- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nihodinan'ny Vohikala Sosialy Shinoa Ny Sivana Mba Hanomezam-boninahitra Ilay Mpitondra Fiovàna Hu Yaobang

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara

Nihodinan'ireo [1] Shinoa mpampiasa aterineto ny sivana aterineto hentitra any amin'ny fireneny mba hanomezam-boninahitra an'ilay mpitarika antoko kaominista taloha sady mpitondra fiovàna fanta-daza, Hu Yaobang [2], izay nitarika ireo fihetsiketshehana tany amin'ny Kianjan'i Tiananmen [3]ny fahafatesany 24 taona lasa izay.

Nahafaly vahoaka shinoa maro ny fanohanan'i Hu ireo fanovàna ho an'ny tsena malalaka sy ny fangaraharan'ny governemanta nandritra ny naha-sekretera jeneralin'ny Antoko Kaominista Shinoa azy tamin'ny 1982 hatramin'ny 1987, nefa nahatonga azy ho fahavalon'ireo mpitarika antoko matanjaka sasany.

Hatramin'ny nahafatesany, Hu, izay voaroaka tao amin'ny antoko kaominista, dia nijanona ho lohahevitra saropady tany Shina. Na teo aza ny fanadiovan'ny governemanta shinoa azy tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny 2005, mbola voarara ny anaran'i Hu ao amin'ny vohikala fitoraham-bilaogy madinika malaza indrindra any Shina, Sina Weibo.

Tsy nisy vokany ny fikarohana ny anarany tao amin'ny Weibo tamin'ny 15 Aprily, fa manao hoe:

根据相关法律法规和政策,“胡耀邦”搜索结果未予显示。

Araka ireo lalàna sy fepetra mifandraika amin'izany dia tsy azo valiana ny fikarohana ho an'ny “Hu Yaobang”.

Na izany aza, nanandrana nandingana ny sivana ireo mpampiasa aterineto tamin'ny fanasiana elanelana na sarina labozia manelanelana ireo teny shinoa telo mamorona ny anarany. Ny mpampiasa aterineto sasany dia nilaza fotsiny hoe Hu na nandrehatra labozia virtoaly fa tsy nanondro azy tamin'ny anarany.

Ary nahagaga fa nisy haino aman-jerim-panjakàna sasany koa nandray anjara tamin'izany fanomzeam-boninahitra izany. Liberation Daily, an'ny fanjakàna Shinoa dia nideradera [4] [zh] an'i Hu, ka nozaraina an'arivony maro tao amin'ny Weibo izany:

Cartoon artist “Jiao Yantian” created a cartoon of Hu Yaobang (picture from Sina Weibo)

Jiao Yantian [5]”, mpahay sary dia namorona sarin'i Hu Yaobang (sary avy amin'ny  Sina Weibo)

在中国改革到了需要狠推一步、击一猛掌的新的历史时刻,缅怀耀邦,有很强烈的现实意义。纪念胡耀邦,就要像他那样,锐意改革,勇于创新。

Zava-dehibe ny fanomezam-boninahitra an'i Yaobang amin'ny fotoana izay ilàn'i Sina maka fepetra fanampiny amin'ny resaka fanovàna sy mandroso amina pejy hafa anatin'ny tantarany. Amin'izao fahatsiarovantsika an'i Hu Yaobang izao, tokony hanana ny fahavononana hitondra fiovàna ary ny herim-po hanavao zavatra tahaka azy isika.

Nampahatsiahy [6] [zh] ny nolazain'i Hu ilay mpisolovava Xu Xin:

想起他曾说:贪污腐化,以权谋私能否制止,关系到党的生死存亡;要用最大的决心、最大的毅力、最大的韧性,狠狠地抓,坚持到底;抓这件事不能讨好,不能怕得罪人。

Tadidiko izy nilaza hoe: “Zava-dehibe ny fahafahana mampiato ny kolikoly sy ny fanararaotam-pahefàna ho an'ny fahavelomana sy ny fahafatesan'ny antoko; tokony hiezaka isika hanana ny fahavononana, fikirizana ary faharetana lehibe indrindra mba hamahàna izany olana izany hatramin'ny farany; Mba hamahàna izany olona izany dia tsy afaka manao izay tian'ny olona, na matahotra ny hanohintohina olona isika.

“Jiao Yantian”, mpahay sary dia namorona sarin'i Hu ary nilaza [5] [zh]:

说真话人民知音,办实事一代伟人!

Milazà ny marina dia azonao ny fon'ny vahoaka, manaova zava-marina dia hotsiahivina mandritra ny andian-taranaka iray ianao.

Na i Hu Xijin aza, tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazetim-panjakàna Shinoa Global Times, dia nanamafy [7] [zh] hoe :

我们应有还原历史的勇气。我们应有跳出过去是是非非的心胸。我们应有从过去汲取走向未来的力量和智慧的能力。在耀邦逝世周年的日子里,怀念并思考。

Tokony hanana ny herim-po hamerina ny tantara isika. Tokony haka lesona avy amin'ny lasa, ary handroso amin'ny hoavy miaraka amin-kery sy fahendrena. Tsaroantsika sady sainintsika lalina izao, ny tsingerintaona nahafatesan'i Hu Yaobang.

Ireo mpikambana sasany dia nampiasa ny fanehoan-keviny ho sehatra fampitahàna ny Shina tamin'ny andron'i Hu sy ny ankehitriny.

Nanoratra [8] [zh] i “Tan Feizi”, mpampiasa aterineto :

胡耀邦时代是中国历史上相对比较宽容开明的时代。那时的年轻人都很关心国家大事,热衷于讨论哲学问题,也是整个中国社会欣欣向荣的时代。相比而言,在思想上和社会的宽容上比之于现在要好很多。

Be fandeferana sady nalalaka kokoa ny andron'i Hu Yaobang teo amin'ny tantaran'i Shina tamin'ny mbola tafiditra lalina tamin'ny raharaham-pirenena ny tanora ary tia manao adihevitra filozofika. Tanaty fivoarana tanteraka ny fiaraha-monina shinoa tamin'ny ankapobeny tamin'izany. Tsara lavitra noho ny ankehitriny raha resaka fironana ara-politika sy fandeferana ara-tsosialy.

“0931_Lee”, mpampiasa aterineto hafa dia nanasongadina [9] [zh] ny tsy fahampiana mpitarika goavana any Shina hatramin'ny nahafatesan'i Hu:

二十四年了 你为之奋斗了一生的国家 变的越来越差 到目前为止再也没有出现过像你和赵公那样伟大的人物 你像灯塔一样在指引着我们 永远怀念您。

24 taona. Miharatsy hatrany ny firenena nitolomanao mandra-pahafaty fahiny. Hatreto dia tsy mbola nisy lehilahy goavana tahaka anao sy Zhao Ziyang. Ianao no jiro nitarika anay, hotsaroanay mandrakizay ianao.