12 Mey 2013

Tantara tamin'ny 12 Mey 2013

Notsarovana Ilay Mpandalim-baovao Mikasika Ny Tantaran'i Sainte Lucie

  12 Mey 2013

Mpahay tantara sady mpitahiry ny nentin-drazana i Robert Devaux ilay niato tamin'izay nisasarany tamin'ity herinandro ity, nodimandry ny marainan'ny 16 aprily 2013, taorian'ny ady tamin'ny homamiadana. Ireo mpisera anaty aterineto ao Ste Lucie dia nanome voninahitra lehilahy iray izay heverina ho maherifo mpiaro ny tontolo iainana sy mpanao vina lavitra ho an'ny fireneny.

Mba Ho Heno Amin'ny aterineto: Thor, Ireo Mpanao Sangy Ratsy Ary Ireo Mpikatroka Mafàna Fo Amin'ny Fampahalalam-baovao

  12 Mey 2013

Ireo mpisera anaty aterineto, ireo mpanaitra, ireo mpanao gazety, ireo mpijirika tsy ara-dalàna ary ireo mpanao sangy ratsy dia namorona ny tontolo virtoaly vokatry ny fakàna sary an-tsaina ifotony tety amin'ny aterineto, izay mitarika antsika - mba hamerina indray ny filazan'i Michel Maffesoli - ao anatin'ny "fahaterahana vaovao mifototra amin'ny anganongano"

‘Tsunami Malayziana’ Manohitra Ireo Tsi-Fetezan'ny Fifidianana

  12 Mey 2013

An'aliny ireo olona tao Malaizia no nifamory tao amin'ny kianjaben'i Kelana Jaya izay akaikin'ny renivohi-pirenena tamin'ny 8 mey 2013 hanohitra ny vokatra navoaka farany nandritra ny fifidianana ankapobe faha-13. Nampitandrina ny governemanta fa mety hampangaina ho manao fiokoana ny nandray fitenenana sasantsasany. Nanambara ny mpanohitra fa mbola hisy ny famoriam-bahoaka hafa.