- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Isa-minitra Marary Enina No Voatily Fa Tratry Ny Homa-miadana Any Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Efa ofisialy. Ivon'ny olana amin'ny fahasalamam-bahoaka any Shina ny homamiadana.

Enina isa-minitra ireo marary voatily fa tratry ny homamiadana, marary 8.550 vaovao tratry ny homamiadana isanandro izany, araka ny fanisana mikasika homamiadana [1] tamin'ny taona 2012 (2012中国肿瘤登记年报) [zh]. Voalazan'ny tatitra fa ny 13 isan-jaton'ny mararin'ny homamiadana no ho faty.

Maro no mino fa ny maha-haingana ny fitombon'ny salan'isan'ny mararin'ny homamiadana dia vokatry ny fahalotoan'ny tontolo iainana [2] nanomboka ny folo taona farany nampiroborobo fatratra an'i Shina.

Navoaka tamin'ny janoary 2013 ny tatitra mikasika ny fanisana ny mararin'ny homamiadana, saingy tsy dia noresahana firy. Sahirana nifantoka tamin'ny Fihaonambem-Pirenen'ny Mponina [3] (NPC) sy ny Fanaovana Fakàn-kevitra Politika tamin'ny Vahoaka Shinoa [4] (CPPCC) ny mpilaza vaovao Shinoa.

Ny 7 sy 8 Aprily, na izany aza, navaozin'ireo mpilaza vaovao isan-karazany  ho toy ny olan'ny fahasalamam-bahoaka [5] ilay tatitra [zh], niteraka adihevitra mafy ary matetika tora-pò avy amin'ireo sehatra media sosialy tena malaza ao Shina.

Ny mpanadihady iray antsoina hoe Tulao 8 [6] (@土魯8) [zh], avy any Guangzhou, dia niteny tao amin'ny Sina Weibo hoe :

中国是个癌变化的国家,每分钟确诊6人得癌症,这是个可怕的数字,也许这就是中国老百姓唯一能享受到30年改革开放的成果。有些人沾沾自喜,眼前的一切都是他们成就出来的;有些人挣扎在死亡边沿,他们并不知道谁是真正的凶手,也许有部分人知道,也只能无可奈何地让秽浊慢慢地侵蚀掉他们的躯体。

Firenen'ny homamiadana i Shina. Isa-minitra olona enina no voatily fa tratry ny homamiadana. Tarehimarika mampihoron-koditra izany. Izany no vokatra azon'ireo vahoaka madinika sitrahana 30 taona taty aorian'ny drafitra politika misokatra sy ny fanavaozana. Ny sasany amin'ny vahoaka faly mikasika izany toe-javatra izany ary fahatanterahan'ny tanjony no ijereny ny zavatra rehetra. Ny sasany miady mafy amin'ny fahafatesana ary tsy fantany akory iza no mpamono. Ny sasany mba mahafantatra izay nanao izany taminy ihany saingy tsy afaka manao n'inona n'inona hanakanana ny vatany tsy ho rotehan'ny loto.

On Sina Weibo, Global Times shared news about the map of China’s “cancer villages”.

Sarintany maneho ny tanàna misy ny homamiadana

Ny tompon'andraikitry ny tontolo iainana any Shina dia efa nanamafy ny fisian'ny antsoina hoe “tanànan'ny homamiadana” [7] [zh], miaraka aminà vokatra ara-tsimika 3000 mahafaty voamarina ary hita manerana an'i Shina (tsy ao anatin'izany ny angona avy any amin'ny faritra mahaleotena toa an'i Tibet, Xinjiang ary Oinghai.)

Ny filazam-baovao Shinoa dia nitatitra fa farafahakeliny 459 ny tananan'ny homamiadana [8]. Mahalana no ahitana 10 isan-jaton'ny trangana homamiadana fotsiny ao amin'ireo tanàna [9] ireo. Ny ratsy indrindra amin'izany dia ny tanànan'i Zhai Wan Cun any amin'ny faritr'i Hubei ; any ny salan'isan'ny homamiadana dia 80 avo heny amin'ny an'ny firenena manontolo [10] [zh]. Tanàna misy mponina 3000 monja, nefa maherin'ny 100 ny mponina voan'ny homamiadana tao no maty tany tamin'ny taona 2003-2006. Ny salan'isan'ny mararin'ny homamiadana any amin'ny firenena mandroso dia manodidina ny 3 isan-jato [11].

