- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Antenain'ny Maleziana Amin'ny Fifidianana Solombavambahoaka

Sokajy: Azia Atsinanana, Malezia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika

Miaraka amin'ny fihazakazaky ny fifidianana faha-13 hifidianana izay ho solombavambahoaka [1], maro amin'ny Maleziana no mitodika amin'ny aterineto mba hikatsaka vaovao zava-maro hafa, hatramin'ny fampakàrany ny fomba fiheviny ny fifidianana. Malaysiakini [2], vavahadim-baovao iray malaza ety anaty aterineto, dia nampiato ny fandoavana vola amin'ny fampiasàna ny pejiny aloha amin'izao fotoana izao, farafahakeliny hatramin'ny aoriana kelin'ny fifidianana.

Ety anaty aterineto, hita fa ny ankamaroan'ireo Maleziana no mpomba ny vovonan'ny mpanohitra Pakatan Rakyat (PR) raha ampitahaina amin'ny Barisan Nasional (BN) an'ny fiaraha-mientan'ny eo amin'ny fitondràna, izay efa teo amin'ny fahefana hatramin'ny fahaleovantenan'ny firenena tamin'ny 1957.

Azon'i JoyBlee [3] antoka fa ilain'ny firenena ny fiovàna ao anaty governemanta ao :

Tsy mahasahana ny fandanianay isanandro akory ny karaman'ny mpiasa ambany toa anay satria miakatra isam-bolana ny vidin-javatra ilaina andavanandro, na dia ny kely indrindra aza. Tsy vitanao ny hanao tahiry ho fitsinjovana ny fiainanay. Noho izany ilaintsika ny manolo ny mpitarika izay tsy misaina afa-tsy ny hameno ny paosiny fotsiny fa tsy ny fiainan'ny rakyat (vahoakany).

Ilaintsika ny miova! TSY MAINTSY MIOVA ISIKA! Izay no izy!

A poster reminding Malaysian citizens to vote. Photo from Flickr page of  niezam sandakan [4]

Saribe iray mampahatsiahy ny olom-pirenena Maleziana mba handeha hifidy. Sary avy amin'ny pejy Flickr an'i niezam sandakan

Nifampizaran'i Crankster [5] io fihetsehampo io:

Tofoka ny Maleziana. Nitombo be tsy nisy toy izany ny tahan'ny heloka bevava tato anatin'ny 5 taona farany. Tsy latsak'izany koa ny trosam-pirenena. Mandritra izany fotoana izany, tsy nitsahatra ny nikororosy ny kalitaom-piainana.

Fony nandeha tsara ny zavatra rehetra, tsy nasian'ny vahoaka maso akory izay resaka kolikoly, fomba fanao feno fanavakavahana ara-poko, ny akamakama sy ny tsy fijerena afa-tsy ny namana. Saingy mihazakazaka ny fiainana (manerana izao tontolo izao, fa tsy ao Malezia ihany akory) ary tsy vonona ny hitazam-potsiny hanaiky ny fomba fanao fahiny intsony ny olona.

Shankaran Nambiar, nanoratra tao amin'ny East Asia Forum [6] mikasika ny fomba fijeriny ny mety heveriny ho fiantraikan'ilay fifidianana eo amin'ny toekarena :

Raha raisina amin'ny fijery ideolojika, ny vovonan'ny mpanohitra Maleziana dia tahakahaka ny Barisan Nasional (BN) ihany, satria izy roa dia samy mamaritra politika ara-toekarena mitodika amin'ny tsena. Na ny BN na ny mpanohitra dia samy manaiky ny soatoavina FDI, ny anjara toeran'ireo vondron'orinasa maro rantsana erantany ary ny lanjan'ny fifanakalozana ara-barotra.

Raha toa ka tokony hikarakara ny fari-piadidiana nahalàny azy ny UMNO, politika mpiaro ny an'ny tena no ilaina dinihana raha toa ho voasonia ny Fifanekem-Piarahamiasa sy ny Varotra Malalaka eo amin'ny Malezia sy ny Fiombonambe Eropeana. Toy ny tsy malalaka tahaka ny tany aloha intsony ny tànan'ny governemanta vantany vao voatery miditra amin'ny fkarakarana manokana ny fanomezan-tombony ny firoboroboan'ny fandraharahana “bumiputera”.

