Brezila : Manohintohina ny Famotorana Raharahan-Kolikoly ny “PEC-n'ny Tsimatimanota”

[Ny rohy rehetra dia amin'ny fiteny portiogey avokoa ankoatra izay nomarihana manokana.]

Eo am-pototry ny vato-baorin'ny raharahan-kolikoly[en] ao Brezila izay nahitana ny mpikambana governemantan'i filoha teo aloha Luiz Inácio Lula da Silva noampangaina ho nandray anjara tamin'ny fividianam-bato, dia nisy volavolam-panitsiana lalampanorenana ao Brezila izay hanolotra ny fahafaha-manao famotorana ao amin'ny biraon'ny fampanoavana, izay manaraka ny raharaha, ho any amin'ny polisy.

Mbola ao anaty adi-hevitra eny amin'ny Antenimieram-pirenena ny volavolan-dalàna[en] izay omen'ny mpitsikera anaram-bositra ho “lalànan'ny tsimatimanota”, izay mikendry ny hampihenana ny fahefana manao famotorana heloka bevava ho an'ny polisy. Amin'izao fotoana izao dia afa-manao fanadihadiana tahaka ny ataon'ny polisy ny ao amin'ny fampanoavana, fepetra noraisin‘[en] ny fitondrana jadona miaramila tao Brezila hanoherana ny kolontsain-kolikoly amin'ny alalan'ny ambaratonga vaovaon'ny fandraisana andraikitra.

Niaro ny volavolan-dalàna fanitsiana ny kaomiseran'ny polisy teo aloha sady solombavambahoaka federaly Lourival Mendes, izay nanoratra azy io tamin'ny filazana fa tokony ho iray, fa tsy roa na mihoatra, no miandraikitra ny famotorana. Ny Minisitera Poblika[en], izay iantsoana ny biraon'ny fampanovana federaly, dia tokony ho voafetra hanadihady izay raharaha efa nanangonan'ny polisy porofo,araka an'i Mendes.

Saingy ny fahaleovantenan'ny biraon'ny fampanoavana no nanamora ny nanaovana fanadihadiana ireo raharaha lehibe , tahaka ny famotorana ny mpitsara teo aloha Nicolau dos Santos Neto izay nampangaina ho nanao kolikoly, fanodikodinam-bola, hosoka, ary fanadiovam-bola tamin'ny 2006, araka izay nasongadin'ny solontenan'ny mpisolovava Janice Ascari (@JaniceAscari) ao amin'ny Twitter:

@JaniceAscari: Importante: o caso do Juiz Nicolau foi investigado diretamente pelo MPF e sem nenhuma participação da Polícia. #PEC37

@JaniceAscari: Zavadehibe: ny raharaha nitoriana ny mpitsara Nicolau dia nanaovan'ny biraon'ny fampanoavana federaly famotorana mivantana tsy nisy fandraisana anjaran'ny polisy #PEC37

"Against the PEC 37"/ Illustration publicized by the site 'Brasil contra a impunidade' (Brazil against impunity).

“Manohitra ny PEC 37″. fanehoana an-tsary napariahan'ny habaka “Brasil contra a impunidade” (Brazil manohitra ny Tsimatimanota).

Maro ireo andrim-panjakana mety ho tratran'ity antsoina hoe PEC 37 ity, ka tafiditra amin'izany ny Secretariàn'ny Fidirambola Federalin'i Brezila [en], ny Ivotoerana Breziliana Momba ny Tontolo Iainana sy ny Angovo Voanjanahary azo Havaozina [en], ary ny Banky Foiben'i Brezila [en], saingy ny Minisitera Poblika no tena nanandratra ny feony manohitra ilay fepetra, ka manao ho foiben'ny fanetsiketsehana ataony amin'ny alalan'ny tranonkalany Brasil Contra a Impunidade [Brezila Manohitra ny Tsimatimanota].

Efa nahangona sonia mihoatra ny 96000 ho fanoherana ny volavolam-panitsiana ny fanangona-tsonia Avaaz tamin'ny 4 Mey 2013, ary namoaka hira ho fanohanana ny hetsika ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny fanjakana breziliana ao Ceará.

