- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nankatòavin'i Orogoay Ny Fanambadian'ny Olona Mitovy Fananahana

Sokajy: Amerika Latina, Orogoay, Mediam-bahoaka, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT)

Nanjary firenena Amerika Latina faharoa mankatò [1] ny fanambadian'ny olona mitovy fananahana i Orogoay.

Tamin'ny 10 Aprily 2013, nankatòavin'ireo mpanao lalàna marobe tao amin'ny Kongresy ny lalàna, izay mamaritra ny fanambadiana ho “firaisana maharitra eo amin'ny olon-droa mitovy na tsy mitovy fananahana,” vato 71 amin'ny 92 no nankasitraka izany. Efa nankatoavin'ny Antenimieran-doholona ao amin'ny firenena ihany koa izany volavolan-dalàna izany tamin'ny herinandro lasa [2].

Miandry hanasonia izany ho ao anatin'ny lalàna ny Filoha Jose Mujica afaka roa herinandro, anisan'ny niaro sy nanohana ity volavolan-dalàna ity izy.

Firenena faha-12 manerantany nankatò ny fanambadian'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy i Orogoay ary faharoa ao amin'ny faritra aorian'i Arzantina, izay efa nankatò [3] izany tamin'ny taona 2010.

Nitangorona tao anatiny sy ivelan'ny lapan'ny  antenimiera ireo mpanohana ny lalàna mba hankalaza izany. Mpanao gazety Fabian Cardozo nizara ny sarin'ireo vahoaka marobe faly taorian'ny latsa-bato:

Photo shared by Fabian Cardozo (@facardozo) on Twitter. [4]

Sary nozarain'i Fabian Cardozo (@facardozo) tao amin'ny Twitter.

Hetsika ho amin'ny Fandraisan'anjaran'ny vahoaka [5], antoko politika avy ao amin'ny antoko ankavia Mandatehezana Malalaka [6], nizara raki-tsary [7] [es] tao amin'ny Facebook, izay ahitana sary maromaro.

Photo shared by Movimiento de Participación Popular on Facebook. [8]

Sary avy amin'ny Movimiento de Participación Popular tao amin'ny Facebook.

Mpisera Twitter avy amin'ny firenen-kafa niarahaba [9] sy nisaotra an'i Orogoay tamin'ny hetsika, tahaka an'i Pedro Zerolo (@Pedro_Zerolo [10]) avy ao Espaina:

Thank you, Uruguay. 12th country to approve equal marriage. Photo shared by @Pedro_Zerolo on Twitter [10]

Misaotra, Orogoay. Firenena faha-12 nankatò ny fitovian-jo eo amin'ny fanambadiana. Sary nozarain'i @Pedro_Zerolo tao amin'ny Twitter.

Naneho ny fihetseham-pony ihany koa ireo olom-pirenena tamin'ny alalan'ny tenifahatra #matrimonioigualitarioUY  [11](fanambadiana mitovy ao Orogoay) [es].

Mpisera Twitter Orogoay Teodora (@t_odora [12]) [es] nanoratra hoe:

@t_odora [13]: hoy fue de esos días q hay q festejar sin cuestionarse, la lucha da resultados, el trabajo de hormiga vale la pena #matrimonioigualitarioUY [11]

@t_odora [13]: andro iray tokony hanaovana fankalazana androany ka tsy mila manontany hoe nahoana, nitondra vokatra tsara ny tolona, nody ventiny ny rano natsakaina #matrimonioigualitarioUY [11]

Mpanao mozika Alemàna Bernardez (@GodFatter [14]) kosa [es] nilaza hoe:

@GodFatter [15]: A partir de hoy me siento todavía mas orgulloso de ser uruguayo. Uruguay aprueba el #MatrimonioIgualitarioUY [16] Un país cada día mas justo

@GodFatter [15]: Manomboka androany, rehareha ho ahy indray ny maha-Orogoaiana ahy. Nankatò ny #MatrimonioIgualitarioUY [16] i Orogoay. Firenena mandala ny rariny isan'andro.

Mpisera hafa @colowolman [17] [es] nanoratra hoe:

@colowolman [18]: La verdad es que ya era hora que el Parlamento hiciera algo que pueda mejorar esta sociedad #matrimonioigualitariouy [19]

@colowolman [18]: Raha ny marina dia fotoana izao ho an'ny Antenimiera mba hanaovana zavatra hanatsarana ny fiarahamonina #matrimonioigualitariouy [19]

Na dia eo aza ireo fihetseham-po faly tamin'ny aterineto sy teny an-dalambe, tsy ny rehetra tao amin'ny firenena no nankalaza izany. Araka ny tatitra [20]  [es] avy amin'i El Espectador, nilaza ny Fiangonana Katolika ao Orogoay fa ” nihemotra lavitra ny lalàna” izay napetraka ho ‘fanajana sy fiarovana’ fananganana fianakaviana, lalàmpanorenana fototra ho an'ny fiarahamonintsika’