Hetsi-panoherana Sy “Faritra Mamanàla” Ny Tao Brooklyn Taorian'ny Namonoana An'i Kimani Gray

Nandray anjara tamin'ity lahatsoratra ity i Yarisa Colón

Ny asabotsy 9 martsa, maty voatifitry ny mpitandro filaminana roa tao an-tananan'i New York i Kimani Gray, tovolahy amerikana 16 taona manam-pihaviana Afrikana. Vatany vao fantatra ity zava-nitranga ity, vaky ny korontana tany amin'ny vakim-paritra ao Brooklyn, New York, nandritra ny roa andro nisesy, ka tamin'izany no nanehoan'ny mponina ny hatezerany nanoherany ilay fahafatesana izay ny fahatakaran-dry zareo azy dia mamofompofona fanavakavaham-bolonkoditra. Fanampin'izany, taorian'ny fiaretan-tory izay nivadika ho hetsi-panoherana noho ny nahafatesan'i Gray, dia nametraka lalàna miaramila ny tompon'andraikitra izay mandrara ny fidirana aminà faritra maromaro manodidina ny faritra atsinanan'i Flasbush, (nantsoina hoe faritra mamanàla).

Araka ny lazain'ny The New Yorker, ireo polisy voarohirohy, Jovaniel Córdova sy Mourad Mourad, tsy nanao fanamiana, sy ilay niharam-bono dia manana tantara amin'ny resaka fandikan-dalàna. Toa efa voasambotra imbetsaka i Kimani Gray, fa tsy mbola voaheloka. Ary ny polisy tany New York dia efa nandoa onitra 215 000 dolara araka ny lalàna mikasika ny fanenjehana ireo polisy roalahy izay nanao fisavana tsy ara-dalàna sy fisamborana sandoka. Ny Ivon-toerana Ho an'ny Zo Araka ny Lalàm-panorenana dia nampiditra fitoriana ny departementan'ny mpitandro  filaminana ao New York ary ny tanàna izay mametra-panontaniana indray momba ireo fomba roa mahazatra fanaon'ny polisy : fanakànana olona miainga amin'ny endriny ivelany (fantatra amin'ny hoe “mombamomba anao ara-poko”) sy ny fihazonana olona hatao fisavàna, mbola araka izay endriny ivelany koa (fandaharanasa stop and frisk) izay tsy misy antony azo eritreretina akory.

Natao ny asabotsy 23 martsa teo tany Brooklyn ny fandevenana an'i Kimani Gray. Mandritra izay fotoana izay, niparitaka tety anaty tambajotra sosialy ny fanehoankevitra momba ny fahafatesan'ilay tovolahy tsy ampy taona, ary ny tenifototra #BrooklynProtests sy #kimanigray dia noforonina mba hiresahana momba ilay zava-doza. Eto ny fanambantambàrana ireo fanavaozam-baovao avy amin'ireo bilaogera nanaraka ireo hetsi-panoherana tamin'ny fampiasàna ny Tumblr.  Iray amin'ireo tsikera tena henjana tato anatin'ny andro vitsivitsy lasa ny hoe tsy noraharaian'ny fampahalalam-baovao mahazatra ity vaovao manana ny lanjany ity. Ao amin'ny kaontiny, nokianin'i Barb Morrison (@barbmorrison) ireo fampitam-baovao mahazatra noho ny tsy nandrakofany ity zava-doza ity :

 

@barbmorrison: Tsy ho hitanareo ao anaty CNN io. http://uscop.org/the-nypd-declares-martial-law-in-brooklyn/ …  #brooklynprotest

 

Pablo Muñoz (@Alvy_Singer) dia nanontaniy toy izao manaraka izao :

@Alvy_Singer: http://www.nydailynews.com/7-nypd-bullets-killed-teen-kimani-gray-article-1.1287452#bmb=1 … Adolescente de 16 años muerto y 4 días de protestas. ¿Qué está pasando en Brooklyn?

@Alvy_Singer: http://www.nydailynews.com/7-nypd-bullets-killed-teen-kimani-gray-article-1.1287452#bmb=1 … Adolantsento iray 16 taona maty ary 4 andro fihetsiketsehana. Inona no mitranga any Brooklyn ?

Fuerza Morena (@FUERZA_MORENA) avy any Mexique namoaka hoe:

 

@FUERZA_MORENA: Mientras tanto, en el “democrático” EEUU… No cesan las protestas en Brooklyn contra la violencia policial http://youtu.be/yuz-v5x2I2A

@FUERZA_MORENA:  Ary ho an'i Etazonia “demokratika” , mitohy ny hetsika fanoherana ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana http://youtu.be/yuz-v5x2I2A

Occupy Wall Street (@OccupyWallStNYC) manao izao fampitahana manaraka izao :

@OccupyWallStNYC:  Misy karazana lalàna roa ato amin'ity firenena ity, ny iray ho an'ny manankarena ary ny iray ho an'ny ambiny toa antsika. #BrooklynProtest #OWS

Ireo ny sary mirakitra ny fiaretan-tory sy ny hetsi-panoherana tany Brooklyn, nalain'i Javier Soriano mpaka sary  (http://www.javiersoriano.com)::

 

Se convoca a una gran marcha en protesta por la muerte de Kimani Gray.

Hisy diabe hatao n y 24 Martsa ho fanoherana ny nafahaty an'i Kimani Gray.

Una de muchas vigilias en el barrio de East Flatbush en Brooklyn. Foto de Javier Soriano.

Iray tamin'ireo fiandrasam-paty marobe tany Flatbush Atsinanana any  Brooklyn. Sary an'i Javier Soriano.

Residentes en Brooklyn se han manifestado en las calles, y la policía respondió con la ley marcial. Foto de Javier Soriano.

Nanao fihetsiketsehana teny an-dalambe ireo mponina tao  Brooklyn ary novalian'ny polisy tamin'ny fametrahana lalàna miaramila. Sary an'i Javier Soriano.

Se han registrado vigilias en el barrio de East Flatbush en Brooklyn. Foto de Javier Soriano.

Nisy nanerana ny faritra Flatbush Atsinanana tao Brooklyn ny fiaretan-tory. Sary an'i Javier Soriano.

Velas en el barrio de East Flatbush en Brooklyn. Foto de Javier Soriano.

Labozia tao Flatbush Atsinanana tao Brooklyn. Sary an'i Javier Soriano.

Despliegue de fuerzas policiacas en Brooklyn. Dos policias no-uniformados son acusados de quitarle la vida a Gray. Foto de Javier Soriano.

Laharan'ireo polisy tao Brooklyn. Polisy roa tsy nanao fanamiana no voampanga ho nanaisotra ny ain'i Gray. Sary an'i Javier Soriano.

Las protestas ante la muerte de Gray comenzaron el pasado sábado 16. Foto de Javier Soriano.

Nanomboka ny Sabotsy 16 Martsa ny hetsi-panoherana nanoherana ny nahafaty an'i Gray. Sary an'i Javier Soriano.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.