- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Tolo-dalàna Handrara Ny Fanalanjaza Ny Mpanao Lalàna Okraniana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fahasalamàna, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Tany am-piandohan'ny volana Aprily, parlemantera 3 n'ny antoko mpanohitra “Svoboda” [“Fahafahana” [1]] no nametraka volavolan-dalàna [2] mety handraràna ny fanalan-jaza any Okraina. Hany tokana tsy voakasik'io vinavina io dia raha sendra loza mitatao hoan'ny ain'ilay vehivavy ny vohoka entiny, raha misy tranga na soritr'aretina henjana amin'ilay zaza ao an-kibo ary raha toa ka voaporofo fa vokatry ny fanolanana no nahatonga ny vohoka. Io fanapahan-kevitra io dia tonga herintaona monja taorian'ny andrana [3] fandraràna ny fanalan-jaza nataon'ireo mpanao lalàna Okraniana.

Tao anatin'ny naoty fanazavana [4] ilay volavolan-dalàna, nanamarina ny filàna fameperana tahaka izany tamin'ireto than-kevitra manaraka ireto ireo mpanoratra ilay tolo-dalàna[uk]:

Na dia eo aza ny antontan'isa midina, ny tahan'ireo fanalanjaza any Okraina dia mbola mijanona ho ny ambony indrindra any Eoropa, fanalan-jaza 21,1 isaky ny vehivavy 1000 amin'ny taona tokony hitondrany vohoka, fanalan-jaza 45,8 amin'ny bevohoka 100 na fanalan-jaza 84 isaky ny fahaterahana 100.

[…]

Tsy maintsy marihina fa [raha vao nekena ny lalàna teo aloha mikasika ny fanalan-jaza] tsy noraisina tanaty kajikajy ireto zava-misy manaraka ireto: araka ireo andiam-pikarohana siantifika momba ny resaka medikaly, ny zaza iray izay nalàna dia mitovy fangirifiriana toy ny olon-dehibe iray nampijaliana ho faty. Fanampin'izany, ny fanalan-jaza dia misy voka-dratsy amin'ny ara-pahasalamana sy ara-tsaina amin'ny olona rehetra tafiditra amin'izany.

[…]

Amin'ny ankamaroan'ny faritra rehetra any Okraina, ny isan'ny maty dia manakaiky ny intelo avo heny amin'ireo teraka. Nandritra ny roampolo taona farany, ny vahoaka Okraina dia nihena 5 tapitrisa (niala tamin'ny 52 mankamin'ny 47 tapitrisa). Raha mijanona ho toy izao hatrany ny sary fanehoana ny fitombon'ny mponina, ao anatin'ny taona vitsy monja ireo mpifindra monina, avy any Azia ho an'ny ankamaroany, no handrafitra ny ankamaroan'ny mponina ao Okraina.

Iray amin'ireo antony lehibe mahatonga io fironana amin'ny tahan'ny fitombon'ny mponina izay tsy mahafa-pò io dia noho ny maha ara-dalàna ny fanalan-jaza.

Ireo mpanao lalàna dia nanisy tsindrim-peo mikasika ny fanoherana ny fanalanjaza, nifampizaràny [5] [ru] tamin'ireo fiangonana Kristiana rehetra ao Okraina.

Voaporofo fa naha-be resaka ilay volavolan-dalàna sady niteraka  adihevitra mahaliana teny anaty aterineto sy teny ivelany.

Maro tamin'ireo mpaneho hevitra no avy hatrany dia nifantoka tamin'ilay olana fitondrana porofo momba fisian'ny fanolanana ho eny anatrehan'ny fitsaràna. Ireo mpanao gazetin'ny fahitalavitra goavana okraniana, TSN, dia nanamarika fa 10% n'ny fitarainana mikasika fanolanana no lasa raharaham-pitsarana ary mangataka amin'i Olexandr Sych, iray amin'ireo mpanoratra ilay tolo-dalàna, ny amin'izay tokony hataon'ny vehivavy iray raha bevohoka izy nefa tsy nahavita nanaporofo ny fisian'ny fanolanana. Ity ny valintenin’ [6] [uk] ilay solombavam-bahoaka:

Tsy miasa amin'ny resaka fampiharana ny lalàna aho ary tsy fantatro koa hoe inona no azo sy tsy azon'ny vehivavy porofoina… Saingy alohan'ny rehetra,  [izy] dia tsy maintsy mitondra tena izay tsy hahatonga azy ho mety hiharan'ny fanolanana. Amin'ny lafiny manokana,  [tsy tokony] hisotro zava-pisotro misy alikaola miaraka amin'ny naman-dratsy izy.

Ito fintina ito dia nivezivezy betsaka tety anaty aterineto ary niadiana hevitra tao amin'ny Facebook teo amin'ireo mpampiasa tsy tapaka, ireo mpanao gazety [7] sy ireo mpikatrka mafàna fo [8].

Serhiy Masliuchenko, mpampiasa Facebok, dia manoratra [9] [uk]:

Andrana vaovaon'ny fanjakana sy ireo mpitàna birao io lalàna io mba hidirana amin'ny fiainana manokan'ny tsirairay… rehefa [izy ireo] tsy ampy hevitra hanaovan-javatra mikasika ny toe-karena, ny siansa, ny fampianarana, ny tontolo iainana, [izy ireo] dia mamorona lalàna toy io iray io […]

Nanohitra [10] [uk] izany i Vasyl Martyuk :

Tsy heveriko afaka hamaha ny olana rehetra ny “Svoboda”, saingy miaro io lalàna io aho! Okraina lohalaharana amin'ny fanalan-jaza, tena mampitahotra!

