- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fampisehoana an'Habakabaka Tao Amin'ny Repoblika Dominikana Niafara Tamin'ny Voina

Sokajy: Amerika Latina, Karaiba, Repoblika Dominikana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Nandritra ny andro faharoa sady farany tamin'ny Fampisehoana an'Habakabaka Karaibana, minitra vitsy monja nanombohany, dia nisy voromby Pillán T-35, manana ny laharana FAD 1807, vita avy any Chile ary an'ny Tafika an'Habakabaka Dominikana (FAD), nentin'ny mpanamory lietnà Rafael Eduardo Sánchez Astacio sy ny mpanamory lietnà bokotra iray Carlos Manuel Guerrero Guerrero, nanana olana nandritra ny tsingeringerina ary nianjera tany an-dranomasina.

Nitranga tamin'ny alahady 7 avrily ny loza ary natrehi-mason'ny Dominikana an'arivony izay nifamory teny an-dalamben'i Santo Domingo hankafy ny sangodina sy ny fahaizan'ny mpanamory teratany sy vahiny, mandoko ny lanitry ny renivohitra Dominikana. Tsy ampy adiny roa taorian'ny voina dia hita ny vatana mangatsiaka roa ary nentina tany amin'ny Tobin-tafika an-dranomasina Dominikana ao Sans Soucí ary avy tany no nafindra tamin'ny alalan'ny voromby ho any amin'ny Hopitaly Miaramila Dokotera Ramón de Lara, FAD.

Araka ny nolazain'ny mpikarakara dia mifanaraka tsara amin'ny fenitra iraisampirenena momba ny fampisehoana an'habakabaka napetraky ny Filankevitra Iraisampirenena misahana Fampisehoana an'habakabaka ny Fampisehoana an'Habakabaka Karaiba 2013, izay mpanohana ny hetsika rahateo.

Naneho avy hatrany ny fiaraha-miory ny Filoha Danilo Medina:

@DaniloMedina: [1] Lamentamos profundamente accidentes como este. Unámonos en oración al dolor de familiares y compañeros de Carlos y Rafael. Paz a sus almas.

@DaniloMedina: [1] Malahelo tokoa amin'ny fisian'ny loza rahaka izao isika. Andao hiara-mivavaka ho fianakaviana sy ny naman'i Carlos sy i Rafael. Fiadanana anie ho an'ny fanahiny.

Na izany aza, tsy ela dia naneho ny tsy fahafaliany ny fiarahamonim-pirenena. Raúl Raful, zanaky ny solontenan'ny PARLACEN (Parlamento Centroamericano-Central American Parliament [2]) [es], Tony Raful, namoaka izao tao amin'ny kaonty Twitter-ny:

@RaulRaful: [3] Ese equipo de rescate fue un desastre. ¿Dos buzos sin tanque iban a encontrar esos cuerpos junto con lanchitas de Boca Chica?#ShowAereo [4]

@RaulRaful: [3] Atambo koa izany ekipa mpamonjy voina izany. Mpitsoraka roa tsy manana tahirin-drivotra no nirotsaka hitady ny vatana mangatsiaka amin'ny alalan'ireo lakana avy any Boca Chica?#ShowAereo [4]

Mampitovy lokanga amin'izany ny mpisolovava Bartolomé Pujals:

@BartolomePujals: [5] Este dramático suceso dejo claro varias cosas. 1) incompetencia de las autoridades de rescate; 2) la indolencia de los organizadores. #OJO [6]

@BartolomePujals: [5] Mampazava zavatra vitsy izao voina mampalahelo izao. 1) tsy fahaizan'ireo manampahefana amin'ny famonjena voina; 2) ny fahalaindainan'ny mpikarakara. #OJO [6]

Manamafy ny mpanao gazety sy ny mpiserasera sasantsasany fa tsy mety amin'ny fanaovana tsingeringerina an-habakabaka ilay voromby ka novalian'ny mpampita hevitra sady politisiana José Laluz :

@laluzjose: [7] #ShowAereo [4] La letra B en la matricula del Pillan significa 2da generación y la ficha técnica INDICA que son buenos para acrobacia.

@laluzjose: [7] #ShowAereo [4] Ny litera B amin'ny laharan'ny Pillan dia manamarika fa andiany faharoa iny ary ny taratasy ara-teknika indray dia MANONDRO fa mety hanaovana tsingeringerina io.

Amin'izao fotoana izao, araka ny fanambarana natao tamin'i Listín Diario [8] [es], Ny Jeneraly Hugo González Borrel, izay efa komandin'ny Tafika an'Habakabaka Dominikana tamin'ny fotoana nahazoan'i Repoblika Dominikana ny voromby Pillán, no niteny fa mety ho nisy ny hadisoan'olombelona tamin'ny nianjeran'ny voromby, izay nahafatesan'olona roa. Mifanaraka amin'izany, navoitran'ny Tafika an'habakabaka Dominikana fa eo ampanaovana famotorana hahalalana bebe kokoa izay tena nitranga.

Indreto eto ambany ny sarin'ny voina, nalaina nahazoana alalana avy amin'ny vohikalam-baovao Diario Libre [9] [es].

Show aéreo termina en tragedia en República Dominicana. [9] Show aéreo termina en tragedia en República Dominicana [9]

Show aéreo termina en tragedia en República Dominicana [9]