Mpanao Sariitatra Toniziana Voasazy Handoa Onitra, Notsipahana Ny Ankamaroan'ireo Fiampangana Goavana Natao Azy

Nosazian'ny fitsarana Toniziana ao Gabes, Atsimo-atsinanan'i Tonizia handoa onitra 100 Toniziana Dinars [sahabo eo amin'ny 63 USD] eo ireo mpanao sariitatra roa Oussama Bouagila sy Chahine Berriche androany [10 Aprily 2013], satria “nanoratra graffiti tamin'ny fananam-bahoaka izay tsy nahazoan-dalana”. Na dia izany aza, notsipahan'ny fitsarana ireo fiampangana lehibe hitoriana azy ireo toy ny “fandikàn-dalàna amin'ny firenena latsaka an-katerena” sy “famoahana vaovao diso hoentina hanakorontanana saim-bahoaka”.

Photo Via Zwewla Facebook Page

Sary tao amin'ny pejy Facebookn'i Zwewla

Tamin'ny volana Novambra farany teo, tra-tehaky ny polisy teo am-panaovana graffiti misoratra hoe “te hahazo zo ho an'ny mahantra ny vahoaka” i Bouagila sy Berriche.” Mpikambana ao amin'ny vondrona haikanto an-dalambe Zwewla [ar] [midika hoe “ireo mahantra” amin'ny fitenim-paritra Toniziana] izy roa lahy ireto, izay fantatra amin'ny fanoratana graffiti manohana ireo sahirana sy mahantra.

Caricature by Nidhal Ghariani

Sariitatra nataon'i Nidhal Ghariani

Tamin'ny filazana, namariparitra [fr] ny didim-pitsarana ho “fandresena saimbôlika ho an'ny fahalalaham-pitenena” ny komity mpanohana ny Swewla:

Le Comité de soutien #FreeZwewla est fier de cette victoire symbolique et annonce des initiatives et actions qui auront lieu prochainement afin de réunir l’argent demandé et de régler cette amende.

Afa-po amin'ity fandresena an'ohatra ity ny komity mpanohana ny #FreeZwewla, ary nanambara fa hisy  fisantaran'andraikitra sy hetsika hotontosaina atsy ho atsy mba hanangonam-bola handoavana ny onitra

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.