Andrey Anthony, mpampiasa Facebook, dia nanoratra [11] [ru] hoe:

Alohan'ny hanolorana lalàna toa ireny, [ianareo] dia tokony hamerina ny filaminana eto anivon'ny firenena. Ahoana no hahafahanareo manolotra fandraisana andraikitra toy ireny anatinà firenena izay tsy misy làlana akory, tsy misy fanarahan-dalàna, ary kolikoly tsy misy farany eny rehetra eny ? […]

Elena Bondarenko nanoratra [12] [ru] hoe :

Tetika iray hafa ho an'ireo zinekology ‘gynécologues’  [fotsiny ity] mba [hahazoam-bola] amin'ny fanalan-jaza miafina!!! Tsy misy va zaza vao teraka maro hita any anaty fanariam-pako ? Maromaro any amin'ny terana fitaizana zaza kamboty ? TSY MISY SAINA! Mamoròna fanatsarana ny fiainana sy ara-toe-karena izay hitaizana ireo ankizy, tsy misy sakantsakana!!!

Marianna Goncharova naneho hevitra hoe [8] [ru]:

Ity dia iray amin'ireo raharaha izay ilàna ny fomba fijery mitdika amin'ny miralenta. Nahoana io olana io no ningain-dry zareo lehilahy[…] ?

Vitaliy Diachenko dia naneso [13] ilay soso-kevitra [uk]:

Ny vondrona Svoboda dia tokony handany lalàna hafa iray izay manakana mpikambana ao aminy tsy hiray ara-nofo, raha tsy mahazo taratasy fanamarinana ry zareo fa hoe ny [fampitomboan-taranaka] no antony tokana ao ambadik'ilay firaisana ara-nofo

Yevgeniy Ikhelzon dia nanontany tena [14] [ru] amin'ny antony nahavitsy fanehoankevitry ny olona taorian'ny nampidirana io tolo-dalàna io:

Hevitra mifanohitra [re izany], ireo olona izay manenjika ireo silamo manery ireo vehivavy hitondra ny voaliny, manaiky am-pitoniana an'ireo solombavambahoaka manandrana mandràra ny fanalan-jaza […]

Iryna Slavinska, mpanao gazety, nitsikera [7] ny soso-kevitra [uk]:

[…] mba hiadiana amin'ny isa ambonin'ny vohoka tsy niriana, dia tokony ampidirina any an-tsekoly ny fampianarana mikasika ny ara-pananahana ary tokony tsy maintsy misy toerana izay hahafahana mahazo maimaim-poana ny kapoty sy ireo fanabeazana aizana atelina am-bava, ho solon'ny fampidirana ny fanalan-jaza.

Mpisera anaty aterineto maro no miresaka ny endrika ara-tsaina sy ara-moralin'ilay fanalan-jaza. Hita ohatra ny adihevitra tahaka izany ao amin'ny pejy Facebook n'i  Evgeny Komarovsky, mpitsabo iray sady mpikatroka mafàna fo.

Yulia Zheleznova nanoratra [15] [ru] hoe :

Ireo maneho hevitra eto dia indrisy tsy maharesy lahatra ahy fa manamafy fotsiny  ny foto-kevitro tany ampiandohana. Mahonena fa anatin'ny fiarahamonina maoderina toa antsika dia maro ireo vehivavy tsy hoe fotsiny tsy miraharaha ny ara-tsaina mikasika ny fanalan-jaza fa koa tsy miraharaha ny olana ara-pahasalamany. […] Tsy misy tohan-kevitra azo anamarinana ny famonoan'olona. Tapitra.

Ho fanampiny amin'izany adihevitra izany, nanoratra [16] [ru] Olga Shandra hoe :

Mihevitra aho fa ny fanalan-jaza dia safidy manokana ho an'ny vehivavy tsirairay, [mifototra amin'ny] foto-pisainany sy ny foto-keviny, izay tsy an'ny solombavam-bahoaka velively, an'ireo mpitsabo ny ara-tsaina, ireo mpananatra ny vahoaka ary ny hafa.

Enela Adonieva dia nanoratra [17] [ru] hoe :

Tsy manaiky ny fanalan-jaza aho. Nefa tokony hanana ny safidiny ny vehivavy iray. Ary tsy ny mpanao politika no hanao izany.

Ankehitriny, ara-dalàna ny fanalan-jaza any Okraina hatramin'ny faha-12 n'ny herinandro nitondràna vohoka (hatramin'ny faha-22 n'ny herinandro raha tranga vonjy taitra). Okraina dia iray amin'ireo firenena any Eoropa mitarika ny lohalaharana raha ny isa isantaona momba ny fanalanjaza [18], na dia misy fihenana mazava aza ny fironana mankany. “Ny fizahantanin'ny fanalan-jaza” avy amin'ireo firenena mifanila izay manana lalàna teritery kokoa, toa an'i Polona, dia isany voarakitra ihany koa [19].