- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manandratra Ny Fiderana Ilay Vehivavy Tsy Azo Nohozongozonina i Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta

Samy manindrahindra daholo an'ilay Praiministra Britanika fahiny Margaret Thatcher [1] na ny mediam-panjakana Shinoa na ny media sosialy. Maty ny 8 Aprily 2013 teo amin'ny faha-87 taonany izy, taorian'ny tsy fetezana tany amin'ny lohany.

Thatcher, izay tonga teo amin'ny toerany tamin'ny 1979, no vehivavy mpitarika voalohany indrindra an'i Angletera sy vehivavy voalohany nifehy firenena tandrefana matanjaka. Nandritra ny 11 taona naha-praiminisitra azy, nahavita nampitsimbadika ny toekarena britanika izay tsy niroso tsy nihemotra ity politisiana mpifikitra amin'ny nentin-drazana ity, namparefo ny tanjak'ireo sendikà, ary nahatsinjo mialoha ny fandresen'ny Britanika nanoloana an'i Arzantina tamin'ny Falklands War (Ady tao Malouines) [2].

Tsy iraisana [3] anefa ny lova navelany. Raha toa ireo mpomba azy midera azy amin'ny nahatafaverenany an'i Angletera ho isan'ireo firenena matanjaka sy nahafehy ny fitontonganam-bola, ireo mpanakiana kosa manipika ny hamaroan'isan'ny tsy fananana asa nandritra ny fotoam-pitondràny sy miampanga ny fanavaozany hisian'ny tsena malalaka ho nampitombo  ny hantsana [4] eo amin'ny mpanankarena sy ny mahantra.

Raha toa ka niteraka fihetsehampo mifamahofaho manerana izao tontolo izao ny nahafatesany, ny mediam-panjakàna Shinoa kosa nanokana fotoana sy hàbaka manokana hanindrahindràny an'i Thatcher.

Beijing News niantso [5] [zh] an'i Thatcher ho “Vehivavy Henjana Tsy Hay Hozongozonina.” Southern Metropolis Daily nitanisa [6] zh] tenin'i Thatcher: “Any amin'izay misy tsy fitovian-tsaina, hoentintsika any ny firindràna. Any amin'ny misy diso, hoentintsika any ny fahamarinana. Global Times nanipika [7] ny anjara andraikitra goavana notànany tamin'ny famindràm-pahefana tany Hong Kong tamin'ny 1984:

Vitan'i Thatcher ny nahatakatra hoe tsy Arzantina akory i Shina ary Hong Kong tsy toy ny any Falklands (Malouines). Nanao sonia ny fanambaràna niombonana izy, izay nametraka ny fototry ny fiverenan'i Hong Kong….Manana ny antony izahay hanehoanay ny fanajàna an'io vehivavy io izay nanao sonia ny Fanambaràna Niraisan'i Shina sy Angletera.

Ao amin'ny sehatra Shinoa malaza indrindra fitorahana bilaogy kiritika, Sina Weibo, lasa laharana faharoa amin'ireo lohahevitra resahana be indrindra tamin'ny andron'ny 9 Aprily ny fahafatesan'i Thatcher [8] [zh] miaraka amina fifanakalozan-dresaka maherin'ny 449.155. Ireo fanehoankevitra miabo faran'izay nibahan-toerana indrindra dia mampiseho fa ny fahalalana an'i Thatcher ho an'ny sasany amin'ireo mpampiasa tranonkala dia voafetra fotsiny ho avy amin'ilay lahatsary Britanika somary fampahafantarana ny ny mikasika ny fiainan'i Iron Lady [9] sy ny anjara toerana notànany tamin'ny famerenana an'i HK ho an'i Shina.

Zhang Xin, Tale Jeneralin'ny SOHO, orinasa Shinoa mpanome tolotra aterineto , nanoratra [10] [zh] tao amin'ny Weibo hoe:

刚看到英国前首相撒切尔夫人去世的消息。当年我在英国上大学的时候,最爱看的电视就是撒切尔夫人在议会(parliament)辩论。真正的铁娘子.

Vao avy nandre ny vaovao momba ny fahalasanan'ny praiminisitra teo aloha, Rtoa Thatcher. Fony aho nianatra tany amin'ny kolejy tany Angletera, ny seho tanaty fahitalavitra tena nankafiziko dia ny resadresaka fanaon'i  Thatcher ao amin'ny antenimiera. [Izy dia] tena vehivavy tsy azo nohozongozonina.

