- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiakaran'ny Maripàna Taorian'ny Fifidianana tao Venezoela

Sokajy: Venezoela, Fanoherana, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka

[Mankany amin'ny fiteny Espaniola daholo ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana manokana.]

Ao anatin'ny fiakaran'ny maripàna izao ny voka-pifidianana [1] [en] taorian'ny nahafatesan'i Hugo Chávez, izay nandrefesan'i Nicolás Maduro sy Henrique Capriles Radonski hoe hatraiza ny fanohanan'ireo mpanohana azy.

Vao avy nambara fa hoe Filoha vaovao ho an'ny Repoblika i Maduro, nitombo ny antso hisian'ny hetsi-bahoaka sy ny hamerenana ny fanisàna vato nanerana ireo tambajotra sosialy. Ora no nisaina, dia efa nibahan-toerana tao amin'ny lohahevitra resahana be indrindra ho an'ny Twitter tao Venezoela ny sarin'ireo fihetsiketsehana, bitsika fanohanana ny mpifanandrina roa tonta ary ny fitarainana mikasika ny tsy fanjariana tamin'ny fifidianana. i Inti Acevedo (@inti [2]), mpanao gazety dia naneho hevitra hoe :

@inti [3]: La situación en Venezuela tiende a ponerse más compleja con las horas, muchísimos rumores (no confirmados) de mil situaciones distintas.

@inti [3]: Mihasarotra ny toe-draharaha eto Venezoela amin'izao ora izao, be ny tsaho (tsy voamarina) ny amin'ny fisianà tsy fetezan-javatra an'arivony.

Mandritra izany, avy ao Caracas, Liliana Ochoa (@liliob [4]) dia nizara sary iray izay maneho ny fiparitahan'ny andian-tafika eran'ny tanàna. 

@liliob [5]: La autopista fco fajardo esta asi justo ahora. Foto por @andreavmm18 [6] pic.twitter.com/DnXydf67wf [7]

@liliob [5]: Toy izao ny lalambe migodàna fco (Francisco Fajardo) amin'izao fotoana izao. Sary avy amin'i @andreavmm18 [6] pic.twitter.com/DnXydf67wf [7]

Foto compartida por @liliob en Twitter [8]

Sary avy amin'i @andreavmm18, nozarain'i @liliob tao amin'ny Twitter

Tamin'ny ora mitovy amin'io, tao Valencia, Anaÿs La Riva dia nampakatra ity sary ity tao amin'ny Facebook-ny: [9]

Protesta en Valencia. Foto compartida por Anaÿs La Riva en su perfil de Facebook [10]

Hetsi-panoherana tao Valencia. Sary nozarain'i Anaÿs La Riva  tao amin'ny Facebook-ny

Fotoana fohy taty aoriana, nitatitra tao amin'ny kaontiny Twitter i Hugo Londoño (@huguito [11]) hoe:

@huguito [12]: En Venezuela, en este momento el CNE [Consejo Nacional Electoral] proclama a Maduro como presidente, hay disturbios y protestas en centro CNE del país, suenan cacerolas

@huguito [12]: Eto Venezoela, amin'izao fotoana izao indrindra no anambaran'ny  CNE [Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana] an'i Maduro ho filoha; misy fihetsiketsehana sy hetsi-panoherana eto amin'ny foiben-toeran'ny CNE, miaraka amin'ny vely vilany

Nizara tatitra maro miresaka herisetra nitranga ny maraina sy ny tontolo andron'iny tao Mérida, any amin'ny faritra andrefan'ny firenena i Tomás Fernández (@Tomasnomas29 [13]), nitranga taorian'ny nahatongavan'ireo andian'olona fantatra amin'ny hoe “Tupamaros”:

@Tomasnomas29 [14]: AUXILIOOO en el liceo libertador PORFAVOR!! Difundanlo! Los tupamaros no dejan hacer el conteo! Que esto llegue a toda Venezuela! DIFUNDE

@Tomasnomas29 [14]: VONJEEEEO izahay aty amin'ny liceo (lisea) libertador MIANGAVY!! Miangavy, aelezo! Tsy avelan'ny Tupamaros ho isaina ny vatom-pifidianana! Aparitaho manerana an'i Venezoela ny feo! AELEZO ITY

Sebastiana Barráez (@SebastianaB [15]) koa nitatitra hoe :

@SebastianaB [16]: En Tachira hay tanquetas en la calle, en Merida los Tupamaros salieron a amedrentar, en Barinas hay protestas en la calle

@SebastianaB [16]: Aty Tachira dia feno fiara mifono vy eny amin'ny arabe; any Merida mivezivezy eny rehetra eny manao ramatahora ny Tupamaros; ao Barinas misy hetsi-panoherana eny an-dalambe.

Ato anatin'ny ora vitsy, be ny antso andrasana avy amin'ny andaniny sy ny ankilany hanaovana hetsika bebe kokoa sy hetsi-panoherana eny an-dalambe. Ny tenifototra ampiasain'ny olom-pirenena mba hampahafantarana sy hitondràna fanehoankevitra dia afaka hita ao amin'ny lohahevitra resahana be indrindra momba an'i Venezoela ao amin'ny Twitter: #CaprilesGanóTibisayMintió [17]; #ElPuebloHablóMaduroGanó [18]; #NicolásElDerrotadoEresTú [19]; #CacerolazoALas8; [20] #ConteoVotoPorVotoYA [21]; y Mañana al CNE [22].

This post was written with help from Jessica Carrillo Mazzali [23].