Nankatoavina Ho Afa-Mirotsaka Hofidiana Indray i Evo Morales Ao Bolivia

Ao anatin'ny fitokonana ataon'ny mpiasa [mg] mitaky fisotroan-dronono tsara kokoa no nankatoavan'ny mpanao lalàna ny volavolan-dalàna mamela ny filoha Evo Morales sy ny filoha lefitra Alvaro García Linera hifaninana amin'ny fe-potoa-piasana vaovaon'ny fifidianana Desambra 2014.

Nodiovin'ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana (TCP araka ny fanombohan'anarany amin'ny teny Espaniola) ny lalana mankany amin'ny fifidianana indray an'i Morales’ tamin'ny faran'ny volana Avrily 2013 rehefa nanambara [es] fa ny efatra amin'ny andini-dalàna enina, ka tafiditra amin'izany ny famelana ifidianana indray an'i Morales sy Linera, dia mifanaraka amin'ny lalàmpanorenana. Hoy ny fanazavan'i Emily Achtenberg ao amin'ny bilaogin'ny NACLA Rebel Currents,

The court ruled that Morales could seek a third consecutive term, even though the 2009 Constitution allows only two, on the grounds that his first election (in 2004) took place under a previous constitution. The ruling dismissed a clause in the new Constitution stating that any prior mandate must be taken into account in computing the allowable term. This transitional provision, the court reasoned, does not apply to Morales because his original mandate did not carry over into the new Constitution (instead, Morales cut his first term short by one year and was re-elected in 2009 under the new Constitutional regime).

Nandidy ny fitsarana fa afa-miditra hifaninana ho amin'ny fe-potoana fahatelo misesy i Morales, na dia fe-potoana roa ihany aza no avelan'ny Lalàmpanorenana 2009, satria ny fotoana nifidianana azy voalohany (2004) dia mbola nandritra ny Lalàmpanorenana teo aloha. Nodifian'ny didim-pitsarana ny efa voasoratra ao amin'ny Lalàmpanorenana vaovao fa tokony ho mikaonty avy hatrany ny fe-potoana efa vita teo aloha. Nosainin'ny fitsarana fa tsy mihatra amin'i Morales io filazana voasoratra ho amin'ny fiampitana mankany amin'ny lalampanorenana vaovao io satria tsy nipaka tany amin'ny fampiharana ny Lalampanorenana vaovao ny fe-potoana voalohany niasany (nohafohezin'i Morales herintaona tokoa ny fe-potoana voalohany niasany ary voafidy indray tao anatin'ny Lalampanorenana vaovao izy)

Navoitran'i Emily ihany koa ny tsikera nilaza ny Filoha “tokony nanao fanitsiana ny Lalampanorenana mialoha ny hifaninanany ho amin'ny fe-potoana fahatelo.”

President Evo Morales taking office in La Paz on January 22, 2010. Photo shared on Flickr by Presidencia de la República del Ecuador (CC BY-NC-SA 2.0)

Filoha Evo Morales nandray ny asa tao La Paz tamin'ny 22 Janoary 2010. Sary nozaraina tao amin'ny Flickr avy amin'ny Presidencia de la República del Ecuador (CC BY-NC-SA 2.0)

Raha mihorakora-pifaliana amin'izany didin'ny fitsarana izany ny mpanohana an'i Morales, mitsikera izany kosa ny bilaogera Boliviana tahaka an'i Andrés Gómez Vela [es] sy Eduardo Bowles [es] . Niteny i Andrés fa tsy nahombiazana tamin'ny fitsapana amin'ity raharaha fototra ity ny mpitsara, raha nanoratra i Eduardo fa raha eo amin'ny lafiny lalàna, ny fanapaha-kevitra hanaiky ny hirotsahana fahatelo no iray amin'ny fihemorana goavana indrindra ho an'ny lalampanorenana demokratikan'ny firenena. Ankoatra izay, nampitandrina izy fa mety hamelona fotoa-pikorontanana vaovao ity didy nivoaka ity.

Nanampy i Emily ao amin'ny Rebel Currents,

Based on current polls, which give Morales 60% support in the departmental capitals and 76% in rural areas, a referendum in favor of a constitutional amendment would likely have prevailed. In avoiding the constitutional route, critics argue, Morales deceived not only the then-political opposition, but the Bolivian people, who voted to support the consensus Constitution, including its term limits compromises, by a margin of 61%.

For the upcoming election, Morales has publicly announced that he hopes to achieve an ambitious mandate of 74%, topping his previous votes of 54% in 2005 and 64% in 2009.

Raha ifotorana eo amin'ny fitsapan-kevitra ankehitriny, izay manome ny fanohanana 60% an'i Morales any amin'ny renivohitra departemantaly sy 76% any amin'ny faritra ambanivohitra, tokony ho ny fanitsiana lalampanorenana no nampanjakaina. Tamin'ny fidifiana ny lalan'ny Lalampanorenana, mandresy lahatra ny mpitsikera fa tsy ny mpanohitra ara-politika ihany no nofitahiny, fa ny vahoaka Boliviana, izay nandrotsa-bato hanohana ny Lalampanorenan'ny marimaritra iraisana, ka ao anatin'izany ny fetran'ny fe-potoana izay voahozongozona, any ho any amin'ny 61%.

Amin'ny fifidianana ho avy, dia nanambara ampahibemaso i Morales fa manantena hahazo hatramin'ny 74%, hahazo ny tampon'ny vato 54% tamin'ny 2005 sy 64% tamin'ny 2009.

Na dia izany aza dia nanambara ny  Bloggings by boz fa na dia eo aza ny fitiavan'ny olona an'i Morales dia tsy tokony hifaninana izy:

Should he run? Probably not. Mistakes or simply bad economic luck in his third term will tarnish his legacy and harm the changes he has already made. Additionally, in running for this third term, Morales is making the same mistakes as Hugo Chavez. He is relying on his personal leadership instead of building up institutions and other ideologically-similar leaders to carry on his work. Any movement or country dependent on a single individual lacks resiliency.

Tokony hihazakazaka ve izy? tsia angamba. Fahadisoana na vitan-dratsy ara-toekarena mandritra ny fe-potoana fiasana fahatelo dia mety hamasoka ny lova navelany sy hanimba ny fiovana efa vitany. Ankoatra izay, raha mifaninana hiditra amin'ny fe-potoana fahatelo i Morales dia mitovy fahadisoana amin'i Hugo Chavez. Miankina tanteraka amin'ny fomba fitarihany izy fa tsy manangana andrim-panjakana sy mpitarika mitovy firehana aminy hitondra ny asany. Tsy ampy fahafoizan-tena ny hetsika na firenena miankina amin'olona iray.

Hifidy filoha vaovao ny Boliviana amin'ny Desambra 2014. Mandritra izany fotoana izany, manahy ny hahamafy kokoa ny fifampihenjanana ny mpiserasera noho ny fitokonana sy ny hetsi-panoherana misy ankehitriny, fifandirana izay mety hanembatsembana ny herijikan'ny filoha Morales handresy amin'ny fifidianana filoham-pirenena fahatelo ataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.