- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary: Ny Herisetra Sy Ny Fiarovana Ireo Mpanao Gazety Ao Meksika

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava

Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana.

Anisan'ny vaovao mbola malaza ny lohahevitra momba ny herisetra ao Meksika. Tamin'ny taona 2011, nikarakara Fetiben'ny Bilaogy ny Global Voices amin'ny teny espaniola izay maro tamin'ireo bilaogera Meksikana no nandray anjara (jereo ny lahatsoratra nadika tamin'ny teny malagasy 1 [1]2 [2]3 [3] [fr], 4 [4]  [fr] ary 5 [5]). Nandritra ny taona 2011 sy 2012, niahiahy mikasika ny zava-mihatra amin'ireo mpisera Twitter izay niharan'ny fanadihadiana [6] na nosamborina [7] noho ny votoatin-dahatsoratra nalefan'izy ireo izahay, ny fahafahana manenjika na mitory ireo olo-pirenena mitaky ny fangaraharana, ny fankatoavana ny lalànan'ny fanaraha-maso [8] [mg], ny mety hisian'ny « lalànan'ny “géolocalisation” [mg] (fangitra ara-jeografika)  [9]» ary koa ny vaovao momba ireo vono olona [10] sy ny safidin'ireo mpikatroka sasany tsy hipoitra amin'ny fifanakalozan-kevitra [11].

Amin'izany vinavina izany indrindra no mahatonga ny fikambanana Artículo 19 [12], sampana meksikana an'ny fikambanana Article 19 [13], nasaina tamin'ny taona 2011 mba hamoaka ny lahatsoratra Meksika: ahiana ny ain'ireo mpiserasera [14]. Havaozinay ny fiarahamiasa amin'ny Article 19, atomboka amin'ny famoahana ity lahatsoratra ity izay nipoitra voalohany tao amin'ny habakany [15] ary tafiditra tsara ao amin'ny votoatin-dahatsoratra sy vaovao izay irian'ny Global Voices Advocacy [16], sampan'ny Global Voices natokana hiresahana ny fahalalaham-pitenena haely.

Juan Arellano, tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices amin'ny teny espaniola

 

Meksika, 19 desambra 2012.- Ny mpandray anjara tamin'ny adihevitra sy fandinihana momba ny maha-zava-dehibe ny fiarovana ny mpanao gazety amin'ny fitantarana sy famoaham-baovao ataony dia manolotra anao lahatsary dimy ahitana lohahevitra mikasika ny fiarovana ny mpanao gazety, ny fitantarana ny herisetra, ny andraikitry ny Fanjakana Meksikana sy ny voka-dratsy eo amin'ny ara-tsaina amam-panahy ateraky ny fitantarana herisetra mihatra amin'ny mpanao gazety. Amin'izany, mitantara ny fiantraikan'ny vaovao, na ny tsy fisian'ny vaovao eo amin'ny fiarahamonina demokratika tahaka ny fiarahamonina Meksikana ireo mpanao gazety avy amin'ireo faritra samihafa ao Meksika. Araka izany, manadihady ny loza mety hitranga tsy maintsy hatrehiny izy ireo sy ny arofenitry ny fiarovana apetrak'izy ireo mba hahafahana mampihatra ny zo amin'ny fahalalaham-pitenana sy ny zon'ny fiarahamonina hahazo vaovao.

Herisetra atao amin'ireo mpanao gazety ao Meksika sy ny andraikitry ny Fanjakana [17]

Fiarovana sy fepetra Fisorohana [18]

Sivana ataon'ny tena manokana [19]

Fiantraika ara-tsaina amam-panahy (psykôlôjika) [20]

Ny asa fanaovan-gazety sy ny herisetra  [21]