- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Bhutan Mizotra Ho Any Amin'ny Voajanahary Manontolo

Sokajy: Azia Atsimo, Bhutan, Fahasalamàna, Fampandrosoana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Sakafo, Tontolo_iainana

Ny Fanjakan'i Bhutan Himalayan, diso fantatra loatra amin'ilay “Gross National Happiness [1]” , na maridrefin'ny hasambarana, nasolony ny hoe Harin-karena Faobe, dia nametraka ho tanjony ny fanatratrarana ny toeran'ny firenena voalohany eto an-tany mitodika manontolo amin'ny voajanahary.

Jessica Carter [2], matianina iray amin'ny sehatry ny media sy ny fampandrosoana iraisam-pirenena, dia mizara ny vaovao ao amin'ny bilaog [2]iny “Red Shoes and Cobblestones” (Kiraro Mena sy Rarivato):

Nanao fanambaràna ilay fanjakàna kely ahitàna vahoaka 1,2 tapitrisa fa ho ry zareo no firenena voalohany eto ambonin'ny tany hitodika tanteraka amin'ny voajanahary amin'ny fandraràòna ny famarotàna zezika sy famonoana bibikely mampiasa akora simika.

Tsy vao voalohany izao ny fomba fanaon'ny Bhutan no nampihiratra ny maso, ary eritreretina hoe satria tsy voalohany izao ry zareo no nisafidy vahaolana izay mandeha mifanohitra amin'ny  fironana arahan'ny ambiny eto amin'izao tontolo izao.

Amin'ny fanazavana ny zava-mitranga, ny minisitry ny fambolena sy ny ala, izay tantsaha rahateo, dia nitanisa tamin'ny filazàna tsotra fa :

“Tianay ho hita faly ny zavamaniry ary sambatra ny bibikely”

Agriculture in Bhutan contributes to 35.9% of GDP of the nation. Image from Flickr by Michael Foley. CC BY-NC-ND [3]

Manome ny 35% amin'ny harin-karena faobe ao Bhutan ny fambolena . Sary tao amin'ny Flickr an'i  Michael Foley. CC BY-NC-ND

Aarthi Parthasarathy (@aarthipartha [4]), Indiana mpikatroka mafàna fo, dia nibitsika hoe :

@aarthipartha [4] (Aarthi Parthasarathy): Inona no dingana arahana raha hifindra ho any Bhutan? | i Bhutan no mamadika ny baingan'ny firenena tena voalohany miaina amin'ny voajanahary tanteraka http://gu.com/p/3dkfv/tw [5]

Ny tranonkalam-baovao Bhutan, BBS dia nitatitra [6] fa ilay Fanjaàna Bodista dia an-dalam-pametrahana ny “Bhutan Organic Certification System (BOCS)”, Mari-pamantarana ny Rafitra Voajanahary Bhutan mba “hiantohana fa 100 isan-jato voajanahary tokoa ireo legioma”. Nitafatafa taminà mpanohana ara-kevitra ny Sampan-draharaha mpandrindra ny Seha-pambolena sy ny ara-tSakafo ao Bhutan ny BBS hanazavàna ny fomba fiasan'ny  BOCS :

“Nandrafitra diary tsotra ho an'ireo tantsaha izahay, izay afaka soratana amin'ny Dzongkha (tenim-paritra any Bhutan)… Azon'ireo tantsaha marihana ao ny asany andavanandro, ny toerana niavian'ny masomboly/zezika, ny karazana famonoana bibikely amin'ny fomba voajanahary nampiasainy. Voarakitra daholo ny endrika asa an-tsaha rehetra…ary amarinin'ireo mpanara-maso nofanin'ny BAFRA amin'ny fitsidihana ireo toeram-pitrandrahana”, hoy ny mpanohana ara-kevitra iray avy amin'ny BAFRA, Dr.A Thimmaiah.”

BHT (@BHTFLASHNEWS [7]) koa dia nanambàra izay fanapahan-kevitra izay tao amin'ny  Twitter:

@BHTFLASHNEWS [7] (BHT Flashnews): Vaovao : Napetraka ny Bhutan Organic Certification System (BOCS) iray mba hiantohana ny maha voajanahary 100 isanjato ireo legioma.

