- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihemotra i YouTube Raha Misosasosa Ny Aterineto ao Korea Atsimo

Sokajy: Azia Atsinanana, Korea Atsimo, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna

Ao Korea atsimo izay efa nozarina ny misosasoa amin'ny aterineto anisan'ny hainga-pikoriana indrindra [1] manerantany, dia tsy mitsahatra ny itarainana hatrany ny YouTube noho ny fikatsokatsoany.

Saingy nahoana moa ity habaka mampiantrano lahatsary ity no miada-pikoriana loatra raha oharina amin'ny ambin'ny aterineton'i Korea Atsimo? Ny valiny dia mitoetra ao amin'ny tsy fanajan'ny orinasa matanjaka ao Korea Atsimo ny momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto [2].

Fitsipika fototra ny tsy fitongilanany aterineto hiarovana ny fikoriana malalaky ny vaovao amin'ny aterineto amin'ny alalan'ny fandrarana ny mpanao tolotra aterineto amin'ny fampandehanana mafy kokoa na mora kokoa noho ny hafa ny habaka iray na amin'ny fanakanana ny mpanjifa tsy hiditra amin'ny tranonkala sasany. (Vakio eto [3] ny nosoratan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices Jae-Yeon momba ny adihevitra mafana momba ny tsy fitongilanan'ny aterineto ao Korea Atsimo.)

Ny fisongadinan'ny vohikalan-dahatsary mpitroka bande passante [4] sy ny rindrambaiko tahaka ny YouTube, Netflix ary ny Skype, izay manasarotra sy mampiakatra ny masonkarena ho an'ny mpanao tolotra aterineto ahafahany mitazona ny halakin'ny fikorian'ny serasera ho an'ny mpanjifany, no mbola mametraka ny adihevitra momba ny tsy fitonginanan'ny aterineto ho tena zava-dehibe kokoa noho ny hatramin'izay.

Na dia mampiroborobo amim-pireharehana ho firenena iray anisan'ny mandroso indrindra eo amin'ny teknolojia avo lenta [5] aza i Korea Atsimo eto amin'izao tontolo izao, dia efa (nisy ny fotoana) toerana iray tsy nanana antra ho anny mpamolavola teknolojia madinika izay niady mafy nanaraka ny torolalana sy ny politika terin'ny [6] governemanta fa voasakan'ny orinasa matanjaka vitsivitsy izay mifehy ny tsena [7]. Ry Google sy YouTube moa efa nifanandrina tamin'ny fitondrana koreana tatsimo [8] noho ny tsy fanarahana ny fampiharana ny fampiasana ny tena anarana.

YouTube by Flickr user codenamecueball (CC BY 2.0). [9]

YouTube avy amin'ny mpisera Flickr codenamecueball (CC BY 2.0).

Mpisera Koreana manana ny anarana :GaedokChoding namelabelatra [10] [ko] ny fanadinoana nandritra ny fandinihana ny tsy fitongilanana amin'ny aterineto nokarakarain'ny mpanome tolotra aterineto Koreana tatsimo nitarika ny fiada-pikorian'ny YouTube – fomba fijery ny zavamisy  [11][ko] iraisan'ny ao amin'ny fiaraha-monin'ny teknolojia Koreana:

1. 유튜브가 한국에 서버를 돌리려고 했음. 2. 인터넷 통신망 회사들이 유튜브가 트래픽 많이 차지하니까 사용료 내라고 압박. 3. 유튜브는, ‘우리 콘텐츠 덕분에 사용자들이 인터넷 신청하고 사용료 내는데 왜 우리가 돈을 냄?'하고 한국에 서버를 마련하지 않음. 4. 그래서 한국에서 유튜브는 해외 서버를 통해 들어옴 5. 그 결과 한국 통신 회사들은 해외 유입 트래픽에 대한 대가를 외국 통신망 회사들에게 지불하게 됨 6. 그래서 한국 유튜브는 느리고 한국 통신 회사는 많은 돈을 외국에 넘기게 되었음

1. Niezaka nametraka ny lohamiliny tao Korea Atsimo ny YouTube. 2. Manery ny YouTube handoa sara ny Mpanome Tolotra Aterineto rehefa mitroka ny serasera ny YouTube. 3. Namaly n YouTube hoe “nahoana aho no terena handoa rehefa misoratra anarana ny mpisera ka mandoa ny saran'ny aterineto hijery ny votoaty avy amintsika?” ka nanapa-kevitra ny tsy hametraka ny lohamiliny (serveur) tany korea Atsimo ry zareo. 4. Vokany, lohamilina avy amin'ny firenena manodidina no iavian'ny YouTube eto Korea Atsimo. 5. Ankehitriny, tsy maintsy mandoa saram-pikorianana amin'ny sampan-draharaha mpanolotra aterineto vahiny hafa ny mpanolotra aterineto koreana. 6. Fiafarany: miha-miadana ny YouTube Koreana ary mandoa volabe amin'ny firenenkafa ny Mpanolotra aterineto Koreana.

