- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Andriana Espaniola, Mampifandray An'i Korea Avaratra Amin'Izao Tontolo Izao

Sokajy: Eoropa Andrefana, Espaina, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka

Taranak'Andriana ao amin'ny lohasaha Aran, avaratr'i Catalonia, Andriana Argelejo sy olona ambony Rosalmonte i Alejandro Cao de Benós, teraka tao Tarragona, Espaina tamin'ny taona 1974.

Ankoatra izany rohim-pirazanana tsy mahazatra izany, mety tsy ho fanta-daza mihitsy ny anaran'ity Catalàna 39 taona ity raha tsy izy mpitondra teny vahiny manana ny maha-izy ao amin'ny fitondrana koreana tavaratra.

Mpanorina sy filohan'ny Fikambanam-Pinamanana Koreana izy, ary iraka manokan'ny firenena mitondra am-boninahitra izy, izay fantatra amin'ny anarana Cho Son-il, midika hoe “Iray ihany i Korea”. Nandritra ny resadresaka niarahany tamin'ny gazety Tribuna Popular [1] [es], nanazava ny fiavian'ny fifandraisany amin'ny firenena Aziatika izy:

Con 16 años tuve posibilidad de conocer a mis primeros camaradas de la RPD de Corea que residían en Madrid (Representación Permanente ante la Organización Mundial del Turismo). El interés se convirtió en pasión y me identifiqué plenamente no sólo con la ideología del Presidente Kim Il Sung, sino con los principios y valores morales del pueblo coreano.

Tamin'izaho 16 taona, afa-nihaona tamin'ireo namako voalohany tao amin'ny Repoblika Entim-Bahoaka Korea (RDP) izay nonina tao Madrid (Solontena Maharitra ao amin'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Fizahantany) aho. Nanjary nivadika ho fitiavana mahery vaika ny fihaonana ary tsy tamin'ny firehan-kevitry ny Filoha Kim Il Sung ihany no niombonako hevitra tanteraka fa tamin'ireo fitsipika sy hasim-pitodrantena Koreana.

Mahagaga raha fitondrana tia mitana tsiambaratelo tahaka an'i Korea Avaratra no manome fitokisana vahiny. Na dia izany aza, nahazo voninahitra i Cao de Benós noho ny fitokisana azy, ka lasa iraka manokana ao amin'ny Komitin'ny Fifandraisana Ara-kolontsaina amin'ny firenena vahiny izy, ary mpikambana am-boninahitra ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa ao Korea [2], sy ao amin'ny Antokom-bahoaka Koreana [3] ary mpanao gazety ambony ao Korea Avaratra.

Screen grab of Alejandro Cao de Benós's Facebook page

Pikan-tsarin'i Alejandro Cao de Benós tao amin'ny pejy Facebook-ny

Kanefa misy ny sasany amin'ny media no misalasala ny amin'ny ambaindain'i Cao de Benós ankehitriny, izay sokajiana ho “outsider” ampiasan'i Pyongyang hanatsarana ny endriny any ivelany fotsiny. Mihevitra izy ireo fa raha ny zava-misy, dia ireo manampahefana ambany toerana (olom-pehezina) ihany no mifandray aminy ary tsy mba mahazo vaovao mahaliana akory izy, izay toa manamarina ny fanehoan-keviny momba ny fandovana an'i Kim Jong Il tamina lahatsoratra an-gazety El Mundo [4] [es] nivoaka tamin'ny 18 Septambra 2010:

Kim Jong Un es un total desconocido tanto para la población como las autoridades de la RPD de Corea. En 18 años de trabajo, jamás he visto su foto o leído un libro sobre él. Si existiera, nunca sería aceptado por el pueblo o el ejército.

Vahiny tanteraka ho an'ny vahoaka sy ny manampahefana ao amin'ny RPD Korea i Kim Jong. Tao anatin'izay 18 taona niasana izay, mbola tsy nahita ny sariny mihitsy aho na namaky boky momba azy. Raha nisy izany, tsy mba nankatoavi'ny vahoaka na ny tafika izy.

