Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana

Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony.

Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra  tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.

Ny lalàna nasiam-panavaozana mikasika ny fifidianana sady nankatoavin'ireo tranobe roa an'ny mpanao lalàna tao Japana ny 19 aprily 2013, dia hanome alalàna ny mpanao mpolitika milatsaka ho fidiana hampiasa ny media sosialy sy ny sehatra hafa ety anaty aterineto mba hanehoany ny heviny sy hisintonany ny mpifidy azy.

Mety ho faran'izay akaiky tokoa ny fiantraikan'ilay volavolan-dalàna, ho amin'ny volana Jolay, mandritra ny fifidianana izay ho ao amin'ny Tranoben'ny Mpanolotsaina.

Ireo tanora mpikatroka sy ny mpitondra fanovàna dia niasa miafina tany ambadika tany mba hamerina hijery indray ny lalàm-pifidianan'i Japana. Kensuke Harada, iray amin'ireo mpamorona ny Fampielezan-kevitra Feo Iray  [ja] ilay misolovava ny fampielezan-kevitra mampiasa aterineto dia nanoratra [ja] tao amin'ny hafatra Facebook hoe:

Afaka ihany ny fandraràna ny fampielezan-kevitra mampiasa aterineto nony farany! Nikaon-doha mikasika io olana io izahay ho toy ny Fampielezan-kevitra Feo Iray, nanomboka ny volana Aprily lasa [2012]. Io no olana nampiasa loha ireo zokintsika nandritra ny taona maro. Saingy ny volana Aprily tamin'ny taona lasa, tsy nisy niresaka azy io, na dia ny mpanao politika aza, na ny vahoaka.

Nefa mbola naniry fiovàna hatrany aho. Nieritreritra aho fa tena hahaliana tokoa raha toa ka ny tsirairay amintsika no miasa hampisy fanaovana ao anatin'ilay lalàna. Amin'io faniriana io, olona maro no tonga nivondrona tao amin'ny andiany amin'ny Feo Iray, ary mamolavola ny sehatra izay misy antsika amin'izao fotoana izao. Ankasitrahako koa ireo olona izay tsy mpikambana tao nefa nanampy betsaka anay. […]

Tsy fantatro ahoana ny fiantraikan'ny asa nataontsika tamin'ny nandaniana ilay volavolan-dalàna, saingy azoko lazaina fa tsy foana akory izany. Vokatry ny feon'ny tsirairay amintsika, afaka miova ny politika! Afaka mitondra fanovàna ianao!

Image of Japanese Diet: Photo by flickr user  By Dick Thomas Johnson under Creative Commons License BY-2.0-Deed

Sarin'ny Diète Japoney: Sary an'i Dick Thomas Johnson,  mpampiasa flickr. Fahazoan-dalàna  Creative Commons License BY-2.-Deed

Nomanina ny fanovàna mba hakàna indray ny vaton'ny tanora ao Japana, amin'ny fanomezana safidy iray mba haharaka vaovao ara-politika amin'ny aterineto ireo vahoaka tanora, izay nanome lamosina ny media lany andro toy ny gazety.

Ny 37.89 isanjaton'ny mpifidy monja ao anatin'ny sokajin-taona 20 no nampiasa ny zo hifidy nandritra ny fifidianana solombavambahoaka natao ny Desambra 2012, izay nahitana taham-pandraisana anjara ankapobeny ambany indrindra 59,3 isanjato taorian'ny ady.

Fa tsy halalaka tanteraka akory ny fampielezan-kevitra mampiasa aterineto, misy fitsipika sy teritery ho an'ny mpilatsaka ho fidiana sy ny mpifidy.

Ny olana iray dia ny fisandohana ny mombamomba ny olona iray; fanaovana hosoka amin'ny mombamomba ny olona iray ary fandefasana hafatra manafintohina mety hitondra amin'ny fampidirana am-ponja mandritra ny roa taona na lamandy mety mahatratra hatramin'ny 3.000 dolara amerikana.

Ireo mpanome tolotra aterineto (ISP) dia manana fahefana hamafa ireo fanehoankevitra manohintohina, raha toa tsy vitan'ireo mpampiasa aterineto ny mitondra fanazavana mazava ao anatin'ny roa andro manaraka ny fampitandremana azy.

GMO GlobalSign, orinasa iray miandraikitra fanomezana fanamarinana ny maha-azo antoka ny aterineto, dia nampandre [ja] fa mety handroso tolotra  fanamarinana ho an'ireo vondrona politika mampiasa aterineto izy ireo. Ny Antoko Demokraty Liberaly ao Japana koa dia nilaza [ja] ny drafiny mba haniitàrana ny fampiasana ny Extended Validation Certificates ho amin'ny tranonkalan'ny mpanao politika tsirairay. Nankato ilay fanamarinana fanta-bahoaka hoe Verisign  ry zareo tao amin'ny tranonkala ofisialiny tamin'ny 2011.

