Ilay “astronaute” Kanadiana Chris Hadfield, izay eny amin'ny Toby Iraisampirenena eny amin'ny Habakabaka eny amin'izao fotoana, dia mizara sary mahafinaritra avy amin'ny manodidina an'izao tontolo izao ao amin'ny Twitter. Ireto ny vitsivitsy amin'ireo saripika nozarainy mikasika ny faritra Afovoany Atsinanana avy eny amin'ny tsy taka-maso eny.
Ankara:
Raha nandalo teny ambonin'i Tiorkia, dia ity sarin'i Ankara renivohitra ity no nozarainy. Mibitsika izy hoe:
@Cmdr_Hadfield: Ankara, renivohitr'i Tiorkia, tanana antitra indrindra, fonenan'ny olona 5 tapitrisa amintsika ary loharanon'i volonondry Angora. pic.twitter.com/x8EutOO5WH

Ankara avy eny amin'ny tsy taka-maso. Sary avy amin'i @comdr_hadfield
Tel Aviv:
Teny ambonin'i Israely, mizara sary iray misy an'i Tel Aviv izy, ary miteny hoe:
@Cmdr_Hadfield: Tel Aviv, misy Tel Avivim 400.000 mahery, any amin'ny ilany Mediteraneana amin'ny sisintany Israely. pic.twitter.com/OlqprC3rrM

Tel Aviv avy eny amin'ny tsy taka-maso. Sary nozarain'i @Cmdr_Hadfield tao amin'ny Twitter
Ejypta:
Ejypta, dia nahazo sary roa. Ny voalohany dia ny an'ny ony Nile ary ny faharoa dia ny an'i Kairo renivohitra mahorak'i Ejypta.
Ny Nile:
Ny Nile midoboka ao amin'ny elodranon'i Kairo amin'ny alina, toy ny zavatra iray misy aina. pic.twitter.com/Zdzm0RmTWa

Ny Nile avy eny amin'ny tsy taka-maso. Sary nozarain'i @Cmdr_Hadfield tao amin'ny Twitter
Kairo:
@Cmdr_Hadfield: Kairo amin'ny alina. Azonao jerena eto ny Kianja El Gabalaya. Mirehitra jiro ve ireo Piramida? pic.twitter.com/umsYK4N9nO

Kairo avy any amin'ny tsy taka-maso. Sary nozarain'i @Cmdr_Hadfield tao amin'ny Twitter
Mostafa Hussein, Ejyptiana bilaogera, dia manontany hoe :
@moftasa: inona tsara no kianja el Gabalaya izao?
Tahaka ny hoe hafa ny sarintanin-dry zareo avy any amin'ny tsy taka-maso eny ary hafa ny saritanintsika.