Saingy araka ny ampahatsiahivan'ilay mpanao gazetin'ny Nanyang Technological University azy ho antsika ao amin'ny bilaogy “Go Far Bhutan [8]” (Tohizo Lavitra ry Bhutan) dia goavana ireo fanamby :

Betsaka amin'ireo Bhutanese tantsaha no monina any amin'ny tany lavitr'andriana, ka ny sasany dia mahita hoe tsy miainga mihitsy ny vokatr'izy ireo raha tsy misy zezika sy famonoana bibikely. 60 isanjato amin'ny masomboly ilainy fotsiny no vokarin'ny fireneny, tsy ijerena ny hoe voajanahary ve ireo sa tsia.

This weed grows wild in Bhutan . Image by Flickr user Hockadilly. CC BY-NC [9]

Ity ahitra ity izao dia mitsiry eny rehetra eny ao Bhutan ary atao sakafon-kisoa. Sary avy amin'i Hockadilly, mpampiasa Flickr. CC BY-NC

Etsy andaniny, tena ilaina ny anipihana fa araka  [10]ny ambaran'ny tranonkalam-baovao “The Bhutanese”, Pema Gyamtsho, Minisitry ny Fambolena sy Ala ao Bhutan, dia nandà ny hanao fanambaràna amin'ny fomba ofisialy tahaka izany taorian'ny ahiahy napongatr'i Tshering Tobgay [11] ilay mpitarika ny Fanoherana izay lazaina fa niteny hoe :

“Mampanahy ahy izy ity satria fandraisana andraikitra nasionaly izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ireo mpambolintsika miankina tanteraka amin'ny vola miditra azony amin'ny asa fambolena”

Lavidavitra kokoa dia nilaza izy fa raha hevitra tsara ny fiheverana hanilika ny akora simika, ny tena zava-misy eny an-kianja dia mahatonga ny fanatanterahana azy io ho asa sarotra noho iretsy antony efa nolazaina tery ambony.

“Ny tantsaha sasany dia zara raha mahavokatra sakafo sahaza ho an'ny filàny, tsy lazaina intsony ny resaka masomboly”

Ilaina ihany koa ny manipika fa ny fizorana ho amin'ny voajanahary tanteraka dia efa ezaka natao tany amin'ny toerana hafa teto amin'izao tontolo izao. Izay indrindra, nitatitra [12]ny  TreeHugger fa ny Fanjakàna Indiana ao Sikkim no efa nahavita sahady ny ampahatelon'ny làlany ho any amin'ny maha-firenena miaina tanteraka ny voajanahary amin'ny 2015.

Ny minisi-panjakana momba ny fambolena ao Sikkim dia voatanisa [13]tao amin'ny “The Telegraph” tany Calcutta, nanazava ny fomba fizotran'ny dingana nataon-dry zareo:

Ilay mari-pamantarana ny maha-voajanahary dia dingana arahana mandritra ny telo taona. Masoivoho telo nomen'ny APEDA alàlana no namoaka ny mari-pamantarana C-1 ho an'ireo tantsaha 12.456 voarakitra anarana izay nahazo 18.453 hektara tany aminà distrika efatra teo amin'ny fanjakàna. Mahazo ny marika C-1 ilay tany amin'ny taona voalohany, arahan'ny C-2 amin'ny taona faharoa, ary C-3 ny taona manaraka. Ny marika C-3 dia anondroana fa voajanahary daholo ny vo9katra miakatra amin'ny tany iray voafaritra manokana.

Rehefa voalaza izay, ilay hevitra hamadika an'i Bhutan ho tena miaina ny voajanahary tanteraka dia nankasitrahan'ireo mpisera anaty aterineto erantany tamin-karavoana.

Judith Renaud (@JudithRenaud [14]), mpandraharaha mpitantana sekoly, dia mibitsika fa :

@JudithRenaud [14] (Judith Renaud): Hasehon'i Bhutan amin'izao tontolo izao fa azontsika atao ny miaro ny tanintsika, ny sakafontsika ary ny tenantsika manoloana ireo maniry hanapoizina antsika. http://bit.ly/YroO4m [15]

Ireo mpikambana ao amin'ny “Citizens Action Network” koa dia nanambàr [16]a ny fintanentanan-dry zareo tao amin'ny Facebook.

Ary ho toy ny fanehoankevitra avy amin'ireo  Bhutanese, namoaka ity [17] tatitra an-dahatsary ity ny “Go Far Bhutan’.