Orinasa Mpanao Labiera Manaisotra Ny Fangiazam-pananan'ny Federasiona Panameana Momba Ny Baolina Kitra

Na dia teo aza ny bitsika iray nalefan'ny filoha Ricardo Martinelli izay nitarika adihevitra be, niverina tamin'ny laoniny ihany ny zavatra rehetra andro vitsivitsy taorian'ny savorovoro teo amin'ny Federasion'ny baolina kitran'i Panama sy Baru Brewery

Ny 29 aprily 2013, tao amin'ny kaontiny Twitter ny Filoha Martinelli (@rmartinelli) [es] dia nanondro iray tamin'ireo vokatry ny Baru Brewery:

@rmartinelli: Le pido respetuosamente a la Cerv Panamá que retire YA la demanda a Fepafut. La pelea de ellos es contra todo Panamá y ahora es conmigo

@rmartinelli: Dia EFA mangataka am-panajana SAHADY ny labiera Panama aho mba hisintona ny fangatahany amin'ny Fepafut. Tamin'i  Panama manontolo ny adin-dry zareo fa ankehitriny dia ady atao amiko.

Ireo tenin'i Filoha ireo dia nitondra hevitra roa manohana sy manohitra ihany koa ny fanehoankeviny. Ny mpampiasa (@Buhenona) [es] dia nino fa ilay bitsika dia mampiroborobo ny tsy fijoroana ho tompon'andraikitra :

Cerveza Panamá, foto de usuario de Flickr Erik Cleves Kristensen, bajo licencia Creative Commons (CC BY 2.0)

Labiera Panama, sary avy amin'i Erik Cleves Kristensen, mpampiasa Flickr, , eo ambany lisansa Creative Commons License (CC BY 2.0)

 

(@Buhenona) @rmartinelli que falta de todo! Apadrinando la irresponsabilidad de los ladrones esos ¬_¬

(@Buhenona@rmartinelli Tsy fahampiana toy inona re izany ! Famatsiam-bola ny tsy fahatongavan-tsain'ireo mpangalatra ireo ¬_¬

Nefa ho an'i Jesús Chucho Barrios (@chucho507) [es],  fanehoana fitiavana ho an'ny ekipa nasionaly avy amin'ny anaran'ny filoha izany:

@chucho507: @rmartinelli Definitivo nuestro Presidente no es un Robot, el se expresa y siente como cualquiera de nosotros. #ApoyoAlPresi @la_cascara

@chucho507@rmartinelli Tsy milina voabaiko mihitsy ny Filohantsika, maneho hevitra izy ary mahatsapa ho toy ny sasany amintsika ihany.

Nesorin'ny Baru Brewery ny marainan'ny 30 aprily ny fahirano nataony tamin'ny Fepafut, araka izay nolazain-dry zareo tamin'i Diario Pro [es]:

En conferencia de prensa convocada en la mañana del día martes, la gerente de Cervecería Barú, Helene Weesie, confirmó que le han notificado a la Federación Panameña de Fútbol que el secuestro que habían interpuesto el día jueves ha sido levantado y que el proceso se retomará después del Mundial 2014.

Nandritra ny fifanakalozan-kevitra tamin'ny mpanao gazety natao ny Talata maraina, Helene Weesie, mpitantana ny Baru Brewery, dia nanamafy fa efa nandefa taratasy ry zareo ho an'ny Federasion'ny baolina kitra Panameana milaza ny fanesorana ny fangiazam-pananana izay nataony ny Alakamisy teo ary hitohy kosa ny raharaha aorian'ny Fiadiana izay ho Tompon-daka Maneran-tany ny 2014.

Ilay orinasa ihany koa dia nampiasa ny kaontin'ny Labiera Panama ao amin'ny Twitter (@Cerveza_Panama) [es], ny vokatra fototra vokariny, mba hampahalalàna fa na teo aza ny fanesorana ny fangiazam-pananana, dia manantena izy ireo fa hihatra ny lalàna:

@Cerveza_Panama: Los consumidores quieren trasparencia y justicia, nosotros también, por eso continuaremos con el proceso de arbitraje despues del Mundial.

@Cerveza_Panama: Mitady ny mangarahara sy ny rariny ireo mpanjifa, tahaka anay koa, izany no mahatonga anay hanohy miaraka amin'ny dingam-piitsaràna  aorian'ny Fiadiana izay ho Tompon-daka Maneran-tany.

Nandefa lahatsary iray [es] tao amin'ny YouTube koa ilay orinasa, izay nanazavan'i Helene Weesie ny mombamomba ny fitondrantenan'ilay orinasa fanamboarana labiera ary nanazavany ny tanjon'ny orinasa, sy ny an'ireo Panameana rehetra, dia ny hilalaovan'ny ekipa nasionaly. Fanampin'izany, niteny ilay lehibeny mikasika ny fanaporetana nahazo ny orinasa tato anatin'ny andro vitsivitsy noho ny fitakiany ny zony monja ihany. Farany, Wessie manazava fa Baru Brewery dia mampanantena fa hanohy hikaroka ny rariny ary hanemotra ny fitsarana hatrany aorian'ny Fiadiana izay ho Tompon-daka ny 2014:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.