- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Venezoela : Mampiseho Harefon'ny Foto-kevitr'i Chavez Ny Valim-pifidianana

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fanoherana, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika

Ny valim-pifidianana [1] filoham-pirenena natao ny alahady 14 aprily 2013 dia nahitana taratra sahady ny fanombohan'ny fihemoran'ny foto-kevitra Chavez.

Roa volana monja dia ampy ny filoha mpisolo toerana izay lany ho filoha ankehitriny mba hanariana vato 685.794 raha oharina amin'ny isa azon’itompokolahy [2] Chávez Filoha, ny 7 oktobra 2012 (7-O), raha toa ka vato nahatratra 679.099 amboniny no azon'ny kandida mpanohitra Capriles Radonsky miohatra amin'ny 7-O.

Midika ireo isa ireo fa nandova isa 11 tombony i Maduro, saingy nandresy taminà elanelana 2 latsaka.

Ny biletà voalohany navoakan'ny Filankevi-pirenena momba ny Fifidianana (CNE, araka ny fanafohezan-teny espaniôla) dia nanambara fa nandresy tamin'ny totalim-bato 7.505.338 i  Nicolás Maduro, maneho ny 50,66% n'ny latsabato. Etsy ankilany, Henrique Capriles Radonski dia nahazo vato 7.270.403, izany hoe 49,07% – elanelana tsy misy afa-tsy 1,59%, na mpifidy 234.935, valim-pifidianana izay tsy noeritreretina akory nandritra ny fanadihadiana [3] [es].

Tao amin'ny Twitter, Jogreg Henridonsky (@Jogreg [4]) [es] dia nifidy ny hijery ireo vokatra tahaka izao:

@Jogreg [5]: Una manera de ver lo que pasó ayer… pic.twitter.com/7wqiAvIx8C [6]

@Jogreg [5]: Fomba iray hahitana izay nitranga omaly… pic.twitter.com/7wqiAvIx8C [6]

Imagen compartida por @Jogreg [7]

Sary nozarain'i @Jogreg

Nandritra io fotoana io, ny fiaraha-mientan'ny [8][es] Latabatry ny Fivondronana Demokratika (MUD, araka ny fanafohezan-teny espaniôla) dia nahazo vato 7.270.403, mitaha amin'ny 6.127.522 azon'ny fiaraha-mientan'ny Vondrona Sosialista Mivodrona ao Venezoela (PSUV, anarany amin'ny teny espaniôla). Ireo isa ireo no voalohany indrindra nanarian'ny PSUV ny toerany maha-antoko be mpifidy azy hatrizay. Tamin'ireo fifidianana ny 7 oktobra, ny fiaraha-mientana MUD dia tsy nandray anjara amin'ny maha-vovonana azy, fa samy nanosika an'i Capriles tamin'ny anaran'ny tenany avy ny vondrona tsirairay. Tamin'ity indray mitaoraka dia, tsy afa-nifidy afa-tsy ny fieraha-mientan'ny MUD ny mpanohitra, izay nioty voka-bato betsaka noho ny PSUV.

Io elanelana izay tsy misy afa-tsy isan-jato roa io sy ny fitarainana samihafa marobe mikasika ny tsy ara-dalàna (eo amin'ny tranga 3.200) nandritra ny asa no nitarika ny Governoram-panjakàn'i Miranda, Henrique Capriles Radonsky, tsy hanaiky ny vokatra [9] [es] raha tsy misy fitsirihana sy famerenana ny fanisam-bato atao tànana. Fangatahana [10] [es] mitovy amin'io koa no nataon'i Vicente Díaz, iray amin'ireo tale dimin'ny CNE, taorian'ny famoahana ny biletà voalohany. Ny harivan'ny alahady, nanaiky ny fitsirihana i Nicolás Maduro.

Manoloana ny resabe tahaka izany, nanomboka fifanakalozan-dresaka teny anaty tambajotra sosialy ireo olom-pirenena tsirairay ary fisaintsainana tany anatin'ny bilaogin-dry zareo.

