- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Indonezia: Fandinihana Momba Ny Andron'ny Fanafahana Ny Vehivavy

Sokajy: Azia Atsinanana, Indonezia, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Mankalaza ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Raden Ajeng Kartini isaky ny 21 Aprily ny Indoneziana, fanta-daza amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy i Raden.
Teraka tanaty fianakaviana andriana manam-pahaizana i Kartini, lehiben'ny Fisoloan-toeran'ny mpanjaka ao Jepara ny rainy, izay asa natokana ho an'ny sarangan'olona ambony sy manam-pahaizana. Mpampianatra Islamika kosa ny raibeny avy amin'ny reniny. Amin'ny maha zanaka vavy ny lehiben'ny Fisoloan-toeran'ny mpanjaka azy, nahazo alalana hianatra eny amin'ny sekoly ambaratonga fototra Eoropeana tao India Holandey izy mandrapaha-tonga ny fotoana nanapahan'ny fianakaviana hevitra handefa azy hanambady.

Nandritra ny vanim-potoana nandraràna ny fampianarana ho an'ny ankamaroan'ireo vehivavy Javaney, nampiana-tena nianatra teny Holandey i Kartini ary nanoratra taratasy ho an'ireo namany Holandey izay nampahafantatra azy ny hevi-panandratana ny vehivavy.

Nitolona ho amin'ny fanatsarana ny zon'ny vehivavy Javaney i Kartini. Na dia izany aza, mbola tsy tontosa manontolo ny vinavinany hatramin'izao.

Nampiasaina ny tsongonteny (hashtag) #Kartini [1] sy #Emansipasi [2] tao amin'ny Twitter mba hiresahana momba ny dikan'ny andro (fankalazana) ho an'ireo Indoneziana marobe:

Women making batik pieces together in celebration of Kartini Day. Photo by Robertus Pudyanto, copyright @Demotix 4/20/2012 [3]

Miara-manamboatra sombinà batika (fandokoana) ho fankalazana ny Andron'i Kartini ireo vehivavy. Sary avy amin'i Robertus Pudyaanto, copyright @Demotix 4/20/2012

@e_christmas [4]Emansipasi mnrt saya berarti perempuan punya hak utk tidak ditindas. Tp bukan berarti kesetaraan gender yg keblinger #Kartini

@e_christmas [4]: Amiko, ny fanafahana dia midika fa manan-jo tsy hijaly ny vehivavy. Saingy tsy midika akory izany ho fanasaforana ny miralenta.

@dhana [5]_ard Emansipasi sih udah dipegang,tp solidaritas sesama perempuan kpn dong. Selamat hari kartini perempuan indonesia =]

@dhana_ard [5]: Misy ny fanafahana ankehitriny. Saingy rahoviana vao hanana ny firasainkinam-behivavy isika? Tratry ny Andron'i Kartini Ny Vehivavy Indoneziana!

‎‏‪@fajarwidd‬ [6] Emansipasi tdk melulu protes ttg kesetaraan gender. Tapi lebih pd kemandirian perempuan. Happy Kartini's day

‎‏‪@fajarwidd [6]: Tsy hoe fitakiana ny fitovian-jòn'ny lahy sy ny vavy foana ny fanafahana. Mikasika kokoa ny fahaleovantenan'ny vehivavy izany.

Tao amin'ny Facebook:

Kazhiem Afif Shalihi [7]: Kata Mamah Dedeh di acara ceramahnya di ANTV (liat iklannya) dalam rangka hari Kartini, dia bilang, “Buat perempuan gak perlu ribut soal persamaan gender, kita cukup kembali saja pada al-Qur'an”
Makanya jadi begini deh perempuan-perempuan di Indonesia, pada manggut2 dijualin atas nama agama.
Penjualan Santriwati oleh Guru Pesantren Marak di Garut
http://news.okezone.com/read/2012/12/06/337/728398/penjualan-santriwati-oleh-guru-pesantren-marak-di-garut [8]

Kazhiem Afif Shalihi [7]: Araka ny filazan'i Mamah Dedeh (vehivavy Islamika malaza mpitoriteny an-kalamanjana) tamin'ny toriteniny tao amin'ny ANTV nandritra ny fankalazana ny Andron'i Kartini, nilaza izy fa “tsy tokony ho variana hitaky fitovian-jo ny vehivavy, fa mila mitodika amin'ny Korany fotsiny” Izany indrindra no antony mahatonga ireo vehivavy maro ao Indonezia nanaiky, sy resy lahatra amin'izany, rehefa amidy amin'ny anaran'ny fivavahana izy ireo. Namindin'ny mpampianatrany ireo mpianatra vehivavy Islamika ao Garut

http://news.okezone.com/read/2012/12/06/337/728398/penjualan-santriwati-oleh-guru-pesantren-marak-di-garut [8]

Kaisar Victorio [9]: hari kartini sepertinya sekedar ceremonial dan pameran kebaya aja Mestinya Menteri peranan wanita pada moment ini blusukan kedesa desa sejauh mana kondisi wanita disana sat ini….

