Sazy herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika.
Araka ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka ny Mpanjaka hajaina ao amin'ny twitter.” Voalaza fa “voampanga ho manararaotra mampiasa tsy ara-drariny ny fahalalam-pitenenana sy fanehoan-kevitra imasom-bahoaka izy enina ka notànana vonjimaika alohan'ny fotoam-pitsarana” azy ireo.
Araka ny filazan'ny Fikambanan-gazety Bahrainita ao Londres, ireto avy ireo voaheloka higadra [ar]:
المحكمون بالسجن في #البحرين بتهمة إهانة الملك في #تويتر هم: المحامي مهدي البصري، محمود طارش، محسن عبدعلي، حسن عبدعلي، حسن عبدعلي، عمار مكي.
@BahrainPA: Ireo voaheloka higadra noho ny fiampangana azy ireo ho nanevateva ny mpanjaka tao amin'ny Twitter dia: ny mpisolovava Mahdi Al Basri, Mahmood Taresh, Mohsin Abdali, Hassan Abdali, Hassan Abdali ary i Ammar Makki.

Sioka tsy hahatonga olana ho anao ao Bahrain
Mipoitra indroa ny anaran'i Hassan Abdali eto ary tsy afaka nanamarina ny Global Voices raha olona roa samihafa ireo na mety ho fahadisoana. Nisy ny fangataham-panazavana nataon'ny Global Voices fa tsy nisy namaly hatramin'izao ora anoratana ity lahatsoratra ity izao.
Hoy ny Fikambanana nanohy:
@BahrainPA: BPA: manasokajy izao didim-pitsarana izao ho tsy rariny ary manitsakitsaka ny fahalalam-pitenana
Tetsy ankilany kosa, nilaza ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita Mpiaro ny Zon'Olombelona fa mpisera Twitter dimy no nahazo sazy herintaona an-tranomaizina – ka niantso ho amin'ny famotsorana azy ireo:
Ny Fikambanan'ny Tanora Bahrainita Miaro ny Zon'Olombelona dia mitaky (BYSHR):
- ny famotsorana tsy misy hatak'andro ireo nosamborina noho ny fahalalam-pitenana sy fanehoan-kevitra sy ny fampitsarahana ny fiampangana azy ireo;
- ny fampitsaharana ny fifehezana ny media sosialy ao Bahrain;
- ny fiarovana ny fivezivezen'ny vaovao ao amin'ny aterineto ary ny tsy hamehezana izany.
Niteraka tsikera tao amin'ny aterineto ny didim-pitsarana.
Mahita kosa ny “Fahalalam-pivavahana Bahrainita (Bahrain Freedom Prayers)”‘ fa toy ny fandrahonana hanampenam-bava ireo mpanohitra fotsiny ny didim-pitsarana:
@FreedomPrayers: Tamin'ny taon-dasa, mpisera twitter maro no nahazo sazy an-tranomaizina enim-bolana. Tamin'ity taona ity, tonga hatramin'ny herintaona ny sazy. Raha tsy manampim-bava ny ambiny, dia hiakatra dimy taona an-tranomaizina ny sazy amin'ny manaraka. #Bahrain
Avy ao Cambridge, Angletera, hoy ilay mpanoratra Toby Matthiesen nisioka:
@TobyMatthiesen: Nanagadra herintaona an-tranomaizina mpisera Twitter enina ny fitsarana Bahrainita noho ny fanevatevana mpanjaka. Marika hafa amin'ny GCC ho entina hamehezana ny fiantraikan'ny Twitter izany
Mpikaroka Marc Owen Jones kosa nanao fanamby hoe:
@marcowenjones: Tsy mahavita misambotra ny tsirairay izy ireo raha samy hanevateva ny mpanjaka ao amin'ny Twitter daholo ny rehetra. Sa mety ho vitany ve…? #Bahrain