- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

VIDEO: Radiom-Bahoaka Any Ginea-Bisao Ho an'ny Vahoaka Fa Tsy Politika

Sokajy: Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Tantara

Misy zavatra tsara ataon'ny radiom-bahoaka any Ginea-Bisao ankoatra ny fandefasana hirahira amin'ny onjam-peo, araka ny nolazainà fanadihadiana iray vao haingana.

Araka ny nambaran'ny “Voice of the Population [1]” na “Feon'ny Vahoaka”, [1]fanadihadiana maharitra 26mn, nalaina sary tamin'ny 2012, ary navoaka tamin'ny Febroary 2013 dia namonjy aina maro io Radio io nandritra ny fihanaky ny valan'aretina Kolerà, niady tamin'ny fitrandrahana ala tsy ara-dalàna, ary nanosika ny fanavahana ara-taovam-pananahana, tamin'ny fampiraisana ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana manodidina ny harenan'ny mozika any Ginea-bisao.

Ilay fanadihadiana Holande, tantanan'ilay mpanatontosa sarimihetsika Polone Andrzej Kowalski ary nosoratan'i Lucia van den Bergh, dia mikendry ny hampiseho ny “làlana nodiavin'ilay radiom-bahoaka any Ginea-Bisao, ny olana nosedrainy nandritra ny fivelaran'izy ireo, ny fandraisan'ireo vondrom-piarahamonina azy ireo ary ny foto-kevitra hijoroan'izy ireo”.

Hita ao amin'ny YouTube [1] amin'ny teny Portioge [2] sy Frantsay [3]ny fanadihadiana manontolo:

Niresadresahana avokoa ireo mpitondra avy amin'ny sasany amin'ireo radio 30 hita ao amin'ny firenena, eny fa na dia ny hatrany amin'ny faritra mitoka-monina indrindra aza. Araka ny filazan'ilay fanadihadiana, ireo no haino aman-jery henoin'ny olona indrindra any Ginea-Bisao amin'izao fotoana izao, ary izany dia vokatra amin'ny ampahany noho ny tosika avy amin'i Carlos Schwarz, mpitantana ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Acção para o Desenvolvimento [4] (Hetsika ho an'ny Fampandrosoana).

Screenshot do documentário [5]

Dika sarin'ilay fanadihadiana ” Ny Feon'ny Vahoaka”

Nambaran'i Schwarz tao anatin'ilay sarimihetsika dia “zava-tontosa, herim-bahoaka ry zareo” mantsy ireo radionà vondrom-piarahamonina :

Estas rádios têm o apoio, têm as costas, vivem nas costas da população. E isso faz com que o poder tenha muitas dúvidas, muitas reservas em contestar ou querer silenciar estas rádios. E sobretudo porque estas rádios têm-se comportado com uma dignidade, com um profissionalismo, com um rigor político que ninguém pode dizer que estão ao serviço de partidos ou de interesses económicos. Mas de facto representam exclusivamente as preocupações das populações locais.

E isso é a grande força destas rádios e faz com que o governo muitas vezes – não as apoiando – também não as combata. A independência em relação aos interesses políticos e económicos é a pedra de toque das nossas rádios comunitárias. No dia em que elas abdicarem deste princípio, estão a condenar-se a si próprias e estão em vias de desaparecer.

Mahazo ny fanohanana sy ny fankatoavana avy amin'ny vahoaka ireo radio ireo. Ka izany no mahatonga ny fisalasalan'ny governemanta hanohitra na hampangina azy ireo. Ankoatra izay, nahay nitondra tena tamim-pahamendrehana, fahaiza-miasa, ary fahamarinana ara-politika izy ireo, mba tsy hisy ho afaka hiteny fa miasa ho anà antoko [politika] na miaro ny tombontsoa ara-toekarena izy. Raha ny marina ny radio no hany solontena maneho izay mampiasa loha ny olona any an-toerana

Izany no tena herin'ireto radio ireto ary noho izany – na dia tsy mahazo fanohanana amin'ny governemanta aza- tsy hiady amin'izy ireo ry zareo. Ny tsy fiankinan-doha amin'ny politika sy ny tombontsoa ara-toekarena no vato fehizoron'ny radiom-bahoakanay. Fa amin'ny andro ialàny amin'izany foto-kevitra izany no hahafaty azy.

Mampiseho ny asa lehiben'ny radiom-bahoaka amin'ny fanandratana ny kolontsaina sy ny herin'ny demokrasia ary ny maha-olom-pirenena ihany koa ny “Feon'ny Vahoaka”. Fa indraindray misy mpanentana miditra lalina ihany koa anefa, amin'ny fanaovana tatitra na asa mikasika ny olana ara-tsosialy, ny tontolo iainana na ny fahasalamam-bahoaka.

Tahaka izany ny Rádio Voz Quelelé [6] (Radio Feon'i Quelelé ), izay hatramin'ny niandohany tamin'ny 1994 dia nanaitra ny mponina “tamin'ny fitenin'ny foko maro monina ao amin'ny faritr'i [Quelelé]” momba ny fepetra raisina mikasika ny fihanahan'ny valan'aretina kolerà. Hany ka ny tao amin'ny faritra manodidina azy no tsy dia nahitàna io aretina io firy tany Bisao, enina ihany no fantatra fa marary”, araka ny fanazavan'ny bilaogin'ilay radio :

O maior sucesso da rádio Voz de Quelele foi sem dúvida o combate à cólera, uma actividade que se baseou em duas vertentes: a) Organização da população para limpeza do bairro, remoção do lixo desinfecção do poços, evacuação dos doentes para o hospital (a AD teve um veículo sempre à disposição), desinfecção em casa dos doentes, visitas diárias dos membros do comité dos moradores a cada residência a fim de detectar casos de cólera; b) Sensibilização da população para uma maior higiene doméstica, para um maior e reforçado acompanhamento das crianças, para a explicação da origem e formas de propagação da doença.