Ilay poeta malaza, Chen Zhaohua, dia nanandratra [11] [zh] ny fandavan-tenan'i  Thatcher hisian'ny tsena malalaka izay nanova ny toekarena tao Angletera :

具有"铁娘子"之称的她于1979年执政,启动了大规模私有化与放松管制等市场化改革,从而使英国从二战后的欧洲病夫变为仅次于德国的欧洲最有活力的主要国家。

Nomena anaram-bositra hoe “Iron Lady – Vehivavy tsy azo hozongozonina,” tonga teo amin'ny fitondràna izy tamin'ny 1979 ary nametraka ny fanavaozana midadasika ny tsena mitodika amin'ny fisintahan'ny fanjakana ary ny tsy fitsabahana be loatra, ka tamin'ny alalan'izany no nialàn'i Angletera avy amin'ny toeran'ny “lehilahy osa” tao Eoropa taorian'ny Ady Lehibe II ho amin'ny toeran'ny firenena tena mavitrika indrindra any Eoropa aorian'i Alemana.

Toy ny tsy miandany izany ny fanamarihan'i [11] [zh]Lian Peng, mpanoratra :

有人说,里根、撒切尔们埋葬了战后资本主义反思,埋下了苦果。也有人夸她强硬务实,为国家利益敢 担当。评价两极很正常,立场角度不同。古人说:“一将功成万骨枯。”优秀政治家荣耀的背后,也有着无数的恶。不能因其恶抹掉其功,也不能因其功而掩盖其 恶。关键是能反思什么,学到什么。

Ny olona sasany mihevitra fa [Ronald] Reagan sy Thatcher dia samy nandevina ny fo-mba fisainan'ny kapitalisma taorian'ny ady ary namboly voa ratsy. Ny sasany midera ny fomba fitondrany sy ny fanaony mifototra amin'ny asa sy ny zava-misy tamin'ny fikatsahany izay tombontsoa ho an'ny fireneny. Mandeha ho azy ny fanànana fomba fijery samihafa mikasika azy raha zoro samihafa no ijoroana. Araka ilay fomba fiteny fahizay hoe: “An-tapitrisa no maty mba hahatonga an'i Kaisara ho be voninahitra.” Ao ambadiky ny fahombiazan'ny politisiana iray miavaka amin'ny maro, misy zava-tsy manjary maro mifangaroharo ao. Aza fafàna noho izay zava-tsy nanjary tany ny fahombiazan'izy ireny, ary ny fahombiazan-dry zareo ihany koa tsy ho afaka hanakona ny ratsy vitany. Ny zava-dehibe dia ny fisaintsainana ny lesona azontsika tsoahana avy amin'izany.

Nanely [12]  izany i  “Yingzi” , mpampiasa tranonkala:

说的太有哲理了。她一直是我敬佩的女性之一,很少的女人能够达到她这个高度。她拒绝向中国人民英雄纪念碑献花,表现了铁娘子的一面。但在香港回归中国的问题上,低下了她高傲的头。

Filozofika loatra. Iray amin'ireo vehivavy deraiko izy, vitsy ny vehivavy mahatratra ny toerana misy azy. Nolaviny ny hametraka voninkazo teo amin'ny Tsangambato Ho an'ireo Maherifon'ny Vahoaka, izay maneho ny fihenjanan'ny fomba fitondràny amin'ny maha-vehivavy tsy azo hozongozonina azy. Kanefa, mikasika ny famerenana an'i Hong Kong ho an'i Shina, nanondrika ny lohany be rehareha iny izy.

Na izany aza, ny sasany amin'ireo mpampiasa tranonkala no nihevitra fa ny lazan'i Thatcher dia avy aiza fa azony avy amin'ny famerenany an'i Hong Kong ho an'i Shina. Ny lehiben'ny Mozea Shinoa momba ny resa-bola, Wang Wei, nanoratra [13] [zh] hoe:

与荷兰、法国的几个老外提到撒切尔夫人去世,他们很淡然地反应。问你们中国人为什么这么大反应?我想了想,她把香港还给中国了。

Niresaka taminà vahiny avy any Pays-Bàs sy Frantsa aho momba ny fahafatesan'i Thatcher, sahala amin'ny tsy mahataitra an-dry zareo. Manontany ry zareo ny amin'izay antony mahatonga ny fientanentanana be eo amin'ny Shinoa. Heveriko fa noho izy namerina an'i Hong Kong ho an'i Shina.

Ny talen'ny famoahan-dahatsoratry ny  The Wall Street Journal any Shina, Yuan Li, namintina [14] [zh] hoe:

撒切尔夫人去世了。一个时代终结了。这么多没有节制的政府,她肯定伤心透了。

Nodimandry i Margaret Thatcher. Fifarananà vanim-potoana iray. Miaraka amin'ireo governemanta maro tsy mbola afaka amin'ny fitsabatsabahana, azo antoka fa nahavaky fo azy izany.