- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Kandidà Tsy Nampoizina Fifidianana Eto Madagasikara

Sokajy: Afrika Mainty, Madagasikara, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Fanamarihana : Raha mijery ny lahatsoratra niavian'ity dikan-dahatsoratra ity isika dia tamin'ny 28 avrily no nanoratana ny tamin'ny teny anglisy, nisy ny fanavaozana tamin'ny 29 avrily, nefa tsy nampiova ny zava-misy ny lohateny fa nisy ny kandidà tsy nampoizina na dia efa nampoizina ihany aza tanatin'ity lahatsoratra ity. Tsy maintsy natao izay fanamarihana izay sy ny nandikana ity lahatsoratra ity indray na dia herinandro taty aoriana aza!

Fanavaozana (29 avrily 2013):  Indro ny lisitra fenon'ny kandidà 49 [1] [fr] nirotsaka ho filoham-pirenena. Tsy tafiditra tao anatin'ny ny filohan'ny tetezamita ankehitriny.

Koa satria nifarana androany (28/4) ny firotsahana ho filoham-pirenena malagasy, nisy ny kandidà heverina ho tsy ampoizina. Raha tsy dia fantatry ny olona loatra amin'ny ankapobeny ireo kandidà nirotsaka voalohany [2], nisy ny mpanao politika nanana ny lazany vitsivitsy heverina fa hirotsaka hifaninana: ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka [3], ny filohan'ny tetezamita ankehitriny Andry Rajoelina [fr] [4] ary ny vadin'ny filoha teo aloha Ravalomanana, Lalao Ravalomanana [5].