- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Fa Inona Koa No Tadiavin'ny Shinoa?’ Lohateny Mahatezitra ny Malaiziana

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Nisy gazety Malay an'ny antoko mitondra ny firenena, izay nandresy tamin'ny isa tery dia tery noho ny nifidianan'ny fiarahamonina shinoa niròna tamin'ny mpanohitra, namoaka ny lohateny hoe :‘apa lagi Cina mahu?’ (Fa Inona Koa no Tadiavin'ny Shinoa?), izay niteraka valy bontana avy hatrany avy amin'ireo  Malaiziana maro.

BN na Barisan Nasional no antokon'i Malaizia izay teo amin'ny fitondrana hatramin'ny 1950s. Pakatan no fiarahan'ny Mpanohitra. BN no nandresy tamin'ny fifidianana farany teo na  dia very toerana maro tao amin'ny Antenimiera aza; ary misy ny siosion-dresaka [1] fa nangala-bato io mba hijanonana eo amin'ny fitondrana.

Taorian'ny fanambarana ny voka-pifidianana [2][mg] ankapobe faha-13 tany Malaizia, Dia nisokitra ny voambolana ‘tsunami Shinoa’ [3] ny praiminisitra Najib Razak hanondroany ny firona-tsafidin'ny vondro-piarahamonina shinoa, milaza fa ‘mampanahy ny governemanta ny fisaraham-bazana hita amin'ny firona-tsafidy. Matahotra izahay fa raha mitohy izao dia hiteraka fifampihenjanana’ ary dia nantsoina ny ‘fanatanterahana ny fampiraisam-pirenena’.

Ny lazain'ny lohateny moa  dia ny fangidian-drota amin'ireo mitondra ankehitriny noho ny fihariharian'ny mpifidy shinoa ho any amin'ny mpanohitra na dia teo aza ny fametrahana fandaharan'asa sy fanitsian-drafitra natao hahazoan'ny fiaraha-monina shinoa tombontsoa tao anatin'ny taona vitsivitsy. Misy ny mpamakafaka sasany mieritreritra [4] fa manamafy tsy ampiheverana ny hevitra fanavakavaham-bolonkoditra ny “fiampangana ny Shinoa ho mampizarazara an'i Malaizia.”

Tsy manaiky io hevitra io i Balajoe [5] :

At the end of the day, it has nothing to do with the Chinese, Malay or even the Indian tsunami. Yes the number of Chinese turning up and voting for Pakatan was higher than before. Are you going to blame them for that? Where it says that the Chinese (or any Malaysians for argument sake) have to vote for BN only? What a bunch of sore losers! It’s a fact that Pakatan could not have gained more votes using Chinese votes alone.

Aty amin'ny fiafaran'ny andro, tsy misy ifandraisany amin'ny tsunami Shinoa, Malay na Indiana akory aza io. Eny betsaka noho ny taloha ny isan'ny Shinoa nandeha nifidy ny Pakatan: Tsinianao noho izany toe-javatra izany ve izy ireo? Aiza no misy filazana fa ny Shinoa (na ny Malaiziana tsirairay ho fandresen-dahatra) dia tsy maintsy mifidy ny BN irery ihany? Tena tsy mahazaka resy ireto! Hita fa tsy hahazo vato betsaka ny Pakatan raha maka ny vato shinoa irery ihany.

A copy of the controversial headline of Utusan Malaysia which was widely shared on the internet

Dika mitovin'ilay lohateny mampiady hevitra ao amin'ny Utusan Malaysia izay niely fatratra tao amin'ny aterineto

Nalaza manokana tao amin'ny Twitter [6] ny lohahevitra tamin'ny fampiasana ny teny ifankafantarana #ApaLagiCinaMahu [6], izay natao hanadrohadroana tamin'ny ankapobeny.

@ChqminMataPecah [7] valid question to BN: how can you provoke the chinese wins, when you always mentioning on unity of malaysian? #apalagicinamahu–is it?

Fanontaniana manankery ho an'ny BN: ahoana ny hahazoanao ny shinoa, raha manamarika matetika ny firaisana malaiziana ianao? #apalagicinamahu ve?

@MalaysiaForAll [8] #black505 The crowd wont be this big if not for najib's ‘Chinese tsunami’ & utusan's #apalagicinamahu Rakyat is truly angry with racist umno

#black505 tsy goavana tahaka izao ny olona raha tsy tezitra tokoa tamin'ny tenim-panavakavahan'ny ‘tsunami shinoa’ sy ny #apalagicinamahu Rakyat nataon'ny utusan

@hwabeng [9] My ancestors came 2 Msia 700 yrs ago with Hang Lipo,Hang Tuah & his bros,when did yours came 2 Msia 2 ask me #ApaLagiCinaMahu ?

Tonga teto Malaizia niaraka tamin'i Hang Lipo,Hang Tuah ary ireo rahalahiny avy ny razambeko 700 taona lasa izay, oviana ianareo no tonga teto Malaizia hanontany aho hoe #ApaLagiCinaMahu ?

@teohjitkhiam [10] Waitwait! I'm still compiling my wants list, goddamnit. #ApaLagiCinaMahu Sheesh. And I thot Santa Claus was picky abt being naughty & nice.

Andrasoandraso! mbola mameno ny lisitry ny faniriako aho, andriamanitro ô. #ApaLagiCinaMahu . Ary nieritreritra aho hoe masiaka eo amin'ny resaka hendry sy maditra ny dadabe noely.

@charmainelynn [11] Why separate us by race? Take a look at yourself,your policies,and your cronies and corrupt government,before you blame us. #apalagicinamahu

Nahoana no manasaraka antsika amin'ny fokom-pirazanana? Jereo ny tenanareo, ny politikanareo ary ireo akamakelinareo sy ny governemanta mpanao kolikoly mialoha ny hibedesanareo anay. #apalagicinamahu

Haris Ibrahim, namoaka ity sary [12] ity ao amin'ny bilaoginy izay mety mitaratra izay fihetseham-pon'ny Malaiziana maro:

[12]

 Nataon'i [13] Junah mazava [13] ihany koa fa tsy nahazo ny fanohanan'ny Malay maro ny BN tamin'ny fifidianana farany teo:

Too much time has already been wasted upon thinking of what the Chinese want. It is not what more the Chinese want, in fact, its what the Malay wants all along.

As a conclusion if the Chinese doesn't want to be represented by the Malay so does the Malays.

Be loatra ny fotoana very tamin'izay tadiavin'ny Shinoa. Tsy izay tadiavin'ny Shinoa intsony io, fa izay tadiavin'ny Malay miaraka amin'izany koa.

Ho fehiny raha tsy te-hosoloan'ny Malay vava ny Shinoa dia mba tahaka izany ihany koa ny Malay.