Hanao toy ny fanaon'ny BN ve ny mpanohitra raha tonga eo amin'ny fahefana? Tsia kosa angamba. Iray amin'ireo sehatra fanalahidin'ny mpanohitra ny fangaraharàna. Ny sehatra iray hafa dia ny famongorana ny fandanindaniam-poana sy izay mitete amin'ny rafitra. Miresaka momba ny fampivoarana ny toekarena manontolo ihany koa ny avy amin'ny fanoherana, fa tsy ny fiadanana ara-toekarena ho anà vondronà foko voafaritra manokana fotsiny akory — toy ny bumiputera.

i Nuraina A Samad dia niantso ity fifidianana ity ho  ‘fifidianan'ny media sosialy’ [7]:

Nolazain'ny PM fa manana fahafahana hanangona feo maro hiatrika olana iray ny media sosialy, anisany ny adihevitra politika.

Novinaniany fa ho ampiharina io ato anatin'ny volana ho avy satria nitodika any amin'ny media sosialy ny olona hiresahany ny olana mifandraika amin'ny fifidianana solombavambahoaka.

Ankehitriny…làlana lavitra no manasaraka antsika amin'ny 2008 fotoana nanaovan'ny olona ho tsinontsinona ny bilaogy sy ny bilaogera, nampitahorina, sy izao rehetra izao nataon'ny fitondràna tamin'izany fotoana. Efa ho adala mihitsy aza.

Nampahatsiahy ny mpamaky i Bakri Musa hoe ilain-dry zareo ny mieritreritra am-pahendrena tsara [8] :

Ny fanontaniana voalohany sady tokana tsy maintsy apetraky ny mpifidy alohan'ny handatsahana vato amin'ity fifidianana ho avy ity dia ny hoe mbola mendrika homena vanim-potoam-pitondràna vaovao indray ve ny governemanta Barisan io amin'izao fotoana io. Ny olana hafa rehetra, toy ny hoe ho afaka handray ny faneva ve ireo antoko hafa, dia tsy mitombina sy eny an-jorony, angambangambaina.

Ndeha handray sehatra telo saropady: toekarena, fanabeazana, ary ny haavon'ny kolikoly. Eo ho eo ihany ny fitantanana ara-toekarena Barisan. Fakàn-tàhaka izy raha milahatra amin'ny ao Zimbaboe fotsiny ihany. Etsy andanin'izay, raha ny tarehimarika dia mihoatra an'i Amerika sy Eoropa Andrefana (ary na i Singapore aza) i Malezia, saingy tadidio fa ireo firenena ireo dia efa milomano anaty sehatra avo lenta. Isika vao misondrotra. Ilaintsika ny firoboroboana malaky. Tokony ho i Shina sy Panama no anaovantsika fampitahàna. Na i Ghana sy Laos aza nahasongona antsika tamin'ny taona lasa.

Nanolotra fomba fijery nahaliana i Anil Netto [9],  notsoahany avy amin'ny resaka nifanaovany tamin'ireo Maleziana :

Tsy mampino ny zavatra azonao fantarina avy amin'ny resaka ifanaovanao amin'olona tao amin'ny ivontoerana iray ho an'ireo mpivaro-mandeha ao Penang.

Izao no hitako io maraina io :

Tsy dia tia loatra maneho ny heviny ireo mpianatry ny Anjerimanontolo raha hoe hanakiana ny fiaraha-mientan'ny mpitondra ry zareo na hanohana ireo antoko mpanohitra noho ny tahotra hiharan'ny famoretana avy eo. Tsy maintsy mitandrina be ianao; tsy hainao velively hoe iza no ndeha hitoroka anao.

Ankoatra ireo hafatra tsy niriana manentana ny olona handatsa-bato ho an'ny BN, dia olona roa eo no fantatra fa naharay firariantsoa avy amin'ny mpirotsaka natolotry ny BN avy ao an-toerana (ao amin'ny tanibe Penang sy tao Sabah) raha ny fahitàna azy, noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany. Nahita SMS iray fiarahabana noho ny fitsingerenan'ny andro nahaterahana aho izay niaty ny anarana fenon'ny mpandray, ny taona ary ny anaran'ny mpandefa, ilay mpirotsaka avy any amin'ny tanibe Penang voalaza fa nandefa azy io, ary ny fari-piadidiana iasany.

Avy amin'ireny fanehoankevitra ireny, toa hita fa ny toekarena, ny sondrobidim-piainana ary ny fangaraharàn'ny governemanta no tena mampiasa saina ny maro amin'ny Maleziana. Toa sahala amin'ny mampiseho ihany koa io hoe maro no velon'ahiahy ny amin'ny andro ho avy hahalalàna ny voka-pifidianana.