- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan [1], ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny toerana tahaka ny oniversite ny ankamaroan'ny trano famakiam-boky.

Amin'ireo trano famakiam-boky misokatra ho an'ny daholobe, vitsy ireo azon'ny mpamaky boky hindramana boky. Tsy mba ahitana ny maha-zava-dehiben'ny Trano Famakiam-boky ho an'ny vondrom-piarahamonina San Juan ny politika ara-kolontsain'ny governemanta, kanefa anisan'ny  andry iankinan'ny fivoarana ara-kolontsaina manerana ny firenena ny findramana boky amin'ireny trano famakiam-boky ireny.

San Juan Community Library. Foto tomada de su página en <a href="https://www.facebook.com/photo.php? [2]

Trano famakiam-bokin'ny vondrom-piarahamonina San Juan. Sary tao amin'ny pejy Facebook [3]n'ny famakiam-boky.

Fanorenana ao amin'ny firenena izay niatomboka tamin'ny latabatra roa azo aforitra sy seza roa na telo teo  ny trano famakiam-bokin'ny vondrom-piarahamonina. Nivoatra tsikelikely izany ary nanjary trano famakiam-boky tena izy nahitana boky isan-karazany maherin'ny 26 000, nisy ihany koa ny tolotra toy ny fidirana maimai-poana amin'ny aterineto, Wi-Fi, ary fampilalaovana ho an'ny ankizy, tanora sy olo-dehibe, ary teo koa ny fahafahana mindrana boky tsotra sy boky nomerika. Manana fifandraisana akaiky amin'ireo mpanjifany (mpamaky boky) ny trano famakiam-boky amin'ny alalan'ny pejy Facebook-ny [4], ary miankina amin'ny fanomezana avy amin'ny olo-tsotra sy ny asa ataon'ny mpilatsaka an-tsitrapo ny ankabeazan'ny fampandehan-draharaha eny amin'ny trano famakiam-boky. Tamin'ny fotoana nampitotongana ny toekaren'i Porto Riko, zavatra ilaina voalohany indrindra ny toerana manome tolotra marobe tahaka izao.

Izany indrindra no mahatonga ireo olona marobe malahelo mahita ny fomba somary manesoeso nandritra ny Herinandron'ny trano famakiam-boky [5] [es], satria mety hikatona [6] ity trano famakiam-bokin'ny vondrom-piarahamonina ity mandrapà, noho ny tsy fahampian'ny vola hanamboarana ny tafo. Tena marina ny zava-misy, tokony havaozina tanteraka ny tafo satria mety hanimba ireo boky sy fitaovana mandeha amin'ny herinaratra ny orana kely mitété.

Eo am-pandinihana izay vahaolana ara-bola ny trano famakiam-boky mba hiatrehana izay ilaina maika ho fiarovana ireo boky sy hisokafan'ny trano indray. Angonina amin'ny alalan'ny habaka aterinetony eto [7] ireo fanomezana ara-bola avy amin'ny tsirairay.