- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Olon'ny Tantara Foronina Ve No Tena Malaza Amin'ireo Mpirotsaka Ho Filoham-Pirenena Ao Iran?

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona
Zahra for President [1]

Zahra ho Filoha

Tsy manome vintana ho an'ireo mpirotsaka ho fidiana natolotry ny mpanohitra mihitsy ny tàna-maherin'ny fitondrana iraniana, saingy anaty tontolon'ny virtoaly, mpandray anjara iray vaovao aminà tantara an-tsary no loha-laharana amin'ny fifidianana malalaka sy tsy mitanila.

An-jatony amin'ireo Iraniana feno fanantenana no nisoratra ho kandidà [2] mba hisolo ny Filoha Mahmoud Ahmadinejad amin'ny fifidianana ho avy ny 14 Jona 2013. Hifidy ny lisitry [3] ny kandidà izay hihazakazaka marina amin'io fifidianana io ny Filankevitry ny Mpambina izay tena fatra-mpandàla ny nentin-drazana.

Zahra Ho Filoha

Maro no mbola mahatadidy ilay hetsi-panoherana goavana izay nipoaka [4] taorian'ny fifidianana ny 2009. Ilay tranonkala mavitrika United4Iran [5] ary ny andiana sarimiaina Zahra's Paradise [6] no nandefa ny fanentanana virtoaly Zahra Ho Filoha 2013 [1] mba hamelabelarana ny fahapotehan'ny rafitra ara-politikan'i Iran tamin'ny alàlan'ny esoeso.

zahra3

Olo-malazan'ny sarimiaina iray higagàna i Zahra [6] izay ny zanany lahy 19 taona, Mehdi, dia nanjavona tsy hita taorian'ny fandraisana anjara tamin'ny hetsi-panoherana ny vokam-pifidianana tany Iran ny 2009.  Ny fanentanany dia mivoatra  anaty kisary efa-joro mivoaka isan-kerinandro ao amin'ny tranonkala Vote4Zahra.org [1].

Ity ny hafatra hafatra amin'ilay fampielezan-kevitra virtoaly:

Ny 2009, Zahra sy ny fianakaviany, dia niara-nizotra taminà vahoaka iraniana an-tapitrisany nankeo amin'ny arabe mba hitaky fifidianana tsy mitanila sy malalaka. Na teo aza ny famoretana mahery vaika, ny fampanantenana hisian'ny Lohataona Iraniana — Demaokrasia, ny fahamendrehana, ary ny fahamarinana — dia tsy mbola ato ho ato akory no hahafatesany . Androany,  mihazakazaka ho Filoha i Zahra, ilay fanantenan'ny andro vaovao. Manaraha azy. Ndao haverintsika handresy ny Iran-ntsika.

The Right to a Free and Fair Election … Ny Zo hànana Fifidianana Malalaka sy sy Mitanila

People from around the world, including Iran, have uploaded their photos [7] on the Facebook page for Zahra's Paradise….. Ny vahoaka manerana izao tontolo izao, ao anatiny i Iran, dia nampàkatra ny sarin'izy ireo [7] tao anaty pejy Facebook-n'i “Zahra's Paradise”.

Zahra's campaign in Iran

Fampielezan-kevitr'i Zahra tany Iran

Ny sasany nandefa ireo sary miaty teny faneva tsotra saingy sarotra tanterahana: “Manana zo hànana fifidianana malalaka sy tsy mitanila aho”:

Firuzeh Mahmoudi,  the founder of United4Iran

Firuzeh Mahmoudi, ilay mpiara-mamorona ny United4Iran

Tsy Manadino Ireo Bilaogera i Zahra

Milaza i Zahra fa nampiditra am-ponja sy nampijaly bilaogera, mpanao gazety sy ireo fianakaviany, ny hery fiarovana.

Zahra campaigns for bloggers

Fampielezan-kevitr'i Zahra ho an'ny bilaogera.

Mampahatsiahy antsika fahamarinana iray mampalahelo ny faampielezan-kevitr'i Zahra. Efatra taona lasa izay, vahoaka Iraniana an-tapitrisany no nino fanovàna, nandatsa-bato ho an'ireo kandidà tena izy, ary ny sasany aza nanao sorona ny ainy. Ankehitriny, mpisehatra anaty sarmiaina no mipoitra ho kandidà mahasarika indrindra ho an'ny sasany.