Ankoatr'ireo antontan'isa mampieritreritra ireo, mpiblaogy madinika maro no nanaingo ny tena zava-misy marina any amin'ireo vondrom-piarahamonina misy azy ravan'ny homamiadana.

Mpiblaogy iray milaza ny tenany ho “Tsara kokoa ny mahantra ao an-trano”  (@在家貧亦好) ao amin'ny Sina Weibo [zh] no namaritra [12] fa :

清明回乡祭祖,了解一些情况,两个村都有很多癌症患者,因癌症去世的,一个村是五个一个村六个,且多为30至50岁的青壮年,这确实是个怪现象,村民们说是年岁不好,但在农村出现大量癌症患者绝对有问题,有关部门应该就这个问题展开详细的调查才是!

Nitsidika ny tanànan'ny fahazazako  aho nandritra ny fety ara-kolotsaina tany Qingming [13], misy maro mararin'ny homamiadana ireo tanàna roa mifanakaiky ary maro no maty vokatr'izany. Ilay tanàna voalohany dia nisy 5 ary ilay iray hafa nisy 6. Betsaka tamin'izy ireo no teo anelanelan'ny 30-50 taona, somary betsaka izany. Ailiky ny mponina any amin'ny haratsiam-bintana ny resaka, nefa tsy maintsy efa nisy zavatra tsy nanjary  nitranga tany ho an'ireo tranga marobe teny amin'ireo tanàna ambanivohitra. Tokony hanadihady ilay tranga misy ny tompon'andraikitra.

Iray hafa milaza ny tenany ho  “Ravina mena eny antendrombohitra” (@山山紅葉 [14]), avy ao  Tai An ao amin'ny faritanin'i Shandong, nilaza hoe :

我们泰安早就被各种工厂包围了。我们村都被某电铝厂逼的集体搬迁了,上访都被拦下来了,好多电视台的记者都被政府领导摆平了,我们村的地再也不能种出粮食了,只能包租给工厂。哎~癌症人数爆发式增长。

Voahodidinin'ny orin'asa maro ny tanànanay ao Tai'an. Tsy maintsy nifindra toerana ny tanànay noho ny fanorenana orinasa mpitrandraka aliminioma teo. Nanandrana nanangona sonia ry zareo saingy voasakana. Voaporitry ny governemanta ofisialy ireo mpilaza vaovao amin'ny fahitalavitra. Tsy mety hamokarana intsony ny taninay ka dia ampanofaina amin'ireo orinasa sisa. Mitosaka be toy ny rano vaky ny isan'ny mararin'ny homamiadana.

Deng Fei (@鄧飛), mpikatroka iray mafàna fo izay miady amin'ny fahalotoan'ny rano fisotro any Shina amin'ny fanentanana ireo mponina mba hamorona antontan-taratasy mikasika ny renirano voaloto, dia namoaka indray [15] [zh] hafatra manokana iray nalefa taminy avy aminà namana iray  mpiserasera :

#一名网友来信#邓老师,今天看见您发起的关注地下水污染,眼泪掉下来。我少小离开家乡,在上海打拼,我的亲人依然生活在潍坊与平度交界处,如今几乎每家都能讲述一个关于癌症的凄凉故事,我妹妹的公婆在去年同时被查出癌症,公公已去世,婆婆尚在治疗中。我代表世代生活在那片土地上的乡亲叩谢您。

#Taratasinà namana iray mpisera ety anaty aterineto # Ry Deng mpampianatra, nirotsaka ny ranomasoko raha vao nahita anao nanasongadina ny ahiahy mikasika ny fahalotoan'ny rano any ambanin'ny tany. Nandao ny tanànan'ny fahazazako ho any Shangai aho fony mbola tena tanora, saingy ny fianakaviako mbola monina any akaikin'i Weifang sy Pingdu faritanin'i Shandong. Ankehitriny, ny fianakaviana tsirairay dia afaka mitantara momba ny homamiadana avokoa. Ny rafozan'ny anabaviko mianatra lalàna dia samy voatily tamin'ny taona lasa hoe voan'ny homamiadana. Ankehitriny, ny rafozan-dahiny dia efa maty fa ny rafozam-baviny kosa mbola manaraka fitsaboana. Te hisaotra anao aho noho ireo vitanao ho an'ireo mponina ao amin'io tanàna kely io.

