Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

12 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 12 Avrily 2013

Filipina: Fanentanana “Arovy ny Helo-dranon'i Manila”

Vondrona maro ao Filipina no nanao fanangona-tsonia omena ny governemantan'ny tanànan'i Manila mba hitaky ny fanafoanana ny fifanekena hanongotra ny voary mandrakotra tany 148 hekitara ahitana nosy telo ao amin'ny helo-dranon'i Manila. Toerana malaza hijerena masoandro mody ny helo-dranon'i Manila. Nisy ny fanangona-tsonia an-tserasera natao hanasana ny olona hanohana ity fanentanana ity: Endrika miavaka ny masoandro mody...

Mialona Ny Fiverenan'ny Media Tsy Miankina Ao Myanmar Ny Shinoa

Niteraka fialonana sy fangidiam-panahy teo amin'ireo olom-pirenena Shinoa ny fiverenan'ny gazety tsy miankina tao Myanmar taorian'ny tsy fisian'izany gazety izany nandritra ny dimampolo taona mahery. Manontany ireo Shinoa raha mba hanao tahaka izany ihany koa ny fireneny izay hentitra amin'ny fanaraha-maso ny media ao amin'ny firenena. Taorian'ny vaovao notaterin’ny [zh] gazety Shinoa Beijing Times fa lafo...

Mpanao Sariitatra Toniziana Voasazy Handoa Onitra, Notsipahana Ny Ankamaroan'ireo Fiampangana Goavana Natao Azy

Nosazian'ny fitsarana Toniziana ao Gabes, Atsimo-atsinanan'i Tonizia handoa onitra 100 Toniziana Dinars [sahabo eo amin'ny 63 USD] eo ireo mpanao sariitatra roa Oussama Bouagila sy Chahine Berriche androany [10 Aprily 2013], satria “nanoratra graffiti tamin'ny fananam-bahoaka izay tsy nahazoan-dalana”. Na dia izany aza, notsipahan'ny fitsarana ireo fiampangana lehibe hitoriana azy ireo...

Syria: Misioka Avy Eny Aleppo

Tafaverina ao Aleppo, Syria ilay mpanao gazety Jenan Moussa, ary nisioka izay zava-niainany, mbola mihamafy hatrany anefa ny ady eo amin'ny mpitandro ny filaminana mpanohana sy mpanohitra ny governemanta. Vaovao sy miavaka ireo siokan'i Moussa, mampahafantatra ireo mpamaky mikasika ny fiainan'ireo izay ao anatin'ny ady. Moussa, mpanangom-baovaon'ny Al Aan TV, avy...

Bilaogera Tshadiana Nofonjaina

Nitatitra ny  Internet Without Borders (Internet tsy misy sisintany) fa nosamborin'ny miaramila tao N'Djamena, renivohitr'i Tshady tamin'ny 22 marsa i Jean Laokolé, mpanoratra sady bilaogera Tshadiana. Nisy ny fanangonan-tsonia natao ny andron'ny 9 avrily nilazàn'ilay vondrona nisolovava fa “nosamborin'olona manao fitafiana sivily [i Laokolé] raha iny nitondra fiarakodia niaraka tamin'ny...