Niteraka Hatezerana Tao An-Tanàna Kely Ao Espaina Ny Herisetra Mihatra Amin'ireo Mpifindra Monina

Nazera avy eny ambonin'ny tetezana i Moulaye Ndiaye, mpivaro-mandeha sy teraka Senegaly ny andro mialoha ny fetibe Tomatina [es] 2012 ao Buñol, Valencia, ao Espaina. Teo am-pivarotana ny entambarotra nandritra ny fetibe i Moulaye no indro nisy tovolahy iray nangalatra ny solomasony aro-masoandro. Rehefa nangataka tamin'ilay tovolahy izy mba hamerina ny solomasony, dia tsy nahazo valiny mahafa-po, nanapa-kevitra niala teo amin'ilay toerana i Moulaye avy eo, ka voatositosika sy natsipy teny ambonin'ny tetezana eo amin'ny enina metatra miala amin'ilay toerany. Soa fa niaro azy ny kitapo teny an-damosiny sy ireo zozoro maniry teo amin'ny toerana nianjerany. Notsaboina maharitra nandritra ny iray volana tao amin'ny hopitaly Manises izy noho ny faharatrana anaty, taolan-tehezana tapaka sy ratra amin'ny taolan-damosina nahazo azy. Niteraka fahajambana teo amin'ny masony ankavanana sy ratra mahery vaika amin'ny tenda ary fahatapahan-damosina ny herisetra nihatra taminy ka tsy nahafahany hanohy hiasa intsony.

Moulaye Ndiaye. Photo by Jesus Cisnes from lasprovincias.es. Published with permission.

Moulaye Ndiaye. Sary avy amin'i Jesus Cisnes ao amin'ny lasprovincias.es. Nahazoan-dalana ny sary.

Niangavy ireo nahita maso ny fanafihana nahazo an'i Moualye Tao amin'ny bilaoginy [es], sy ny rindrin'ny Facebook-ny [es] ny Hetsika Manohitra Ny Tsifileferana mba hifandray amin'ny fikambanana hahafahany manokatra fanadihadiana momba ity raharaha ity, satria tsy tratran'ny polisy ireo mpiherisetra izay nandositra ny alin'ny zava-niseho. Nisy ihany koa ny fanentanana maro natao tamin'ny olom-pirenena [es], izay mbola mitohy ankehitriny, ary nilaza ireo mponina ao an-tanànan'i Buñol fa raiki-tahotra noho ity tranga mampahonena ity

Niezaka nanampy an'i Moulaye i Angel Galán, mpandrindra ny Hetsika Manohita Ny Tsifileferana [es], sy i Salva La Cruz, mpitondratenin'ny cear.es [es]. Amin'ity fanamarihana eto ambany eto, nanadihady momba ny olana atrehin'ireo mpifindramonina izy ireo mikasika ny fanovana momba ny politikam-pahasalamana napetraka vao haingana izay tsy manome fanampiana ho an'ireo mpifindramonina tsy manan-taratasy ara-dalàna:

At the scene of the attack in Buñol. Photo by Sara Serano, used with permission.

Toerana nitrangan'ilay herisetra tao Buñol. Sary avy amin'i Sara Serano, nahazoan-dalana:

 

Moulaye tiene 39 años y vive desde hace 6 años en España en situación irregular; lo que hace que con el nuevo decreto Ley 16/2012(BOE 24 de abril de 2012) se le haya intentado cobrar la asistencia sanitaria recibida. Los redactores de este decreto piensen que los inmigrantes irregulares que no pagan impuestos se aprovechan del sistema sanitario.

39 taona i Moulaye ary nonina tao Espaina nandritra ny 6 taona izy ary tsy nanana taratasy ara-dalàna; midika izany fa araka ny didim-panjakana-lalàna vaovao 16/2012 (BOE 24 Aprily 2012), nisy ny fikasana hitaky vola taminy tamin'ireo fitsaboana azony. Mihevitra ireo tompon'andraikitra namolavola ity lalàna vaovao ity fa mahazo tombony amin'ny rafi-pahasalamana ireo mpifindramonina izay tsy mandoa hetra.

Según Medicos del Mundo la reforma es contraria al derecho internacional público y a los tratados suscritos por España.