Ny sasany aza moa namorona  tantara an-tsary [12] [ko] manazava ny loharanon'ny olana sy ny adihevitra nivoaka eo ambanin'ny tantara an-tsary, ary maro ny mpisera aterineto no mizara ny zava-niainan'ny YouTube [12] [ko] anatiny sy ivelan'i Korea Atsimo:

ID 우사우사냥냥: 일본에서 유튜브는 니코니코동화 보다 빠름. 근데 한국 영상은 […]
ID Caspian: 미국 거주중인데 확실히 유투브 빠릅니다… 1080p도 original 화질도 버퍼링 없이 봐요[…] ID Lucis: 이거 맞는말임. 여기 필리핀에서 한국 포털사이트(네이버,다음) 동영상 재생할라면 하루종일걸림. 근데 유투브는 진짜 올려져있는 2시간짜리 영화도 실시간으로 볼수있음. 네이버?다음? 1분짜리 동영상도 10분은 버퍼링해야하는곳이 여기임[…] ID Beef: 근데 이게 진짜 실감할수있는건 해외와서 인터넷을 해봐야됨. 한국 IT 강국에 인터넷 빠름 진짜 빠름. 근데 유튜브는 겁나느림. 근데 한국보다 인터넷느린나라들도 유튜브는 빠름 진짜 빠름

ID UsaUsaNyangNyang: YouTube ao Japana mety ho faingana kokoa noho ny habaka NicoNico Douga [habaka fifampizarana lahatsary malaza ao Japana]. Saingy, [hafa ny zavamisy] rehefa mijery lahatsary Koreana…
ID Caspian: Eto Etazonia aho izao ary tena malaky dia malaky tokoa ny YouTube. Afa-mijery lahatsary 1080p mivantana aho amin'ny hakanton'ny sary araka ny orizinaly.
ID Lucis: Marina daholo izany. Eto Philippines, mila ho andro iray manontolo no lany ahafahana mijery mivantana lahatsary ao amin'ny vavahadin-tserasera koreana tahaka ny Naver sy ny Daum. saingy afa-manaraka tsy mitapatapaka sarimihetsika maharitra adiny roa ao amin'ny YouTube ianao. Raha ampitahainy, mila paompiana folo minitra ny lahatsary maharitra iray minitra [ao amin'ny habaka koreana tahaka ny Naver sy ny Daum] vao azo jerena.
ID: Omby: Afa-mahatsapa ny fahasamihafana ianareo rehefa misera aterineto ivelan'ny tanindrazana. Ao Korea Atsimo, na dia firenena matanjaka ara-teknolojia sy manana aterineto hainga-pikoriana aza, dia mirezareza loatra ny YouTube. Moa tsy hafahafa tokoa ve raha haingana kokoa ny YouTube any amin'ny firenenkafa, izay miada-pikoroana lavitra noho ny an'i Korea Atsimo ny aterineto amin'ny ankapobeny.

Ny vahiny ao Korea Atsimo, izay efa zatra ny hatsaran'ny vitan'ny YouTube any amin'ny faritra hafa eto amin'izao tontolo izao, dia maneho hevitra  [13]ihany koa amin'ny fitsitaitaikam-pikorianany, mandefa hafatra [14] ao amin'ny forums mitady valiny [15].

Ny Bilaogera DamviWorld nitsikera [16] [ko] ny fiasa mijery tampon'orona (tsy mahita afa-tsy ny akaiky) ataon'ny mpanolotra aterineto koreana:

국내 통신사들은 유투브의 (무료로 네트워크 망을 제공하라는) 요구를 거절했고 유투브는 미련없이 한국을 떠났습니다. 결국 생산자가 우위에 서게 될 것이다란 사실을 그들은 벌써 알고 있었기 때문이죠. 유투브의 한국 이용자는 폭발적으로 증가했고[…] 만약 우리나라 통신사들이 미래를 내다보고 유투브와 유연한 자세로 계약을 했었다면 엄청난 액수의 선로 사용료가 중국과 일본에 해마다 유출되는 일은 없었을 것입니다.

Nandà ny fangatahan'i YouTube hisian'ny serasera maimaipoana ny mpanolotra aterineto koreana ka tsy nisalasala nandao an'i Korea ny YouTube. Satria efa fantatry ry zareo fa ny mpanolotra votoaty no mety hanana kokoa ny fifehazana. Nitombo isa haingana dia haingana tokoa ny mpisera YouTube Koreana.[…] Raha tsy nanana fomba fiasa tsy mijery afa-tsy ny tampon'orony ny orinasam-pifandraisantsika, ary nahalefitra kokoa tamin'ny fifampiraharahana tamin'ny YouTube, dia tsy nandoa vola miavosa tahaka izao ho an'i Shina sy japana [noho ny fampiasana ny lohamilina YouTube any amin-dry zareo] ho sara-pivezivezena.

Nasongadin'ilay bilaogera ihany koa fa ny habaka mpizara lahatsary jerena eo noho eo ao an-toerana, tahaka ny Mncast [17] [ko], dia efa tsy niasa noho ny fepetra mavesatra loatra ataon'ny mpanolotra aterinety azy ireo:

유투브가 한국에서 이처럼 빠르게 확산된 이유에는 국내 토종 동영상 서비스 업체들이 무너졌기 때문인 이유도 있습니다. 국내 업체들은 통신사에 지불하는 엄청난 네트워크 비용을 감당하지 못하고 하나둘 파산했기 때문이죠.

Ny antony iray nampivelatra ny YouTube haingana tokoa teto Korea Atsimo dia noho ny fidarabohan'ny habaka maro eto an-toerana mpizara lahatsary hojerena mivantana. Bankirompitra tsirairay ny orinasa teto an-toerana noho ny tsy fahafahany mandoa vola miavosa noho ny fampiasana ny tambajotra.