- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

An-jatony Ireo Namoy Ny Ainy & Mbola Karohina Noho Ny Fianjeranà Tranobe Tao Savar

Sokajy: Azia Atsimo, Bangladesh, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Sendikà, Toekarena sy Fandraharahàna, Voina

Tamin'ny 24 Aprily 2013 maraina, tranobe misy rihana sivy no nianjera [1] tao Savar, tanàna manodidina ny renivohitr'i Bangladesh, ao Dhaka. Olona maherin'ny 142 no namoy ny ainy [2], olona an'arivony teo kosa no naratra ary an'arivony ireo mbola karohina ao anaty korontan-trano-rava. Ahitana orinasan-damba manomboka ao amin'ny rihana faha-3 hatrao amin'ny rihana faha-8. Olona teo amin'ny dimy arivo teo no tao anatin'ity tranobe ity tamin'ny fotoana nitrangan'ny loza.

Bangladesh no mpanamboatra fitafiana vita faharoa amin'ny fahabetsahana [3]aorian'i Shina. Tao anatin'izay andro vitsy lasa izay, nitombo ny ahiahy mikasika ny fiarovana mpiasa, tsy ampy ny rafitra fisorohana sy famonoan'afo, eo koa ny grevin'ny mpiasa noho ny karama kely, sns. Volana vitsy lasa izay, namono olona maherin'ny 110 ny afo nirehitra tao amin'ny tranobe misy rihana sivy an'ny orinasa Tazreen Fashion Ltd ao Ashulia (jereo ny tatitra ao amin'ny Global Voices [4] [mg]).

the scene after a nine-storey building collapsed in Savar [5]

Ny zava-niseho taorian'ny fianjeran'ilay tranobe misy rihana sivy tao Savar, ambanivohitry Dhaka. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (24/4/2013)

Naneho ny hatezerany tao amin'ny media sosialy ireo mpiserasera manoloana ny loza miverimberina eny amin'ny orinasan'ny fanenoman-damba. Vehivavy avokoa ny ankamaroan'ny mpiasa amin'ity sehatra ity. Bilaogera Vashkar Abedin [6] nanoratra tao amin'ny Facebook:

আহা বোন!
সুঁচ-সুতো দিয়ে কেবল নিজেদের মৃত্যু বুনে যাচ্ছো…

Ah rahavavy!
Manjaitra fotsiny ny fahafatesanao…

Joydeep Dey Shaplu [7] tsy nahafey ny hatezerany tao amin'ny Facebook:

এতো লাশের ভিড়ে কেউ জীবিত থাকতে পারে না। আমি আপনি সব শালা লাশ… নইলে এতো লাশ পড়তো না এ দেশে…

Tsy misy olona velona ao anatin'ireto vatana mangatsiaka ireto. Matotoa avokoa isika.. raha tsy izany, tsy navelantsika hitranga ny fahafatesana betsaka tahaka izao..

Nahitana tresaka (triatra) ny rindrin'ilay tranobe ny andro alohan'ny loza. Nakatona avy hatrany ireo orinasa [8] tao [bn]. Saingy tsy noraharahin'ilay tompon'ny tranobe [9] izany fambara fianjerana izany ka mbola nosokafany ihany ny orinasa tamin'ny 24 Aprily 2013 ary noterena hiverina hiasa ireo mpiasa. Tsy manaiky izany fanapahan-kevitra tsy voahevitra avy amin'ny mpitantana izany i Sumeema Yasmin Sumi [10]:

এতোগুলো মানুষকে মৃত্যুর দিকে ঠেলে দেয়া হলো! এরকম দায়িত্বহীনতা কোনোভাবেই মেনে নিতে পারছি না।

Olona marobe araka izany no noterena nankany amin'ny fahafatesana. Tsy ekeko izao tsy fisian'ny fandraisan'andraikitra avy amin'ny mpitantana izao

Lucky Akter [11], iray amin'ireo mpikatroka mpitarika ny hetsika #Shahbag [12]nandahatra lahatsoratra tao amin'ny bilaogy Somehwhereinblog izay mitondra ny lohateny hoe “Aza Misaona, Fa Fihetsiketsehana atao”:

দাসপ্রথা নাকি বিলোপ হয়েছে বহু আগে কিন্তু আমরা তো দেখি দাস প্রথা নতুন ভাবে ফিরে এসেছে খুব ভয়ালভাবে, তা না হলে মৃত্যু নিশ্চিত-জেনেও শ্রমিকদেরকে পিটিয়ে পিটিয়ে কেন মৃত্যুকূপে পাঠানো হল? কেন মিথ্যা বেতনের আশ্বাস দিয়ে শ্রমিকদেরকে কারখানায় আনা হল?

Efa ela no nofoanana ny fanandevozana. Saingy hitantsika fa niverina amin'ny endriny hafa izany fanandevozana izany. Efa fantatra fa mety hahafaty, nahoana no mbola noterena hiditra ao amin'ny faritry ny fahafatesana ireo mpiasa? Nahoana no nasaina hiverina hiasa indray izy ireo mba hahazo tombony?