Para Mónica Garcia de Red acoge “las personas en situación irregular contribuyen, a través de sus impuestos indirectos al sostenimiento de la sanidad pública.”

Araka ny filazan'ny Dokoteran'ny Tany (Doctors of the World) [es] mifanipaka amin'ny zo iraisam-pirenena sy ny fifanekena nosoniavin'i Espaina ny fanovana.

Mihevitra kosa i Mónica Garcia ao amin'ny Tambajotra Acoge [es] fa “manampy amin'ny alalan'ny hetra tsy mivantana aloany ireo olona tsy manana taratasy ara-dalàna amin'ny fihazonana ny rafi-pahasalamam-bahoaka.”

El pasado 23 de febrero de 2013 se anunció la muerte de una mujer boliviana tras ser rechazada dos veces en centros de salud por no tener papeles. Se ha abierto una petición en change.org para pedir explicaciones.

Tamin'ny 23 Febroary 2013, nambara tamin'ny vahoaka ny fahafatesan'ilay vehivavy Boliviana rehefa avy noroahina indroa misesy tao amin'ny foibem-pitsaboana izy satria tsy nanana taratasy ara-dalàna [es]. Nisy avy eo ny fanangonan-tsonia natao tao amin'ny change.org ho fangataham-panazavana.

Araka ny filazan'ny Caritas [es], “mbola ambaranay indray fa tsy ny krizy ara-toekarena ihany no nahatonga izao toe-javatra izao fa ireo rafi-panavaozana sy fanamafisana ny fiarovana ara-tsosialy ihany koa, izay nahafadiranovana ireo sarangan'olona fadiravona sy mitoka-monina indrindra eo amin'ny firahamonina” :

Moulaye dice que ahora no piensa más que salir adelante. No le guarda rencor a la persona que le agredió. Solo quiere agradecer a los que lo han ayudado: los ciudadanos, las ONGS, el Alcalde de Buñol que le ha pagado el collarín y la faja ortopédica. Dice que quiere que lo ayudan a tener papeles. Según Ángel Galán, coordinador de Movimiento contra la Intolerencia de Valencia, le han dado una residencia provisional por medidas excepcionales, pero sin sentencia firme se le complicará su situación.

Nilaza i Moulaye fa tsy mieritreritra afa-tsy ny hanohy ny fiainany izy. Tsy mitàna lolom-po amin'ny olona nanafika azy izy. Te-hisaotra ireo olona nanampy azy ihany koa izy: ireo mponina ao an-tanàna, ireo Fikambanana tsy miankina, ny ben'ny tanànan'i Buñol izay niantoka ny lany tamin'ny fitsaboana ny tendany sy ny lamosiny. Nangataka fanampiana tamin'izy ireo amin'ny fahazoana taratasy ara-dalàna ihany koa izy. Araka ny nambaran'i Ángel Galán, mpandrindra ny hetsika Manohitra Ny Tsifileferana (tsifahazakana) ao Valencia, nomena fahazoan-dalana vonjimaika hijanona ao an-toerana izy noho ny antony manokana, saingy raha tsy misy ny fandraisana fanapahan-kevitra hentitra, hiha-sarotra ny momba azy.

Lo que es cierto es que la Ley de Extranjeria deja claro que para renovar los permisos de trabajo, como minimo se tiene que cotizar seis meses a la seguridad social o en otros casos excepcionales. Lo que hace que los inmigrantes que se encuentran en paro no van a poder renovar su tarjeta de residencia y volverán a ser ilegales.

Moulaye Ndiaye se desespera sabiendo que puede volver a ser “ilegal” con su discapacidad.

Ny azo antoka dia manipika mazava tsara ny lalàna momba ny Vahiny (mpifindra monina) fa raha hanavao ny taratasy fahazoan-dalana hiasa, tokony nahaloa vola fiarovana ara-tsosialy enim-bolana farafahakeliny na aminà tranga hafa manokana. Midika izany fa tsy ho afaka hanavao ny taratasy fahafaha-mivahiny mihitsy ireo mpifindra monina tsy an'asa ary hijanona ho mponina tsy manana taratasy ara-dalàna.

Very fanahy i Moulaye Ndiaye mieritreritra fa mbola hijanona ho mponina “tsy ara-dalàna” hatrany izy miaraka amin'ny fahasembanana mahazo azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.