Ny faripiadidian'i Cang any Hebei no ohatra iray amin'ireo faritra manana salan'isa avo indrindra mikasika ny homamiadana, ary tany aloha tany dia nizaka ny taha avo indrindra mikasika ny fahalotoan'ny rano ambanin'ny tany. Charles Xue (@薛蛮子), mpampiasa vola no nanasongadina [16] [zh] ilay vaovao hoe :

#河北沧县红豆水污染案有感#沧县环保局长在网民一片骂声中下台了。化验结果是污染超标70倍!化工厂污染长达23年。村里有确诊的癌症30例其中26例死亡!村民反复申诉,从环保部到省环保厅层层文案下转,验水结果居然是水质合格?!而且是年年合格?中国655城市400个靠地下水供水。我们怎么办?我们的孩子呢

#Tsikera mikasika ny raharaha fahalotoan'ny “tsaramaso mena” tao amin'ny faripiadidian'i Cang ao Hebei# [naoty : nivadika mena ny rano ambanin'ny tany tao amin'ny faritra ary nanamafy ny lehiben'ny departemanta misahana ny tontolo iainana fa tsy voaloto ny rano, nolazainy fa rehefa nahandroina miaraka ny tsaramaso mena sy ny vary dia mivadika ho mena ny vary.] Vokatry ny tsikeran'ny mpiserasera dia voaroaka  ilay lehiben'ny Departementa misahana ny Tontolo Iainana any amin'ny fari-piadidian'i Cang nony farany.  Nivoaka ny tatitra ary nahatratra avo 70 henin'ny tokony ho izy ny fako simika. Tao an-tanana, nisy marary 30 voatily fa tratry ny homamiadana ka ny 26 tamin'ireo maty. Nanohitra ny mponina saingy nandritra ireny taona ireny, nilaza ve ny tatitra rehetra avy ao amin'ny fari-piadidiana ho an'ny departemantan'ny tontolo iainana ao amin'ilay faritany fa tsy misy atahorana ny kalitaon'ny rano?! Ahoana no fomba hitsapan-dry zareo ny kalitaon'ny rano isan-taona ? Amin'ny tanàna 655 any Shina, 400 no miankina amin'ny famatsiana rano avy any ambanin'ny tany, noho izany inona no ataontsika ? Inona no azon'ireo zanatsika atao ?

Mpanadihady iray antsoina hoe “Dadada Kely”  (@小达达哒) no niblaogy mikasika [17][zh] ny tahan'ny fahafatesana noho ny homamiadana ao amin'ny tanànan'i Fuzhou any amin'ny faritanin'i Fujian

【癌症杀手,榕城不可承受之重!】而作为占全省人口19.31%的首府福州市,每年因癌死亡人数超过1.1万,死亡率位居全国中小城市中首位。

[Homamiadana mpamono olona sy zioga mavesatry ny tanàna Fuzhou] Ny tanànan'i Fuzhou no manome ny 19.3% n'ny mponina ao amin'ny faritanin'i Fujian, ary ny isan'ny matin'ny homamiadana isan-taona dia mihoatra ny 11.000. Ny tahan'ny matin'ny homamiadana dia nihoatra ireo tanàna salantsalany sy madinika eto amin'ny firenena.

Ny mpampiasa antsoina hoe “Huihui Da” (@回回達)namintina [18] [zh] tamin'ny filazàna tamim-panesoana hoe :

那是,天天和猪肉汤,鸡汤鱼汤,吃毒馒头,工业菜是毒豆芽,天天雾霾怎么不得癌

, eat poisonous bread, toxic sprouts produced by industrial farming, breathe in toxic smog. Of course we have cancer…………………………………………. Tsara, misotro lasopin-kisoa izahay [entiny milaza ireo fatin-kisoa hita tao amin'ny reniranon'i Shanghai], mihinana mofo voapoizina, masomboly mahafaty vokarin'ny orinasa momba ny fambolena, mifoka setroka maloto mahafaty. Mazava ho azy, tratry ny homamiadana izahay.