The rescue work  has been difficult [13]

Niara-niasa an-tsitrapo ny mpiasa mpamonjy voina sy ny olo-tsotra mba hamonjy ireo niharam-boina. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (24/4/2013)

Avy amin'ny indostrian'ny fanenoman-damba ny ankamaroan'ny vola miditra amin'ny fanondranan'entana ao Bangladesh. Tamanna Sultana [14] nanoratra tao amin'ny Facebook:

আমি লজ্জিত! একটা দেশের অর্থনীতির মূল চালিকাশক্তি যারা, তারা শয়ে শয়ে মরে গেলেও তেমন কিছু যায় আসে না। এই ঘটনা বার বার ঘটতে থাকে। বড় বড় ব্যক্তিগুলো সুখে শান্তিতে বসবাস করতে পারলেই হলো…

Menatra aho! An-jatony hatrany ireo maty, izay taolan-tehezan'ny toekarena ao amin'ny firenena, ary tsy misy olona miraharaha akory. Ary mbola mitohy hatrany izany. Toa izay mahasoa ny mpanankarena sy ny matanjaka ihany no imasoantsika.

Toa tsy mba voampanga amin'ny heloka vitany nahatonga ireo loza goavana ireo tomponà orinasa sy ireo tompon'andraikitra. Apurbo Shohag [15] naneho ny hatezerany tao amin'ny Facebook:

এই দেশে মৃত্যু কোনো ব্যাপার না। এই দেশে সবচে’ সস্তা জিনিস হলো মানুষের প্রাণ! শুধু আজকে সাভারেই নয়, এর আগেও যখন গার্মেন্টস কারখানাগুলোতে অসংখ্য প্রাণ শেষ হয়েছে বা ভবন ধসে মানুষ মরেছে আমরা তখন শুধুই শুনে গেছি মালিকদের শাস্তি হবে। শাস্তি হয় কি না সেটা আর জানা হয় না। তবে একের পর এক সাভারের মতো ঘটনা ঘটছেই। দীর্ঘ থেকে দীর্ঘ হয় লাশের লাইন।

Ao amin'ity firenena ity, tonga mora foana ny fahafatesana. Satria ny ain'olombelona no zavatra mora indrindra. Tsy ny loza niseho androany tao Savar ihany, fa efa nandre imbetsaka isika taorian'ireo loza teo aloha fa hoentina eo anatrehan'ny fitsarana ireo tompon'andraikitra, anisan'izany ireo tomponà orinasa. Kanefa mbola tsy hitantsika misazy ihany izy ireo. Mbola hiseho hatrany izao loza izao. Miavosa hatrany ny isan'ireo vatana mangatsiaka

ধ্বংসস্কুপের ভেতরে চাপা পড়ে আছে এখনও অনেকে। ছবি ফিরোজ আহমেদের। সর্বস্বত্ব ডেমোটিক্স (২৪/৪/২০১৩) [16]

Maro ireo mbola tototry ny korontan-trano-rava. Sary avy amin'i Firoz Ahmed. Copyright Demotix (24/4/2013)

Wallmart, H&M, Sears, GAP, Tommy Hilfiger sy marika maro hafa malaza no manondrana ny entany (akanjo) vita Bangladesh, izay mitondra mari-tsoratra famantarana “Vita Bangladesh”, reharehan'ny firenena. Arafatul Islam [17], bilaogera sady mpanao gazety mihevitra fa simba tanteraka izany rehareha izany:

পোশাক কারখানায় আগুন লেগে পুড়ে মরে শ্রমিক, পোশাক কারখানার ভবন ধসে চাপা পড়ে মরে শ্রমিক… লাশের মিছিল এভাবেই বেড়ে চলে। আগে ‘মেইড ইন বাংলাদেশ’ দেখলে আগ্রহ ভরে কিনতাম। এখন কেমন যেন সেই লেখার মধ্যে রক্তের দাগ দেখতে পাই, মৃত্যুর আর্তনাদ শুনি।

Maty ny afo ateraky ny orinasa ireo mpiasa, maty noho ny fianjeran'ny tranoben'ny orinasa ny mpiasa.. mihalava ny filaharan'ireo maty. Zatra nividy fitafy rehareha “Made in Bangladesh” aho taloha. Ankehitriny, rà no hitako amin'izany mari-pamantarana izany, mahare ny hiakan'ny fahafatesana.

Namoaka didy andro fisaonana [18] [bn] amin'izao loza mahatsiravina izao ny governemanta. Nisy ny antso natao tao amin'ny Facebook ho fanomezan-drà, ka maro ireo nirohotra tao Savar sy teny rehetra teny mba hanome rà.

Blood donation in Shahbag Square for the injured people of Savar building collapse. Image courtesy Shahbag Movement Facebook page [19]

Filaharana tao amin'ny kianjan'i Shabag ho fanomezan-drà ireo olona naratra nandritra ny fianjeran'ny tranobe tao Savar. Sary: pejy Facebookn'ny Hetsika Shahbag.

Nalefa tao amin'ny Twitter ny vaovao farany:

@ShahbagInfo [20]: Mila RA Rh NEGATIVE ao #Shahbag; kitapon-drà 700 no voahangona, 500 nalefa tao Dhaka Medical College & Enam Medical College. #Savar

Mpilatsaka an-tsitrapo ao Bangladesh nametraka an-tsarintany ireo mpilatsaka an-tsitrapo [21] tao amin'ny Facebook mba hanampy amin'ny hetsika famonjena. Maro ireo sary azo jerena ao amin'ny lahatsoratr'ilay Bilaogera Bishkhoy [22].