- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niala Tsiny Tao Amin'ny Facebook Noho Ny Ady An-trano Tamin'ny Taona 1994 ny Jeneraly Yemenita

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Yemen, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Crowds in Aden city on the anniversary of the declaration of war on Southern Yemen (Shared on twitter via @NajiAlkaladi) [1]

Vahoaka marobe tao an-tanànan'i Aden tamin'ny fitsingerenan'ny fanambarana ady tao atsimon'i Yemen (Nozaraina tao amin'ny Twitter via @NajiAlkaladi)

Mananganan-tsaina ny firenena sady miventsoventso teny filamatry ny fahaleovantena, an'arivony ireo tonga tao an-tanàna renivohitry Aden taloha sy tanàna hafa ao Atsimon'i Yemen tamin'ny 27 Aprily 2013, tanàna izay efa zatra mankalaza ny andro nanambaran'ny Tavaratra ady tamin'ny vahoaka tatsimo sy “nibodoina” ny taniny tamin'ny taona 1994, araka ny famaritan'ireo Tatsimo.

Nandritra izany andro izany ihany, namoaka fialan-tsiny manokana tao amin'ny Facebook ho an'ny vahoaka Tatsimo ny mpanolotsaina vaolohan'ny miaramilan'ny Filoha ao amin'ny firenena noho ny “ady tsy rariny rehetra” vitan'ny fitondran'ny Filoha teo aloha Saleh.

Firenena sosialista tsy miankina  [2]ny ao Atsimon'i Yemen izay nitambatra niaraka tamin'i Yemen Avaratra tamin'ny taona 1990 mba hiforonan'ilay antsoina amin'izao fotoana hoe Repoblikan'i Yemen [3], niaraka tamin'i Ali Abdallah Saleh [4] izay Filoha nanambatra an'i Yemen. Tamin'ny taona 1994, nanambara ny fisarahany tamin'ny tavaratra ireo Yemenita tatsimo tsy faly [5], ka niafara tamin'ny fibodoan'ny tavaratra ny tanin'ny Yemen Atsimo izany taorian'ny ady an-trano 1994 [6] naharitra telo volana.

Nanoratra tao amin'ny rindrin'ny pejy Facebookny [7] ny Jeneraly Ali Muhsin, Mpanolotsain'ny Miaramila sy ny Fiarovana ankehitriny amin'izao fitondran'ny Filoha AbduRabu Hadi izao, izay tonga teo amin'ny fahefana taorian'ny revolisiona Yemenita [8] nahatonga ny fihonganan'i  Saleh tamin'ny 2011.

 

في ذكرى حرب صيف 94 نتوجة بالاعتذار والأسف لإهلنا في جنوب اليمن شخصيا ، كما اعتذرنا لكل الأطراف في اليمن عن كل ممارسات النظام السابق من حروب ظالمة ، والاعتذار الحقيقي قدمه الشعب اليمني لنفسه حين قام بثورة سلمية قضت على طموحات التوريث التي تسببت في ظلم الكثير من ابناء الشعب اليمني جنوبه وشماله .. ون

Amin'izao fitsingeranan'ny ady 94 izao, maneho ny fialan-tsiny sy fiaraha-miory manokana amin'ny vahoakan'i  Yemen Atsimo, sy ny antoko rehetra ao Yemen izahay noho ireo fomba fanao tsy rariny tamin'ny ady nataon'ny fitondrana teo aloha; ny tena fialan-tsiny nataon'ny vahoaka Yemenita ho azy ireo manokana dia nandritra ny revolisiona milamina izay namonoana ny fikasam-pandovana niteraka tsy rariny marobe tamin'ny vahoaka Yemenita, tavaratra sy tatsimo.

Mpiavy Yemenita mpikatroka ny zon'olombelona monina ao New York-,  Summer Nasser ( [9]@SummerNasser [9]) nisioka hoe:

@SummerNasser [10] Nanao azafady tamin'ny vahoaka Tatsimo tao amin'ny Facebook i Ali Mohsen noho ny ady. Manompa ahy ve ianao #Yemen

Mpisera Twitter Hussein Al-Yafai ( [11]@crazyyafai [11]), mpianatra sady monina ao Etazonia sy Yemen nisioka hoe:

@crazyyafai [12]: Nanao azafady ny Jeneraly Ali Mohsen androany noho ny fanambanana ady tamin'ny #SouthYemen, ny taninay sy ny harenay miverina no tadiavinay fa tsy fialan-tsiny.

Mampiseho ireo mpanao fihetsiketsehana tonga tao an-dalambe mba hankalaza ny faha-19 nitsingeran'ny fanambarana ady nataon'ny Tavaratra tamin'ny 27 Aprily 1994 ity lahatsary tao amin'ny YouTube narakitr'ilay mpiserasera Radfan Almokafeh ردفان المكافح [13] :

Al-Yafai izay namaritra ny tenany ho mpandala ny zon'olombelona ao Yemen nanampy hoe:

@crazyyafai [14]: Tamin'io daty io: 27 Aprily 1994, Nanambara ady tamin'ny #SouthYemen (YemenAtsimo) ny fitondrana tavaratra & namadika ny firaisana lavorary ho fibodoana

@crazyyafai [15]: Ny vokatry ny ady dia ny fibodoana an'ny #SouthYemen (YemenAtsimo), sy ny fakàna ny hareny rehetra toy ny haza amin'ny ady.