- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsy Misy Fakàn-tsary? Tsy Misy Olana. Mamorona Lahatsary Amin'ny Fiteninao Manokana

Sokajy: Fitaovana, Mediam-bahoaka, Rising Voices

Noho ny fitaovana vaovao ao amiin'ny habaka Tetikasa Momba ny Fiteny Andalam-pahaverezana (Endangered Languages Project (ELP) [1], afaka mitondra ny anjara birikiny ao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny famelomana indray ny fiteniny andalam-pahaverezana ireo mpiaro fiteny tsy manana fakàn-tsary nomerika. Ahafahan'ireo mpampiasa azy mamorona media an'olo-tsotra ho azy manokana amin'ny alalan'ny fandraketana lahatsary mivantana amin'ny “webcam” sy hizara izany amin'ny fiarahamonina ny tetikasa vaovao “Mametraha lahatsary (Add a Video) [2]“.

addavideoNy tanjon'ity tetikasa avy amin'ny Fikambanana ho an'ny Fahasamihafan'ny Fiteny ity dia ny “hametraka teknolojia ho ampiasain'ireo fikambanana sy olo-tsotra miezaka miaro ireo fiteny andalam-pahaverezana amin'ny alalan'ny fandraketana, fiarovana  sy ny fampianarana ireny fiteny ireny. [3]” Raha ny Google no nanangana azy tany am-boalohany fa ny Vaomiera ara-kolontsain'ny mponina Teratany [4] sy ny Ivotoerana Ho an'ny Vaovao sy Teknolojian'ny Fiteny [5] (The Linguist List) ao amin'ny Oniversite Eastern Michigan ankehitriny no mitantana ny ELP.

Ankoatra ny fahafahana mampakatra lahatsary hafa sy fizarana rohy amin'ireo lahatsary efa misy ao amin'ny YouTube, fomba iray hihainoana ireo fiteny samihafa eny amin'ny fiarahamonina ity tolotra fandraketana sary mivantana ity. Raha vao tafapetraka ny lahatsary, dia azo ampakarina, ary zaraina amin'ireo fiarahamonina midadasiky ny ELP. Afaka misafidy lohahevitra manokana tahaka ny Sakafo, Hatsikana, Fiarahabana, na Hira ireo mpamorona lahatsary, mba hamondronana ireo votoat [6]iny miaraka amin'ny hafa [6]. Afaka mamporisika amin'ny famoronana ihany koa ireo lohahevitra amin'ny alalan'ny fanomezana soso-kevitra amin'izay ho lohahevitra vaovao atao amin'ny horonantsary. Raha vao tafakatra ny lahatsary ary tafiditra anaty sokajy misy azy dia azo jerena amin'ireo pejy izay misy ny fitenin'ny tsirairay.

Malina hatrany ny ELP ary manentana ireo mpampiasa azy mba lahatsary ihany no haraikitra ho fanajana ny tsiambaratelon'ireo fikambanana momba ny fiteny, mangataka ihany koa ny ELP mba hahazo fankatoavana avy amin'ireo olona mandray anjara ny lahatsary. Misy ihany koa ny toro-lalana momba ny votoaty [7] izay mamaritra ireo torohevitra sasany. Ao amin'ny toerana natokana amin'ny fanamarihana, afa-manamarika ao amin'ny habaka ihany koa ireo mpiserasera raha misy votoaty tsy mifanaraka amin'ny torolalana. Raha vao fantatra izany, dia hodinihan'ny mpandrindra ny habaka izay afaka manaisotra manontolo ireo votoaty tsy manaja torolalana na lahatsary mampiseho votoaty masina na manokana.

Vaovao tanteraka ity fitaovana ity, saingy ny fanantenana dia hisokatra ho an'ireo mpikatroka vaovao momba ny fiteny te-hitondra ny anjara birikiny amin'ny fiarovana sy ny famelomana ny fitenin-drazany ity fitaovana vaovao ity.