- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Afovoany Atsinanana Hita Avy Eny Amin'ny Tsy Taka-maso: Sary Zarain'i Cmdr Hadfield Ao Amin'ny Twitter

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Israely, Tiorkia, Mediam-bahoaka, Saripika

Ilay “astronaute” Kanadiana Chris Hadfield [1], izay eny amin'ny Toby Iraisampirenena eny amin'ny Habakabaka eny amin'izao fotoana, dia mizara sary mahafinaritra avy amin'ny manodidina an'izao tontolo izao ao amin'ny Twitter. Ireto ny vitsivitsy amin'ireo saripika nozarainy mikasika ny faritra Afovoany Atsinanana avy eny amin'ny tsy taka-maso eny.

Ankara:

Raha nandalo teny ambonin'i Tiorkia, dia ity sarin'i Ankara renivohitra ity no nozarainy. Mibitsika izy hoe:

@Cmdr_Hadfield: [2] Ankara, renivohitr'i Tiorkia, tanana antitra indrindra, fonenan'ny olona 5 tapitrisa amintsika ary loharanon'i volonondry Angora. pic.twitter.com/x8EutOO5WH [3]

Ankara from space. Photograph by @comdr_hadfield [2]

Ankara  avy eny amin'ny tsy taka-maso. Sary avy amin'i @comdr_hadfield [2]

Tel Aviv:

Teny ambonin'i Israely, mizara sary iray misy an'i Tel Aviv izy, ary miteny hoe:

@Cmdr_Hadfield: [4]Tel Aviv, misy Tel Avivim 400.000 mahery, any amin'ny ilany Mediteraneana amin'ny sisintany Israely. pic.twitter.com/OlqprC3rrM [5]

Tel Aviv from Space. Photograph shared by @Cmdr_Had field on Twitter [6]

Tel Aviv avy eny amin'ny tsy taka-maso. Sary nozarain'i  @Cmdr_Hadfield [6] tao amin'ny Twitter

Ejypta:

Ejypta, dia nahazo sary roa. Ny voalohany dia ny an'ny ony Nile ary ny faharoa dia ny an'i Kairo renivohitra mahorak'i Ejypta.

Ny Nile:

@Cmdr_Hadfield:  [7]

Ny Nile midoboka ao amin'ny elodranon'i Kairo amin'ny alina, toy ny zavatra iray misy aina. pic.twitter.com/Zdzm0RmTWa [8]

The Nile from Space. Photograph shared by @Cmdr_Hadfield on Twitter [9]

Ny  Nile avy eny amin'ny tsy taka-maso. Sary nozarain'i  @Cmdr_Hadfield [10] tao amin'ny Twitter

Kairo:

@Cmdr_Hadfield [11]: Kairo amin'ny alina. Azonao jerena eto ny Kianja El Gabalaya. Mirehitra jiro ve ireo Piramida? pic.twitter.com/umsYK4N9nO [12]

Cairo from Space. Photograph shared by @Cmdr_Hadfield on Twitter [13]

Kairo avy any amin'ny tsy taka-maso. Sary nozarain'i @Cmdr_Hadfield [13]tao amin'ny Twitter

Mostafa Hussein, Ejyptiana bilaogera, dia manontany hoe :

@moftasa: [14] inona tsara no kianja  el Gabalaya izao?

Tahaka ny hoe hafa ny sarintanin-dry zareo avy any amin'ny tsy taka-maso eny ary hafa ny saritanintsika.