Tantara tamin'ny 15 Avrily 2013
Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina
Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo ary mangataka azy izy ireo hanajanona ilay rafitra.
Brezila : Miatrika Famaky Ny Hazo Tranainy
Nandrahona ny hihanika sy hipetraka eny ambonin'ireo hazo tranainy efa zato taona ny mponina ao Porto Alegre any atsimon'i Brezila mba hiarovana azy ireo tsy ho ravan'ny tetikasa fanitarana ho fanomanana ny fiadiana ny amboara eran-tany 2014.
Fifidianana Filohampirenena Madagasikara: ireo kandidà efa nirotsaka sahady
Tapaka fa amin'ny Alarobia faha-24 Jolay 2013 no hotanterahina ny fifidianana Filohampirenena any Madagasikara. Nisokatra ny Alatsinainy 8 Aprily hoan'ireo kandidà kosa ny fanaterana ireo antontan-taratasy firotsahan-kofidiana. Araka ny tatitra nataon'i JR...
Yemen: Hetsi-panoherana Ny Drôna Tany Etazonia
Nanatevin-daharana ireo diabe sy famoriam-bahoaka natao nanerana an'i Etazonia ireo Yemenita ho fanoherana ireo drôna mpihaza sy ny famonoana tsy mandalo fitsaràna.