Jorge Media Azcarate nanoratra lahatsoratra tao amin'ny bilaoginy [11] [es] mitondra ny lohateny hoe “Arahabaina ny filoha vaovaon'ny demokrasiam-bahoakan'i Venezoela [12]” [es], izay nilazàny ny tsy fanekeny ny fandàvan'i Capriles ny valimpifidianana. Ho an'i Jorge, Capriles dia tsy tokony ho nirotsaka raha tsy manana fitokisana tamin'ny fiasan'ny rafitra.

Quisiera especialmente denunciar el no-reconocimiento del perdedor Capriles frente a los resultados de la convocatoria. No sólo me parece miserable presentarse a unos comicios para luego no someterse a sus resultados (..si tienes desconfianzas no te presentes sinvergüenza!. Y si te presentas, acepta las reglas del juego), sino que incluso me parece un grave INSULTO a los 140 observadores internacionales que estaban supervisando la legalidad de la convocatoria. ..Qué pasa, ¿que ahora estos observadores son unos incompetentes que no ha hecho bien su trabajo??. ¿Antes sí valían, pero ahora no?

Maniry manokana indrindra aho ny hiampanga ny tsy fankatoavan'ilay kandidà resy Capriles ny vokatry ny fifidianana. Amiko, tsy hoe hakanosana fotsiny ny filatsahana ho fidiana nefa avy eo tsy mahazaka izay vokany (… raha tsy manana fahatokisana ny rafitra ianao, aza milatsaka,  fangoloka! Ary raha hirotsaka ianao, ekeo ny fitsipi-dalao), fa raisiko koa ho OMPA goavana atao an'ireo 140 iraka iraisam-pirenena izay nanara-maso ny fahamarinan'ny fifidianana izany… Inona no mitranga ? Ireo mpanara-maso ireo ve ankehitriny no tsy matihanina izay tsy nanao tsara ny asany?? Ara-dalàna izy ireo teo aloha, ary tsy izany kosa ankehitriny ?

11 de abril en el centro de Caracas durante el cierre de campaña de Nicolás Maduro. Foto de Luis Carlos Díaz bajo licencia Creative Commons  (CC BY-NC 2.0) [13]

11 aprily, afovoan-tanànan'i Caracas, nandritra ny famaranana ny fampielezan-kevitr'i Nicolas Maduro. Sary an'i Luis Carlos Diaz, eo ambany lisansa Creative Commons (CC BY-NC 2.0)

Mandritra izany, tao amin'ny bilaoginy [14] [es], Sofia Kariakin [15] [es] milaza fa tsy hanana tetikady sy tanjona i Venezoela miaraka amin'io filoha vaovao io, ary vao mainka hanaratsy ny fiainam-pirenena izany.  Nilaza ny fijeriny izy tao amin'ny lahatsorany “Fiatoana ho an'ny fandavantena [16]” [es].

Pues respiro profundo por los míos, que siguen creyendo que en algún momento Venezuela tendrá la oportunidad de salir de este abismo en el que se encuentra, antes con un tipo que realmente era un Líder. Ahora entiendo a los más desfavorecidos que decían, cuando murió, que se sentían como huérfanos porque es lo que serán… ahora no hay una estrategias, no hay un fin… ahora es un rollo sin fondo, ni sentido, ahora si se hundirá el país, y ustedes me dirán: ¿más?, pues si… lamentablemente si se acepta esta burla serán el completo destrozo y deterior de Venezuela.

Eny hoy aho e, misento lalina ho an'ny vahoakako aho, izay mirohy mino hatrany fa any fotoana iray ho afaka hivoaka io lavaka mangitsokitsoka izay misy azy io i Venezoela, teo aloha niaraka taminà olona iray tena Mpitondra tokoa. Azoko tsara ankehitriny ireo niangaran'ny vintana izay nilaza fa, nony maty [Chávez], nahatsiaro ho kamboty izy ireo satria izay no hiafaràn-dry zareo… ankehitriny tsy misy tetikady, tsy misy azo antenaina… ankehitriny dia badraodra tsy misy fotony na dikany, ankehitriny dia ho fefika ny firenena, ary hilaza amiko ianareo : mbola mila ? Eny… indrisy fa mampalahelo raha ekena io fanesoana io dia ho fahapotehana sy fahaverezana tanteraka ho an'i Venezoela.

