[Mankany amin'ny fiteny Espaniola daholo ny rohy rehetra raha tsy misy fanamarihana manokana.]
Ao anatin'ny fiakaran'ny maripàna izao ny voka-pifidianana [en] taorian'ny nahafatesan'i Hugo Chávez, izay nandrefesan'i Nicolás Maduro sy Henrique Capriles Radonski hoe hatraiza ny fanohanan'ireo mpanohana azy.
Vao avy nambara fa hoe Filoha vaovao ho an'ny Repoblika i Maduro, nitombo ny antso hisian'ny hetsi-bahoaka sy ny hamerenana ny fanisàna vato nanerana ireo tambajotra sosialy. Ora no nisaina, dia efa nibahan-toerana tao amin'ny lohahevitra resahana be indrindra ho an'ny Twitter tao Venezoela ny sarin'ireo fihetsiketsehana, bitsika fanohanana ny mpifanandrina roa tonta ary ny fitarainana mikasika ny tsy fanjariana tamin'ny fifidianana. i Inti Acevedo (@inti), mpanao gazety dia naneho hevitra hoe :
@inti: La situación en Venezuela tiende a ponerse más compleja con las horas, muchísimos rumores (no confirmados) de mil situaciones distintas.
@inti: Mihasarotra ny toe-draharaha eto Venezoela amin'izao ora izao, be ny tsaho (tsy voamarina) ny amin'ny fisianà tsy fetezan-javatra an'arivony.
Mandritra izany, avy ao Caracas, Liliana Ochoa (@liliob) dia nizara sary iray izay maneho ny fiparitahan'ny andian-tafika eran'ny tanàna.
@liliob: La autopista fco fajardo esta asi justo ahora. Foto por @andreavmm18 pic.twitter.com/DnXydf67wf”
@liliob: Toy izao ny lalambe migodàna fco (Francisco Fajardo) amin'izao fotoana izao. Sary avy amin'i @andreavmm18 pic.twitter.com/DnXydf67wf”
Tamin'ny ora mitovy amin'io, tao Valencia, Anaÿs La Riva dia nampakatra ity sary ity tao amin'ny Facebook-ny:
Fotoana fohy taty aoriana, nitatitra tao amin'ny kaontiny Twitter i Hugo Londoño (@huguito) hoe:
@huguito: En Venezuela, en este momento el CNE [Consejo Nacional Electoral] proclama a Maduro como presidente, hay disturbios y protestas en centro CNE del país, suenan cacerolas
@huguito: Eto Venezoela, amin'izao fotoana izao indrindra no anambaran'ny CNE [Filankevi-Pirenena momba ny Fifidianana] an'i Maduro ho filoha; misy fihetsiketsehana sy hetsi-panoherana eto amin'ny foiben-toeran'ny CNE, miaraka amin'ny vely vilany
Nizara tatitra maro miresaka herisetra nitranga ny maraina sy ny tontolo andron'iny tao Mérida, any amin'ny faritra andrefan'ny firenena i Tomás Fernández (@Tomasnomas29), nitranga taorian'ny nahatongavan'ireo andian'olona fantatra amin'ny hoe “Tupamaros”:
@Tomasnomas29: AUXILIOOO en el liceo libertador PORFAVOR!! Difundanlo! Los tupamaros no dejan hacer el conteo! Que esto llegue a toda Venezuela! DIFUNDE
@Tomasnomas29: VONJEEEEO izahay aty amin'ny liceo (lisea) libertador MIANGAVY!! Miangavy, aelezo! Tsy avelan'ny Tupamaros ho isaina ny vatom-pifidianana! Aparitaho manerana an'i Venezoela ny feo! AELEZO ITY
Sebastiana Barráez (@SebastianaB) koa nitatitra hoe :
@SebastianaB: En Tachira hay tanquetas en la calle, en Merida los Tupamaros salieron a amedrentar, en Barinas hay protestas en la calle
@SebastianaB: Aty Tachira dia feno fiara mifono vy eny amin'ny arabe; any Merida mivezivezy eny rehetra eny manao ramatahora ny Tupamaros; ao Barinas misy hetsi-panoherana eny an-dalambe.
Ato anatin'ny ora vitsy, be ny antso andrasana avy amin'ny andaniny sy ny ankilany hanaovana hetsika bebe kokoa sy hetsi-panoherana eny an-dalambe. Ny tenifototra ampiasain'ny olom-pirenena mba hampahafantarana sy hitondràna fanehoankevitra dia afaka hita ao amin'ny lohahevitra resahana be indrindra momba an'i Venezoela ao amin'ny Twitter: #CaprilesGanóTibisayMintió; #ElPuebloHablóMaduroGanó; #NicolásElDerrotadoEresTú; #CacerolazoALas8; #ConteoVotoPorVotoYA; y Mañana al CNE.