Ilay bilaogera mpiangaly mozika sady mpampiasa Twitter Yamada (@wms) dia miahiahy [ja] fa mety hanahirana ireo mpampiasa azy ireo solon'anarana, mahazatra ao amin'ny tontolon'ny fampahalalam-baovaon'olon-tsotra :

@wms:ネット選挙でSNSを利用した活動を全面的に認める代わりに、偽名による発言などは逮捕につながるという記事があったので、実名以外のアカウントで政治的発言するのはかなり危険性が高い時代になったと思われ。

@wms: Araka ny loharanom-baovao sasantsasany, be ny vintana hahavoasambotra ireo mpampiasa aterineto mandefa tsikera ara-politika amina solon'anarana Na dia efa azo ekena tanteraka aza ankehitriny ny media sosialy  ho  an'ny fampielezan-kevitra mampiasa aterineto, heveriko fa mety hamoa-doza ny fandefasana tsikera politika, raha tsy mampiasa ny kaontinao amin'ny tena anaranao ianao.

Ahiahy iray hafa ny fampiasana ny dokambarotra mampiasa aterineto. Muto Nobuki, mpampiasa Twitter  izay miasa aminà indostriam-baovao sy ny dokam-barotra dia mibitsika hoe:

@mutonobuki:ネットという新市場が生まれるので、政党間で不安心理が起こりネット広告に資金流入するでしょう。ただ、政党も予算あるので削られる媒体出ますね。

@mutonobuki: Ankehitriny efa misy tsena vaovao ety anaty aterineto, mahatsiaro sahirana ireo antoko politika raha tsy mandefa dokam-barotra anaty aterineto, azo vinaniana fa handrotsaka ny volany ao amin'ny aterineto ry zareo. Saingy voafetra ny tetibolany, araka izany dia ho very ny vola miditra avy amin'ny dokam-barotra azon'ireo media sasany .

Kalaiyo, mpanaraka ny Antoko Demaokratika Liberaly, izay fanta-bahoaka ao amin'ireo mpifidy mpifikitra amin'ny nentin-drazana ao Japana, dia matahotra hoe hahafahan'ireo antoko politika mividy dokam-barotra araka izay tratra ao amin'ny aterineto amin'izay tiany ilay lalàna nasiam-panovàna, saingy tsy mijery ireo fepetra ho an'ny mpirotsaka amin'ny anaran'ny tenany:

@kalaiyo政党制である日本において無所属が不利なのは当たり前だが、無所属だけ広告出すの禁止というのは確かに変かな。

@kalaiyo: Ny politikan'i Japana dia mifototra amin'ny rafitra antoko iray. Noho izany, mahazatra ny mahita fa latsa-danja ireo mpirotsaka amin'ny anaran'ny tenany izay tsy manana antoko. Saingy mahagaga ny fandraràn'[ny lalàna] ireo tsy miankina tsy ho afa-mametraka dokambarotra  anaty aterineto.

Ryosuke Nishida, mpikaroka sy mpampianatra amin'ny fandraharahana ara-tsosialy sy ireo politikam-bahoaka, dia manoratra tao amin'ny bilaoginy [ja] hoe :

いろいろ言われているけれど、ネット選挙解禁は出発点というのが筆者の認識。国民が政治にもっとも関心をもつと思われる選挙運動期間にITの利活用を認めると、政治家は適応すべく、中長期でITへの理解を改善するだろう。そうすると、電子政府や電子自治体、通信と放送のあり方等々いろいろなところに波及する可能性を秘めている。

Inoako fa ny fahazoana manao fampielezan-kevitra anaty aterineto dia efa tboka iray tsara. Manaraka akaiky ny politika ny olom-pirenena mandritra ny fampielezan-kevitry ny fifidianana. Ny fampiasana ireo teknolojian'ny fampahalalam-baovao (IT), ireo mpanao politika dia hanana fitokisana tsara ny IT mandritra ny fotoana antonony sy lavitra ezaka, amin'ny fianarana hiaina miaraka amin'ireo haitao farany: izany dia hitondra indrindra indrindra ho any amin'ny atao hoe e-governemanta (fitantana mampiasa ny eletronika) sy [fampidirana] ny fiseraserana ary fanapariaham-baovao.

Iray hafa mpampiasa Twitter no manoratra mikasika ny fanesoana ilay lalàna vaovao avy nolaniana raha toa ka tsy mahavita mamaha ny olan'ny maha tsy araka ny lalàmpanorenana ny dingan'ny fifidianana any Japana noho ny fiparitahan'ny vato-pifidianana ry zareo mpanao lalàna:

@gankuma_:定数是正(違憲)問題が遅々として改善されないのに選挙活動のネット解禁はあっさり決まるあたりに先生方のやる気の差が透けて見えるなとか思ってても言うよ。

@gankuma_: Avelao aho hanambara ny eritreritro – haingana be ny nandaniana ilay volavolan-dalàna raha toa ireo ao amin'ny fanaovan-dalàna toa mbola tsy marisika loatra hamaha ny olana amin'ny tsy maha-raka ny lalam-panorenana ny fifidianana aty amintsika.

Ny hajiantsary dia an'ny mpampiasa flickr 7_70, ambanin'ny fahazoan-dalana Creative Commons License BY-NC-ND 2.0

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.