Na dia izany aza, herintaona taorian'ny nahafatesan'i i Kim Jong Il sy ny fandimbiasan'ny zanany lahy Kim Jong Un azy, niova firehan-kevitra tanteraka i Cao de Benós tao amin'ny El Confidencial [5]:

Es muy joven, pero es un general muy bien preparado (…) Ha aprendido mucho de su padre, le ha seguido de cerca profesionalmente, como es tradición en Corea del Norte y en la filosofía confucionista.

Mbola tanora tanteraka izy, saingy jeneraly vonona amin'ny zava-drehetra izy (…) Maro ireo zavatra nianarany tamin-drainy, nanahaka azy teo amin'ny sehatry ny asa izy, toy ny fomba nentim-paharazana ao Korea Avaratra sy ny filôzôfia Konfosianisma.

Niasa mafy i Cao de Benós tato ato, satria izy no vahiny tokana manana fahazoan-dalana ofisialy hisolo-tena ny fitondrana Korea Avaratra, nikarakara resadresaka sy valandresaka foana ihany koa izy tato ato. Tamin'ny 18 Aprily 2013, natao tao amin'ny Diari deTarragona [6] [es] ity fanambarana manaraka ity:

[¿Sería capaz Corea del Norte de atacar al propio Estados Unidos?]  También. Podemos alcanzar cualquier punto del país. Tenemos capacidad tecnológica para ello. Colocamos tres satélites en órbita para usos pacíficos, pero podemos emplear la misma tecnología para usos militares. (…)

Si Estados Unidos se atreve a usar uranio empobrecido contra nosotros, no dudaremos en responder con armamento nuclear. Y esto afectaría a todo el mundo.

[Mahavita manafika an'i Etazonia ve i Korea Avaratra]. Sy ny hoe. Afa-mananika firenena n'aiza n'aiza isika. Manana fahaizana ara-teknolojia isika hanaovana izany. Nametraka zana-bolana telo amin'ny planeta isika ho amin'ny tanjona ara-pilaminana, kanefa afaka mampiasa teknolojia tahaka izany ihany koa isika amin'ny resaka miaramila. (…)

Raha sahy mampiasa fakon'oranioma amintsika i Etazonia, tsy hisalasala hamaly amin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana nokleary isika. Ary hiantraika amin'izao tontolo izao izany.

Saingy tsy vao voalohany i Cao de Benós no nanao fanambarana mampiadi-hevitra tahaka izany. Tamin'ny volana Septambra 2010 ohatra, niresaka momba ny Amnesty International [7] taminà resadresaka niarahana tamin'ny gazety El Imparcial [8] [es] izy:

Alejandro Cao de Benós working in Pyongyang in 2011. Photograph taken from his Facebook page. [9]

Alejandro Cao de Benós niasa tao Pyongyang tamin'ny taona 2011. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-ny.

 (…) cada año publican una lista de los países que más violan los derechos humanos y en la que el primer lugar lo ocupa, casi siempre, Corea del Norte. Pues bien, AI no ha visitado jamás el país. (…) Esto demuestra que estas supuestas ONGs no son más que instrumentos políticos de Estados Unidos y la CIA.

(…) misy lisitra havoaka isan-taona izay ahitana ireo firenena mpanitsakitsaka indrindra ny zon'olombelona, ary matetika laharana voalohany amin'izany foana i Korea Avaratra. Na, mbola tsy nitsidika ny firenena mihitsy ny AI (Amnesty International). (…) Mampiseho izany fa tsinontsinona ity Fikambanana tsy miankina ity (AI) fa fitaovana ara-politikan'i Etazonia sy ny CIA ihany.

