- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lesona Ho An'i Okraina Ny Fanatanjahantena Kroaty

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Kroasia, Okraina, Fanabeazana, Fanatanjahantena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna

Betsaka no tokony hianaran'i Okraina [1] izay misy mponina 45 tapitrisa amin'i Kroasia, [2]izay manana mponina mahery kelin'ny 4 tapitrisa rah resaka fikarakaràna hetsika ara-panatanjahantena ho an'ny ankizy.

Io no tsoakevitr'i Denis Oleinikov, Mpandraharaha Okrainaina monina any Kroasia miaraka amin'ny vadiny sy ny zanany roa, tao anatin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny Facebook [3]nampitahany ny fihetsika manoloana ny fanatanjahantena any Okraina sy any Kroasia. Nahazo fialokalofana ara-politika [4]any Kroasia i Oleinikov – izay antsoiny ankehitriny hoe ” trano vaovao, misy ny ampy sy misy firahalahiana” – taorian'ny famoretana henjana noraisina tamin'ny 2011  [5] nahazo ny  orinasany mpanome tolotra araka ny filàn'ny mpanjifa [6] izay manao printy ambony akanjo bà nasiana teny faneva maneso [7] ny Filoha Okrainiana Viktor Yanukovych [8].

Voalohany, ampitahain'i Oleinikov ny isan'ny mponina sy ny fidiram-bolan'ireo firenena roa ireo :

[…] Manana haavo ambony kokoa Okraina amin'ny lafiny tanàn-dehibe. Monina amin'ny tanàn-dehibe malalaka tsara izahay- izay midika fa azo atao tsara ny manangana [foto-drafitr'asa ara-panatanjahantena] izay mety […]amin'ny olona an'hetsiny. […]

Any Kroasia, saika miaina amin'ny tanàna ety ny olona.[…] 10.000 ny isan'ny mponina ao amin'ny tanànanay. Manodidina ny 30 eo ho eo ny ankizy mitovy taona amin-janako any – [any Kyiv], betsaka ankizy nitovitovy taona taminy ihany tany sarahan'ny làlana roa monja [tany amin'ireo manodidina].

Misy [orinasam-barotra indostrialy lehibe] any Okraina izay mamatsy, tsy ny klioba manana mpilalao matihanina ihany, fa ireo “fivondronan'ny” sekoly ara-panatanjahantena izay manana kalitao ambony ihany koa. Ny zanako vavy [nilalao tennis] in-droa tao amin'ny kianja mitafon'ny orinasan'ny Shustov Cognac [any Odessa]- manana kianja filalaovana tennis sy dobo filomanosana ry zareo ao, ary ireo rehetra ireo dia avo lenta avokoa. Ny faritra Kroaty rehetra dia tsy manana dobo filomanosana avokoa [izay afaka hifaninana amin'ny an'i Shustov].

Ny [Kroaty] olombitsy mpifehy eo an-toerana dia mpangataka mahantra raha ampitahaina amin’ ireo Okrainiana mitovy aminy . […]

Avy eo, nanao tombana vetivety ny vokatra azon'ireo firenena roa ireo tamin'ny fanatanjahantena izy :

[…] Baolina kitra, filaharana ataon'ny FIFA: Kroasia – 9, Okraina – 48.
Basketball, lehilahy: Kroasia – 16, Okraina – 50.
Basketball, vehivavy: Kroasia – 21, Okraina – 61 (zaraina amin’ i Roanda sy Madagasikara io laharana io).
Handball, lehilahy: Kroasia – 10, Okraina – 28.
Handball, vehivavy: Kroasia – 18, Okraina – 22.

Amin'ny fanatanjahantena fanao amin'ny ririnina ihany no mihoatra an'i Kroasia i Okraina, izay zavatra tsy atao mahagaga satria i Kroasia any ambanin'ny Tropika no misy azy 🙂 -Fa tsy amin'ny fanatanjahantena fanao amin'ny ririnina rehetra akory,-Ihoaran'ny Kroaty izahay amin'ny fikorisana amin'ny ranomandry an-tendrombohitra.[…]

Croatia wins bronze medal at Handball World Championships. Photo by Pau Barrena, copyright © Demotix (26/01/13). [9]

Kroasia nahazo ny medaly alimo tamin'ny Fiadiana ny Amboara Eran-tany Handball. Sary avy amin'i  Pau Barrena, alàlana avy amin'ny © Demotix (26/01/13).

