- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Iran: Mihetseha toy ny Lehilahy, Mitafia Toy ny Vehivavy!

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zon'olombelona

Lehilahy iray nampitafiana akanjo mena miampy voaly teny an-dohany no nentin'ny mpitandro filaminana nitety ny araben'i  Marivan [1] ao amin'ny faritany Kiordistana ao Iran tamin'ny Alatsinainy 15 Aprily 2013. Nanapa-kevitra ny fitsarana iray tao an-toerana fa izany no sazy homena ireo lehilahy telo, voalaza fa meloka tamin'ny fifandirana tao an-tokantranony. Tsy mazava tsara ny tena zava-nitranga, saingy raha ilay hevitra fotsiny amin'ity famaizana ity no jerena dia nahatezitra olona maro.

Nanao hetsi-panoherana nanoherana ilay sazy ireo vehivavy tao Marivan tamin'ny Talata, tamin'ny filazàna fa zava-mahamenatra kokoa ho an'ny vehivavy izao fa tsy ho an'ireo lehilahy voaheloka. Araka ny nambaran'ny olona iray mpikatroka mafàna fo amin'ny fiarovana zon'olombelona, nanao herisetra ara-batana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny mpitandro filaminana [2][fa]. Lahatsary iray no mampiseho vehivavy iray mandeha eny an'arabe.

Men in Dress source: https://www.facebook.com/KurdMenForEquality [3]

Nozaraina tao amin'ny pejy Facebook ‘Lehilahy Kiorda Mitaky Fitoviana [4]

Ety anaty aterineto, marobe ireo lehilahy Iraniana no naka sary ny tenany nitafy akanjom-behivavy hatao amin'ny sary mombamomba azy ao amin'ny fanentanana iray ao amin'ny Facebook hilazàna hoe [4], “Tsy natao ho fitaovana hanalàna baraka na hanasaziana na iza na iza ny maha-vehivavy ny olona.” Mivoaka ao amin'ny pejy Facebook antsoina hoe Kurd Men for Equality (Lehilahy Kiorda mitaky Fitoviana) [4] ireo sary.

Namo Kurdistani manoratra hoe [5]:

Ho fanehoana ny firaisankinako sy ny fanohanako ny “maha-vehivavy” sy ny hirifiriny ary ny adin-tsainy mandritra ny tantaram-piainany izay ny betsaka dia avy amin'ny ataon'ny “lehilahy” [sento]. satria isika vao haingana no niatrika didy iray adaladala navoakanà mpitsara hanasaziana olona iray amin'ny fampitafiana azy akanjom-behivavy, fotoana iray izao tokony hivondronantsika sy hanamelohana io hadalàna, herisetra sy tsy fanajàna ny mahaolona manjo ny vehivavy io; ny antsasaky ny fiarahamonina ary hatramin'ny antsasaky ny lehilahy mihitsy eto ambonin'ny tany raha kely indrindra. manohana ny maha-vehivavy ny vehivavy aho, farafaharatsiny amin'izay kely mba azoko atao ho azy ireo.

Ny pejy Facebook an'ny Fikambanam-Behivavy ao Marivan koa dia nanameloka ilay fihetsika ary nanoratra hoe [6] [fa]:

Nitaritarika lehilahy iray voheloka avy ao Marivan hitety tanàna ireo mpitandro filaminana. Nampitafian-dry zareo akanjom-behivavy izy ary nantenainy fa izany no hahafaka ny baràkany. Ny Fikambanam-Behivavy eto Marivan dia manameloka izao fihetsika izao no sady mandray azy io ho toy ny faniratsirana ny vehivavy. [iray andro taorian'io] nanao hetsi-panoherana nanoherana io fihetsika io ireo vehivavy Kiorda.

Mohmmad Mostafai, Iraniana iray mpisolovava sady mpiaro zon'olombelona dia niteny [7] [fa] hoe :

Tsy manan-jo hamoaka didy tahaka izany ny mpitsara ao Iran, izay mandeha mifanohitra amin'ny maha-olona. Ny fampitafiana ny voaheloka ho toy ny vehivavy dia zavatra tsy ho hitanao ao anatin'ny lalànan'ny Repoblika Islamika.

Miverina ho azy ny tantara

Telo taona mahery izao, nanandrana [8] nampiasa fomba tahaka izao ireo manampahefana Iraniana mba hanalàna baraka mpianatra iray mpikatroka mafàna fo, saingy tsy nahomby.

Tamin'izany, ireo manampahefana Iraniana nilaza [9] fa nitafy fitafiam-behivavy i Majid Tavakoli [10] mba hahafahany mandositra taorian'ny nanaovany kabary tao Teheran nandritra ny Andron'ny Mpianatra [11]. Kanefa, ireo mpikatroka mafàna fo amin'ny resaka zon'olombelona ao Iran dia namoaka [9] tatitra iray avy amin'ireo vavolombelona nanatri-maso, nilaza hoe : “Sandoka daholo ireo sary rehetra navoakan'ny mediam-panjakana ary porofo mazava amin'ny fomba fiasa tsy ara-maoraly amelezana mpianatra sy sivily mpikatroka mafàna fo ao Iran.” Tamin'izany fotoana, an-jatony ireo lehilahy Iraniana no naka sary ny tenany nitafy hijab akanjom-behivavy ho fanohanany an'i Tavakoli.