Kaisar Victorio [9]:Tahaka ny fetibe sy fampirantiana Kebay (akanjo nentim-paharazana) ny Andron'i Kartini. Tokony araraotin'ny Minisitry ny Raharaham-behivavy izao fotoana izao hitsidihana tanàna ambanivohitra mba hijerena izay tena mahazo sy mihatra amin'ireo vehivavy

Meydi Meidyawati [10] Banyak Kartini-Kartini jaman sekarang d perdaya dan nggak berdaya..baik oleh kaum adam ataupun oleh negara/pemerintah sendiri..salah satu bukti ƴƍ aq lihat d sini….sejauh mataku memandang..ada air mata jatuh melihat putri2 bangsa ƴƍ besar d perbudak oleh bangsa ƴƍ kecil..seperti hongkong..taiwan..arab..dll..tetapi tak ada jln lain untuk mereka dapat d negri sendiri…emansipasi ƴƍ d perjuangkan Ibu kita Kartini nggak ada maknanya lagi..sekedar sejarah belaka..

Meydi Meidyawati [10]: Maro amin'ireo “Kartinis” ankehitriny no disoina sy iharan'ny fanavakavahana… ataon'ny lehilahy na ny fanjakana/governemanta. Porofo iray hitako amin'izany ny ranomason'ireo zanaka vavin'i Indonezia izay andevozin'ireo firenena madinika tahaka an'i Hong Kong, Taiwan, Arabo, sns, saingy tsy manana fomba hafa na zavatra hafa atao ao amin'ny fireneny izy ireo. Tsy misy dikany ny fanafahana nitoloman'ny Ramatoantsika Kartini, lasa tantara fotsiny.

Abdul Khaliq Ahmad [11] Kartini adalah tokoh emansipasi bangsa, bukan sekedar tokoh emansipasi perempuan..

Abdul Khaliq Ahmad [11]: olo-malazan'ny fanafahana ho an'ny firenena i Kartini, fa tsy olo-malazan'ny fanafahana ny vehivavy fotsiny

Nampiseho ny fomba fijery hafa ataon'ny mponina ny Andron'ny Fanafahana tao amin'ny firenena ny fihetseham-pon'ireo mpiserasera Indoneziana amin'ny ankapobeny.

@ayaslarass [12] Jgn krn hari kartini, trus perempuan jd sok emansipasi seenak-enaknya yah, ingat lelaki tetap Imam kita :))

@ayaslarass [12]: Tsy hoe satria Andron'i Kartini, ka ho afaka miharihary araka ny sitrapontsika (isika) vehivavy, tsarovy, mpitarika ny finoantsika ny lehilahy

‎‏‪@pergijauh‬ [13] Selamat hari Kartini, mari minimaliskan budaya ‘ladies first’, biar gak dibilang lemah.

‎‏‪@pergijauh‬ [13]: Tratry ny Andron'i Kartini, andao tsy dia omena lanjany ny fomba fitafin'ny “Vavimatoan'ny Firenena”, dia tsy ho antsoina hoe (fanaka) malemy ianao

@ajuNna_njun [14] Emansipasi tanpa melupakan kodratnya sebagai perempuan ‪#HariKartini‬

@ajuNna_njun [14]: Fanafahana tsy hanadinoina ny toetrantsika tsara amin'ny maha-vehivavy

‎‏‪@IhsanMDe‬ [15] Slh 1 bntuk emansipasi? “‪@VIVAnews‬: Ketua KPU: Banyak Partai Gagal karena Perempuan ‪http://goo.gl/b7e6g [16] ‬”

‎‏‪@IhsanMDe‬ [15]: Iray amin'ireo karazana fanafahana? “?@VIVAnews?: Filohan'ny Komitim-pifidianana: Maro ireo antoko politika tsy mahomby noho ireo vehivavy ?http://goo.gl/b7e6g?”

Bilaogera tsy fantatra anarana, fa fantatra amin'ny hoe m3d14ku's namoaka lahatsoratra momba ny maha-zava-dehibe ny Andron’ Kartini androany:

“Banyak orang mengeluhkan bahwa perempuan masa kini salah mengartikan emansipasi.”
[…]Tampaknya ada sepenggal perjuangan yang selama ini luput dari kita. Mayoritas dari kita hanya mengenal emansipasi yang diperjuangkan R. A Kartini hanya dalam bidang pendidikan dan pekerjaan, tetapi bagian untuk menjadi pendidik dalam keluarga justru terlupakan.
[…]Tetapi sebagai tonggak generasi bangsa, kebaya saja tak cukup, karena Andalah sang pendidik utama bagi generasi bangsa ini.

Maro ireo olona mitaraina fa manimba ny endriky ny fanafahana ny vehivavy maoderina.
[…]Toa adinontsika fa nisy ny tolona natao. Maro amintsika no mahafantatra ny fanafahana izay nitoloman'i R.A. Fantatra amin'ny sehatry ny fampianarana sy ny asa fotsiny i Kartini, saingy maro amintsika no manadino fa anisan'ny mpanabe na maodely ho an'ny fianakaviana isika .
[…]Na dia eo aza izany, amin'ny maha andrin'ity taranaka ity antsika, tsy ampy ny fianjaikana Kebaya, satria ianao no mpanabe voalohany ny taranaka ankehitriny eto amin'ny firenena.