Sazy [1] herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika.
Araka [2] ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka ny Mpanjaka hajaina ao amin'ny twitter.” Voalaza fa “voampanga ho manararaotra mampiasa tsy ara-drariny ny fahalalam-pitenenana sy fanehoan-kevitra imasom-bahoaka izy enina ka notànana vonjimaika alohan'ny fotoam-pitsarana” azy ireo.
Araka ny filazan'ny Fikambanan-gazety Bahrainita [3] ao Londres, ireto avy ireo voaheloka higadra [ar]:
المحكمون بالسجن في #البحرين [4] بتهمة إهانة الملك في #تويتر [5] هم: المحامي مهدي البصري، محمود طارش، محسن عبدعلي، حسن عبدعلي، حسن عبدعلي، عمار مكي.
@BahrainPA: [6]Ireo voaheloka higadra noho ny fiampangana azy ireo ho nanevateva ny mpanjaka tao amin'ny Twitter dia: ny mpisolovava Mahdi Al Basri, Mahmood Taresh, Mohsin Abdali, Hassan Abdali, Hassan Abdali ary i Ammar Makki.
Mipoitra indroa ny anaran'i Hassan Abdali eto ary tsy afaka nanamarina ny Global Voices raha olona roa samihafa ireo na mety ho fahadisoana. Nisy ny fangataham-panazavana [7] nataon'ny Global Voices fa tsy nisy namaly hatramin'izao ora anoratana ity lahatsoratra ity izao.
Hoy ny Fikambanana nanohy:
@BahrainPA [8]: BPA: manasokajy izao didim-pitsarana izao ho tsy rariny ary manitsakitsaka ny fahalalam-pitenana
Tetsy ankilany kosa, nilaza [9] ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita Mpiaro ny Zon'Olombelona fa mpisera Twitter dimy no nahazo sazy herintaona an-tranomaizina – ka niantso ho amin'ny famotsorana azy ireo:
Ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita Miaro ny Zon'Olombelona dia mitaky (BYSHR):
- ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo nosamborina noho ny fahalalam-pitenana sy fanehoan-kevitra sy ny fampitsarahana ny fiampangana azy ireo;
- ny fampitsaharana ny fifehezana ny media sosialy ao Bahrain;
- ny fiarovana ny fivezivezen'ny vaovao ao amin'ny aterineto ary ny tsy hamehezana izany.
Niteraka tsikera tao amin'ny aterineto ny didim-pitsarana.
Mahita kosa ny “Fahalalam-pivavahana Bahrainita (Bahrain Freedom Prayers)”‘ fa toy ny fandrahonana hanampenam-bava ireo mpanohitra fotsiny ny didim-pitsarana:
@FreedomPrayers: [10] Tamin'ny taon-dasa, mpisera twitter maro no nahazo sazy an-tranomaizina enim-bolana. Tamin'ity taona ity, tonga hatramin'ny herintaona ny sazy. Raha tsy manampim-bava ny ambiny, dia hiakatra dimy taona an-tranomaizina ny sazy amin'ny manaraka. #Bahrain
Avy ao Cambridge, Angletera, hoy ilay mpanoratra Toby Matthiesen nisioka:
@TobyMatthiesen: [11]Nanagadra herintaona an-tranomaizina mpisera Twitter enina ny fitsarana Bahrainita noho ny fanevatevana mpanjaka. Marika hafa amin'ny GCC ho entina hamehezana ny fiantraikan'ny Twitter izany
Mpikaroka Marc Owen Jones kosa nanao fanamby hoe:
@marcowenjones: [12] Tsy mahavita misambotra ny tsirairay izy ireo raha samy hanevateva ny mpanjaka ao amin'ny Twitter daholo ny rehetra. Sa mety ho vitany ve…? #Bahrain