Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

08 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 08 Avrily 2013

Mampihomehy Ireo Arabo Ny Fandrahonana Nokleary Ataon'ny Korea Avaratra

Nampihomehy Arabo maro mpampiasa aterineto ny fandrahonan'ny Korea Avaratra ny hanafika ireo toby miaramila amerikana, anisan'izany ireo mitoby any Amerika.

Fikarohana Lalam-baovao Ho Fampihenana Ny Fahantrana

Ny zavatra tadiaviana dia ny vahaolana ho fampihenana ny fahantrana satria efa manakaiky ny 2015 fetra farany ho an'ny Tanjon'ny Taonarivo ho a'ny Fampandrosoana napetraky ny Firenena Mikambana na UN Millenium Development Goals (MDG). Vondrona maro no mitady làlam-baovao mba hahita valiny.

Fahatsiarovana ny Fahafolo Taonan'ny Ady Tany Iraka

Tamin'ny herinandro lasa teo no nanamarihana ny fahafolo taona nanambaran'ny fitondrana George W. Bush ny ady tany Iraka, ampahany amin'ny ady ataony amin'ny asa fampihorohorona. Naneho ny heviny ny mpiserasera amin'ny aterineto any Amerika.

Ao An-Tokantrano No Miainga Ny Fampandrosoana Maharitra Rehefa Midangana ny Vidim-Piainana

 Notendrena hitatitra mivantana amin'ny bilaogy mandritra ny Forum Manerantany momba ny Fampandrosoana OCDE ao Paris ny 4 sy 5 Avrily 2013 ny bilaogeran'ny Global Voices. Ho fitarihana mialoha ny fihaonana, namoaka lahatsoratra momba ny fampandrosoana ny ekipanay hanaovana lohahevitra ho fikarajiana an-tserasera isan-kerinandro ao amin'ny Habakany (#OECDgfd) Raha sahirana amin'ny trosa...

28 000 Ireo Renirano Nanjavona Tamin'ny Sarintany Sinoa

Araka ny angona nataon'ny governemanta momba ny rano, dia miisa 28 000 eo ho eo ireo renirano nanjavona tany Sina. Nilaza ny manam-pahaizana malaza iray momba ny tontolo iainana fa noho ny fitrandrahana diso tafahoatra ny renirano sy ireo tetikasa "hydroélectrique" goavana no mahatonga izany faharitràna izany.