Yemen: Hetsi-panoherana Ny Drôna Tany Etazonia

Nikarakara diabe iray sy famoriam-bahoaka nanerana an'i Etazonia ny Answer Coalition hanoherana ireo drôna mpihaza sy ny famonoana tsy mandalo fitsaràna.

Ho firaisankina dia nanoratra ry zareo hoe :

Maherin'ny 5.000 ireo olona matin'ny fanafihan'ny drôna Amerikana tato anatin'ny taona vitsy lasa, tafiditra amin'izany ireo ankizy marobe ankoatra ireo sivily maro izay najedak'itony milina mpamono baikoina avy lavitra itony…Tongava hiaraka aminay ao amin'ny Trano Fotsy hanao diabe ny Sabotsy 13 Aprily mba hanaovana izay hahafantaran'izao tontolo izao fa ny vahoaka eto amin'ity firenena ity da mitaky “ny fanesorana ireo Drôna hiala an'i Afrika, any Afovoany Atsinanana, Azia ary any an-kafa any rehetra any!”

Nibitsika izy ireo:

‏@answercoalition:”Isaky ny mandeha hamono olona amin'ny drôna ianareo, dia manorina fankahalàna. Nahoana no mankahala antsika ry zareo ve? Jereo ny ataonareo e!” #april13

@answercoalition: “Tsy hipetraka fotsiny amin'izao izahay raha izy ireo kosa hamono olona amin'ny anaranay” #GeneralAtomics #Stopdrones (atsaharonydrôna) #april13 #NoDrones (tsymiladrôna) pic.twitter.com/NekfiHbIm4

Ilay Yemenita mpikatroka mafàna fo, Summer Nasser, izay nisidina ho any New York, sy Rooj Alwazir, izay any Washington DC, dia nanainga ny Yemenita rehetra ao Etazonia hanao hetsi-panoherana eo anoloan'ny Trano Fotsy hanoherana ny drôna amerikana any Yemen. Nampakatra lahatsary i Rooj Alwazeer, ampahany avy amin'ny kabarin'ilay mpikatroka mafàna fo  Bushra al-Maqtari, izay nanatrika ilay diabe ihany koa :

Nibitsika ihany koa izy :

@Rooj129: Rehefa misidina ny #Drones, maty ny olona! Ambarao amin'izay tena izy izy io e, FAMONOANA.

Ireo fikambanana hafa toy ny CODEPINK koa dia nandray anjara tamin'ireo diabe

Tao Washington:

Rooj Alwazir standing in front of the White House holding a CODEPINK  banner

Rooj Alwazir mijoro manoloana ny Trano Fotsy mitazona sorabaventy an'ny CODEPINK

Nizotra nankany amin'ny foiben-toeran'ny General Atomics ilay diabe, orinasa izay manamboatra ireo drôna, araka ny bitsiky ny CODEPINK :

@codepink:Sary henjana nalaina teo anoloan'ny foiben-toeran'ny General Atomics tao Washington DC. #stopdrones (atsaharonydrôna) @barackobama pic.twitter.com/TVP7MUFRMC

Tao Los Angeles:

TomG izay tany amin'ilay diabe tao L.A dia nibitsika sary iray ihany koa :

‏@IMTomG: tao amin'ilay diabe #NoDrones (tsymiladrôna) tao LA pic.twitter.com/PyBxaiqn82

BHwfidfCEAAltAQ

Jenna Pope, mpaka sary an-gazety, dia nizara andian-tsary tao amin'ny pejiny Facebook sy ny bilaoginy ihany koa

Afaka jerena ao amin'ity Storify ity ny sary sy bitsika bebe kokoa.

Marobe ireo mpikatroka mafàna fo tany Yemen sy Pakistana nanohitra imasom-bahoaka ny fampiasàna drôna any amin'ny firenen-dry zareo. Vao haingana ny HRW no namoaka taratasy iombonana niarahana tamin'ireo vondrona mpiaro ny zo sivily sy zon'olombelona nanehoany ny ahiahiny momba ireo fanafihana drôna amerikana sy ny famonoana olona efa kinendry mialoha.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.