Tsy isalasalana fa ny ady amin'ny kolerà no fahombiazana lehibe ho an'ny  Radio Feon'i Quelele, hetsika izay mifototra amin-javatra roa : a) fiaraha-mientan'ny mponina hanadio ny faritra, fanalàna ny fako, fanadiovana ny lava-drano,fandefasana ny marary any amin'ny toeram-pitsaboana (nanana fiara vonona mandrakariva tamin'izany ny Hetsika ho an'ny Fampandrosoana), fanadiovana ny marary ao an-trano, ny famangiana isanandro ataon'ireo mpikambana ao amin'ny komity ny trano sao dia misy mararin'ny kolerà, ary b) Fanentanana ny vahoaka amin'ny maha-zava-dehibe ny fanadiovana ny toeram-ponenana, fampitomboana ny fanaraha-maso ny ankizy, manazava ny fomba fahatongavan'ny aretina sy ny fomba fiparitahany.

“Mafy izany ho an'ny ankizivavy”, hoy  Elisa Gomes ao amin'ny Feon'i Quelelé tao amin'ilay fanadihadiana, raha mijery ny asa ao an-tokatrano sy eo an'ivon'ny fianakaviana izay tsy mamela ny vehivavy Gineana handray anjara amin'ny radiom-bahoaka. Nefa na dia izany aza, dia niezaka ny hamporisika ny fandraisana anjaran'ny vehivavy ny radiom-bahoaka, toy ny famoronana ny vondrona ” vehivavy mpanentana amin'ny radio ao anatin'ny tambajotra Nasionalin'ny Radiom-bahoaka (Rede Nacional das Rádios Comunitárias, RENARC [7]).

Miaraka amin'ny lohateny hoe “ Radiom-bahoaka : fitaovana iray enti-miady amin'ny fahantrana sy ny fanavakavahana ara-tsosialy any Ginea-Bisao [8]” (pdf, 2010), ny osoratan'i Adão Nhaga, mpanentana tao aminà radio fahiny ary mpandrindra ireo fandaharana maro manerana ny firenena, dia miantso ny vehivavy mba ‘ handray anjara mavitrika amin'ny fanodinana avy ao anatiny ireo radiom-bahoaka”:

 

As mulheres têm que utilizar as Rádios Comunitárias enquanto processos populares, educativos, livres, participativos, interactivos, mostrando a diversidade e a riqueza dos diferentes movimentos associativos de mulheres, das diversas opções e práticas de desenvolvimento, das culturas próprias das mulheres de cada etnia enquanto elementos fundamentais da cidadania guineense e não da superioridade ou inferioridade de alguma delas em relação às outras. Daí que o desafio seja o de promover o acesso das mulheres à palavra para democratizar a sociedade.

Tsy maintsy ampiasain’ny vehivavy ny radiom-bahoaka ho toy ny fitaovam_bahoaka, fampianarana , fahalalahana, fandraisana anjara, fifaneraserana, maneho ny fahasamihafana sy ny haren’ireo fikambanam-behivavy  samy hafa, ny hamaroan’ny safidy  sy ny  fampiharana ny fampandrosoana ;  ny kolontsaina natokana ho an’ny vehivavy avy amin’ny foko samy hafa toy ny singa fototry ny maha-olom-pirenena Bisao-gineana, fa tsy ny fahamboniana na fahambanian’ny sasany raha mitaha amin’ny hafa.  Izay no antony mahatonga ny fanamby hanentana ny fandraisam-pitenenan’ny vehivavy mba hisian’ny demokrasia eo amin’ny fiaraha-monina.

Araka ny lahatsoratra [9] navoakan'ny AngolaPress, nolazain'i Lucia van den Bergh, mpanoratra ny fanadihadiana fa hatramin'ilay fanonganam-panjakana ara-miaramila ny Aprily 2012  niafara tamin'ny fisamborana ny filoham-pirenena sy ny mpilatsaka hofidina ho filoha, dia nitombo ny “fanivanan-tena” atao any anatin'ireo fandaharana any amin'ireo radiom-bahoaka  :

“Mas não os fez desistir e eles continuam a divulgar o que está a acontecer”, realça, contando que “a população local, que quase não tem nada, apoia com algumas pilhas”.

Namafisiny “fa tsy nampiala azy ireo izany ary dia mbola mampita hafatra momba izay zava-mitranga ihany izy”, ary nampiany hoe ” ny vahoaka eo an-toerana, izay mazàna no tsy manana na inona na inona, no manohana amin'ny fanolorana vatoaratra”.

Na eo aza izany rehetra izany, hazavain'ilay fanadihadiana fa tsy “resaka fanonganam-panjakana fotsiny ny any Ginea-Bisao, fa mbola misy vahoaka sy hevitra tsara any”, araka ny fanamafisan'ny tale Andrzej Kowalski.