Mitohy manontany tena momba ireo zava-bita atletika mampitsiriritra vitan'i Kroasia i Oleinikov. Rehefa nahazo nandray anjara nandritra ny herinandro tamin'ilay lasy ara-panatanjahantena nokarakarain'ny sekoliny nandritry ny fialantsasatry ny lohataona  ny zanany lahy kely, fantany tamin'izay ny fanalahidy tsy maintsy ilain'ny fahombiazan'i Kroasia :

[…] Tianay ho aterina amin'ny 8 ora maraina ary alaina amin'ny 3 ora hariva ny zanakay

Ny tanàna no mamatsy amin'ny kojakoja ara-panatanjahantena sy ny sakafo […]. Ny federasionan'ny fanatanjahantena no manome mpanazatra  […]. Psikology iray ara-panatanjahantena ho an'ny ankizy no nafarana avy any Zagreb [renivohitr'i Kroasia].

Ary MANDRITRA NY HERINANDRO IRAY MANONTOLO dia mifaly amin'ny  fanandramana karazanà fanatanjahantena samihafa ny ankizy, maimaim-poana : baolina kitra, basketball, volleyball, handball, tennis, ping-pong, karate, escrime(!!!), voile (!!!), kanetibe…izay angamba, araka ny fahalalako.

[…]

Ao amin'ny “tanàna” misy anay  (araka ny fenitra Okrainiana, tsy ho ny ngeza loatra manakory), 100 isan-jaton'ny ankizy no mandray anjara aminà hetsika fanatanjahantena atao ankoatra ny fianarana. […]

Misy lesona ho an'i Okraina sy ireo Okrainiana mpanao politika mpanohitra ihany koa hitan'i Oleinikov eto :

[…] Tsy dia lafo loatra ny manao tahaka itony aty Okraina.[..] Tokony hanangana kianja mitafo ny sekoly sy ireo fikambanana monisipaly sasany. Karakaraina amin'ny fomba hafa ny sakafo.

Olona vonona hanao izany no ilaina. Na dia tsy te-hahalala aza ny fanjakana.

Ireo mazoto, mpirotsaka antsitra-po, mafàna fo.

Farany, mitondra mpanohana mahatoky ( avy amin'ny ray aman-dreny) avo dimy heny ho an'ireo mpanao politika manana ny hajany izany miohatra amin'izay mety ho azon'ny famoriam-bahoaka miisa folo ny lasy tahaka izao. Tokony atao isaky ny enim-bolana mandritra ny dimy taona misesy ny lasy tahaka izao – fa tsy telo volana mialoha ny fifidianana fotsiny […].

Ny sasany amin'ireo mpamaky an'i Oleinikov (manana namana sy mpanjohy majerin'ny 2.750 izy ao amin'ny Facebook ) dia manindry ny resaka fanatanjahantena any Okraina – kanefa na dia izany aza mampiseho fitokiana kely, na tsy misy mihitsy.

I Aleksandr Yaremenko dia nanoratra  [10] [ru] hoe :

Denis, efa misy fanatanjahantena ho an'ny ankizy izao aty amin'ny firenentsika. Na io irony karazam-panatanjahantena ” mamoaka mpilalao mamiratra” irony izay andoavan'ny ray aman-dreny vola be […] na fahazotoan'ny mpanazatra madiodio [vatsian'ny fanjakana vola] izay mivelona amin'ny karama vary masaka omen'ireo ray aman-dreny tsy dia manana loatra.

Alex Gureev nanoratra hoe [11] [ru]:

Mirona mankany amin'ny fanadinoana haingana ny zava-misy marina any Okraina ireo manan-katao any Eorôpa. Nefa sahirana mitady izay IVELOMANY ny olona aty !Tsy te-hokorontanina amin'ny resaka fanatanjahantena na izay zavatra hafa ataon'ny manan-katao Tandrefana izy ireo… Tsy maintsy nanandrana isika nampihatra ilay [foto-kevitra “hetsika madinika” [12]]- ary, tamin'ny ankamaroany, rava afaka roa volana monja ireny andrana ireny… ((