10 Mey 2013

Tantara tamin'ny 10 Mey 2013

Senegaly : Ny « Vaovao Vita Rap », Vaovao An-tSary Tsy Manara-Penitra

  10 Mey 2013

Nahita vaovao an-tsary amin'ny endrika vaovao ny mpijery fahitalavitra ao Sénégal, vaovao atolotry ny mpiangaly rap roa malaza ao an-toerana dia i Xuman (39 taona) sy i Keyti (40 taona), iresahana vaovao politika sy sosialy ary iraisampirenena amin'ny teny wolof sy frantsay. Manazavazava amin'i Anna Guèye ireo artista.

Famoronan-Tantara Ao Erbil

Rising Voices  10 Mey 2013

Tamin'ny volana lasa, namoaka lahatsoratra teny fampidirana momba ny Storymaker izahay, fampiharana finday eo an-dalam-pandrafetana. Natokana ho an'ireo mpanao gazety manerantany hanatsarany ny fahaizany mitantara (storytelling) amin'ny aterineto ny tetikasa izay tohanan'ny Global Voices, Free Press Unlimited, (Foibe Iraisam-pirenena ho an'ny asa fanaovan-gazety) International Center for Journalism ary ny Guardian Project. Halefa miandalana eny ihany ny...

Bilaogera Etiopiana Higadra 18 Taona An-tranomaizina Noho Ny Fandikana Ny Lalampanorenana

GV Mpisolovava  10 Mey 2013

Tao amin'ny habaky ny Electronic Frontier Foundation no nahitana ity lahatsoratra ity voalohany. Nasiam-panovana izany ho an'ireo mpamaky ny Global Voices Advocacy. Tamin'ny 1 Mey, nohamafisin'ny Fitsarana Tampony Etiopiana ny fiampangana sy ny sazy henjana azon'ilay mpanao gazety an-tserasera nahazo loka Eskinder Nega, izay hiatrika sazy 18 taona an-tranomaizina ankehitriny. Nosamborina tamin'ny...