Fitarainana an'arivony maro no nivezivezy tany anaty tambajotra sosialy. Aminà tranga maro, nanely sasantsasany tamin'ireo vanimpotoana tsy manjary ireo mpisera anaty aterineto, izay mihanaka toy ny vanja nirehitra.

Kanefa, ny fahitàna ireo baoritra feno vatom-pifidianana [17] [es] sy ny biletà teny amin'ny làlana tany amin'ny Fanjakan'i Barinas, dia vo mainka koa nampitroatra indray ireo mpifidy.

Foto difunfida ampliamente en las redes sociales [17]

Sary nifampizaràna be tao amin'ny tambajotra sosialy

Mba handravahana izany rehetra izany, ny fanambarana an'i Nicolás Maduro ho filoha [18] nataon'ny CNE, izay tsy nanaovana fitsirihana, dia nampitombo ny tsy hafaliana [19] [anglisy] teny anivon'ny mpanohitra. Willy Mckey (@willymckey [20]) [e] dia nanamafy tao amin'ny Twitter fa mampiahiahy io fanbambaràna an-kamehana io.

@willymckey [21]: Ese apuro en la proclamación los pone en evidencia. #AuditoriaYA [22]

@willymckey [21]: Mampihanjahanja an-dry zareo io fihazakazahana nanao fanambaràna  [an'i Maduro ho filoha] io. #AuditoriaYA [22] [fitsirihana ANKEHITRINY]

Etsy andaniny Oliver Reina (@oliv22 [23]) [es] nilaza tao amin'ny Twitter fa mandra-pilazan'ny fitsirihana zavatra hafa noho io, tsy misy antony tokony tsy hanohanana an'i Nicolás Maduro.

@oliv22 [24]: Apoyar a Maduro no es ilegítimo: hay un boletín oficial del CNE. Si la auditoría dice otra cosa quedaría sin efecto. Sino, no. Así de fácil.

@oliv22 [24]: Tsy hoe tsy ara-drariny  ny fanohanana an'i Maduro : misy ny biletà ofisialy avoakan'ny CNE. Raha milaza zavatra hafa ny fitsirihana, heverina ho toy ny tsy misy izany. Raha tsisy kosa, tsy ho izay. Izay no tsotra indrindra.

Io elanelana tena kely dia kely tamin'ny valim-pifidianana io dia mahatonga krizy politika eo amin'ny firenena izay mety hivadika ho herisetra [Raha ny marina, nambara tamin'ny talata fa ireo fihetsiketsehana ny omalin'io dia niteraka faty olona fito, naratra ampolony ary an-jatony voasambotra].

Ny gazetiboky SIC, ao amin'ny bilaoginy [25] [es], dia manazava izay zava-mitranga any amin'ireo fizarana roa samihafa misy eo amin'ny firenena ireo.

No va a resultar fácil al Presidente asumir que una gran parte de los ciudadanos no quieren despertar de ese sueño libertario o de esa pesadilla. No va a resultar fácil gobernar cuando una parte considerable de la ciudadanía no quiere que le hablen del país concreto sino de la historia que se esculpe en bronce y mármol como señuelo vano de eternidad y otra, bastante considerable, solo sueña con que se acabe lo que considera nefasto y se pueda volver al estado anterior idealizado.

Ho an'ny Filoha, tsy ho mora ny fandraisana andraikitra manoloana ireo teratany maro izay tsy te hifoha amin'io nofinofim-pahafahana na io nofy ratsy io. Tsy ho mora ny hitondra raha ny ankabeazan'ny mpiray tanindrazana dia tsy te hihaino ny tena maha-izy azy ny firenena, fa tantara voasokitra aminà alimo sy marbra tahaka ny fampilendalendàna fiainana mandrakizay, ary [rehefa] ny maro hafa [ampahany amin'ny mpiray tanindrazana] no manonofy fotsiny ny hifaranan'ireo izay heveriny ho fahapotehana ary hiverina amin'ny fahiny nataony ho idealy.

Lahatsoratra niaraha-nanoratra tamin'i Laura Vidal [26]ity.