Tamin'ny 22 Avrily 2013, niantso hanaovana fihetsiketsehana hanoherana ny fanitsiana tao amin'ny Twitter ny biraon'ny fampanoavana ao amin'ny fanjakan'i São Paulo. Nilaza ny heviny momba ity raharaha ity tamin'ny fampiasana tenifahatra #NãoPEC37 sy #PEC37 ny mpisera Twitter maro.

Lawyer Renato Buosi (@renatobuosinanandratra ny fanontaniana:

@renatobuosi: A quem interessa fazer com que o Ministério Público não tenha competência para investigações??? #Brasil #NaoPEC37

@renatobuosi: iza no liana amin'ny fampihenana ny herin'ny Minisitera Poblika amin'ny famotorana??? #Brasil #NaoPEC37

Ny Bilaogera Cláudio Fontes (@Claudioffontessnandaka ny ilàna lalàna tahaka izany:

@Claudioffontess: O Brasil não precisa de #PEC37, de Copa do Mundo, de Olimpíadas e muito menos de CORRUPÇÃO, o Brasil precisa de SAÚDE, SEGURANÇA E EDUCAÇÃO!

@Claudioffontess: I Brezila tsy mila ny fanitsiana #PEC37, ny mondialy, lalao Olaimpika ary ny KOLIKOLY, I Brezila mila FAHASALAMANA, FILAMINANA ARY FANABEAZANA!

Misy ny polisy sasany mitarika ny fanentanana ho amin'ny fiarovana ny fanitsian-dalà-panorenana, tahaka ny Fikambanana Nasionalin'ny Kaomisera Federaly sy ny Fikambanan'ny Polisy Kaomiseran'i Brezila, izay tompon'andraikitry ny tranonkala PEC da legalidade [PEC -n'ny fanarahan-dalàna].

Fa na eo amin'ny samy polisy aza dia misy ireo manohitra ny volavolan-dalàna tahaka ny polisy federaly FC Garisto (@FCGaristo) izay nanamarina fa:

@FCGaristo: Na POLÍCIA FEDERAL somente os delegados defendem a IMUNDA #PEC37 – 90% da PF é Contra essa Vergonhosa PEC que defende a corrupção !

@FCGaristo: Ao amin'ny POLISY FEDERALY, ny kaomisera ihany no miròna amin'ilay  #PEC37 MANKALOILOY – 90% -n'ny polisy federaly dia manohitra ity PEC mahamenatra ity izay miaro ny kolikoly! !

Nasongadin'ny mpanao gazety Decio Neves (@DecioNeves) ny iray amin'ireo antony mahatonga ny mpanao lalàna hiròna amin'ilay tolo-kevitra ao amin'ny vaomiera manokan'ny Antenimieram-Pirenena iray, izay nekena tamin'ny latsabato 14 ny PEC 37 tamin'ny 21 Novambra 2012:

@DecioNeves: LEGISLANDO EM CAUSA PRÓPRIA: Dos 14 deputados que aprovaram a #PEC37 9 estão sendo processados com ajuda do MP http://twitpic.com/ck95kf 

@DecioNeves: NANAO LALANA HIAROVANY NY TENANY MANOKANA: Amin'ireo depiote 14 nanaiky ny #PEC37 dia teo an-dalam-pamotorana atrehin'ny Minisitera Poblika ny sivy http://twitpic.com/ck95kf

Efa vonona hankatoavina ao amin'ny Antenimieram-Pirenena ny volavolan-dalàna. Raha lany moa dia alefa any amin'ny Antenimieran-Doholona. Momba izany moa dia nitsinjo mialoha ny mpisera Twitter De Olho na Serra (@todolho):

@todolho: Na votação da PEC37 se verá quem é quem. Corruptos serão pró. Os ainda com esperança de salvação votarão contra.

@todolho: Ho hitantsika hoe iza no iza rehefa tonga ny fotoana ifidianana ny PEC 37. Ny mpanao kolikoly hiròna aminy. Fa ireo mbola manam-panantenana kosa dia hitsipaka ny fifidianana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.