Raha nanontanian'ny El País [10] [es] momba ny toby famonjana goavana ankalamanjana maro ao Korea Avaratra izy tamin'ny Desambra 2011, dia hoy ny navalin'i Cao de Benós:

No existen. Son campos de reeducación donde los presos trabajan y estudian la doctrina del régimen (…) Yo mismo he mandado a dos personas a campos de reeducación.

Tsy misy izany. Toby fanarenana misy ireo gadra miasa sy mianatra ny tsangan-kevitry ny fitondrana ireo (…) Efa nandefa olona roa tao amin'ny toby fananerana ny tenako manokana.

Na dia izany aza, firenena somary tia manafinafina i Korea Avaratra izay voaràra ny aterineto any, mavitrika be amin'ny fampiasana habaka anefa i Cao de Benós, monina ao Espaina. Manana kaonty Twitter [11]sy pejy facebook [12]ary bilaogy [13] [es] izy izay ampiasainy hanehoana hevitra sy hisarihana mpamaky hiara-dia aminy. Ary izany indrindra no nataony farany teo; nanatontosa fanangonan-tsonia antserasera izy mba hametraka vondrom-piarovana iraisam-pirenena ho an'i Korea Avaratra. Hoy izy tamin'ny 11 Martsa 2013:

@DPRK_CAODEBENOS [14]: Asehoy ny fanohananareo amin'ny fidirana ao amin'ny Vondrom-piarovana Iraisam-pirenana DPRK! * Apoye la brigada de defensa de la RPDC!

A conference given by Cao de Benós in the Universidad de Zaragoza (Spain) on March 15, 2012. Photograph taken from his Facebook page. [15]

Valan-dresaka nokarakarain'i Cao de Benós tao amin'ny Universidad de Zaragoza (Espaina) tamin'ny 15 Martsa 2012. Sary nalaina tao amin'ny pejy Facebook-ny.

Tao anatin'ny andro vitsy monja, nahatratra 1000 ireo sonia voaangona, ary afaka manasa olona amin'ny alalan'ny mailaka ny vondrona, araka ny fanazavan'i Cao de Benós tao amin'ny bilaoginy [16] [es].

Saingy tsy izay ihany no zavatra nataony. Fa nikarakara fitsidihana an'i Korea Avaratra tamin'ny alalan'ny habaka ofisialin'ny firenena [17] i Cao de Benós, izay izy ihany no mpandrindra izany. 3100  dolara ny saran'ny fitsidihana [18] ho an'ireo olom-pirenena Amerikana [19] ary 2450 dolara kosa ho an'ny hafa [20] (tsy tafiditra ny sidina miainga ao Beijing), ary maharitra 8 andro ny fitsidihana, tsy tafiditra amin'izany ireo olona miasa amin'ny media.

Tao amin'ny Twitter, nizarazara be ny hevitra mikasika an'i Cao de Benós, tahaka ireto sioka roa avy amin'i Ragnarok (@Ragnarok_Madrid [21]) sy Sr. Sawa (@Pornosawa [22]) ireto:

 

@Ragnarok_Madrid [23]: Acabarás siendo el Bin Laden español grandullón, no sé qué beneficio sacas de tus declaraciones, yo que tu lo dejaría..

@Ragnarok_Madrid [23]: Hiafara ho Ben Laden Espaniola ianao. Tsy fantatro hoe inona no tombotsoa azonao amin'ireo fanambarana ataonao, raha izaho ianao hialako izany…

@Pornosawa [24]: Cao de Benós está reclutando una brigada internacional con españoles para defender Corea http://t.co/odG5HwWodE [25] @agarzon [26] TEN HUEVOS Y ÚNETE

@Pornosawa [24]: Mitady olona hampidirina ao amin'ny vondrom-piarovana iraisam-pirenena hiarovana an'i Korea Avaratra i Cao de Benós. http://t.co/odG5HwWodE [25] @agarzon [26] SAHIA DIA SAHIA DIA MIDIRA.