bola izany]

Ankoatra ny tetikasa sary Tohoku, nampahafantatra tetikasa “Inside Out” hafa ihany koa ny mozea Watari. Nisy mihitsy ireo faritra notsidihan'ny olona hijerena ny fampiratiana, izay antsoina hoe “Afaka Hanova Izao Tontolo Izao ve Ny Haikanto?”, ary afaka maka sary izy ireo. Fomba iray handraisan'izy ireo anjara amin'ny tetikasa “Inside Out” ny fanomezana tombony ireo olona haka sary ao amin'ny mozea.

JR niresaka momba ny hevitra ambadiky ny tetikasa nandritra ny resadresaka an-tserasera tao amin'ny tranokalam-baovao Blouin Artinfo [19]:

…] Na dia nanampy tamin'ny fananganana sy ny fampitaovana aza aho, zava-dehibe amiko izany hoe ny olona ao an-toerana no mitantana ilay kamiao, ny sary, sy ny fomba fiasa. Tetikasa nataon'ny Japoney, ho an'ny Japoney izany […]*

Tao amin'ny Twitter, TAKEI Toshifumi (@toshify [20]) niresaka ny fihetseham-pony momba ilay fampiratiana:

@toshify [21]:「JR展_世界はアートで変わっていく」(ワタリウム美術館、6月2日まで)を観た。
人の顔を大写しにしてストリートに掲示する手法で、社会問題を提起するフランス作家。
顔は私的なものという思い込みがあるが、パブリックな場に引き出されると
強烈なメッセージ性を帯びる。作家の言葉も美しい。

@toshify [21]: Nandeha nitsidika ny Fampiratian'i JR “Afaka Manova Izao Tontolo Izao Ve Ny Hainkanto?” (izay tontosaina ao amin'ny Mozea Watari hatramin'ny 2 Jiona) aho.
Mpanakanto frantsay i JR izay te-hisarika ny saina manoloana ireo olana ara-tsosialy amin'ny alalan'ny fakàna ny sarin'ireo olona sy ny fametahana izany eny an-dalambe. Raha voalaza fa zavatra manokana ny endriky ny olona, mitondra hafatra mahery vaika ny fametrahana ny sarin'ireo olona eny amin'ny toerana fivezivezem-bahoaka. Mahafinaritra ihany koa etsy andaniny ny hafatra avy amin'ny mpanakanto.

Pictures of Tohoku area project participants posted on the wall of the Watari Museum Portraits of participants in the Tohoku project. [18]

Sarin'ireo mpandray anjara amin'ny tetikasa napetaka tao ivelan'ny Mozea Watari, ao amin'ny faritra Tohoku;

Fihetseham-po samihafa mikasika ny fandraisan'anjara amin'ny fampiratiana:

@Hiro183 [22]: JR展(13回目位)@ワタリウム美術館。なんでこんなに来るかって?
キャンプファイアーで金銭支援をし、この展示に参加しているから。
ARTは参加して意味がある。 http://instagr.am/p/XCA2IOGhOK/

@Hiro183 [22]: (Fanin-13) amin'ny fitsidihako ny fampiratiana JR ao amin'ny Mozea Watari ity. Nahoana no tonga mitsidika karazana hetsika tahaka izao aho? Satria nandray anjara tamin'ny tetikasa aho tamin'ny alalan'ny fanohanana ara-bola tao amin'ny Campfire. Manome lanjan'ny haikanto ny fandraisantsika anjara amin'izany.

@hiswii [23]: やっぱワタリウムのJR展、行って 撮るだけで参加したって言いづらいよなー。
JRに不足する身体性というのはプロジェクト全体で補足すべきことなんだろうね。

@hiswii [23] : Sarotra ho ahy ny hiteny fa nandray anjara tamin'ny fampiratiana JR tao amin'ny Mozea Watari aho  tamin'ny fankanesako tany ary nalaina sary. Tsy ampy fitaovana ny tetikasa JR ary tokony homena fitaovana fanampiny.

Azo jerena eto [24] ireo sary maro hafa tamin'ny tetikasa Tohoku. Afaka jerena eto [25] kosa ireo sary tamin'ny fampiratiana tao amin'ny Mozea Watari.

Navoakan'ny Mozea Watar [26]i [ja] avokoa ireo sary rehetra hita ao amin'ity lahatsoratra ity. Navoaka araka ny fepetra takian'ny torolalan'ny fizaka-manan'ny Campfire amin'ny teny Japoney [27], ka hahafahan'ireo mpikambana ao amin'ny Campfire handefa indray ireo sary/lahatsoratra.