Mitsangana Ny Fikambanana Saodiana Voalohany Mpiaro Ny Zon'olombelona Mitaky ny Hanafoanana ny Didim-Pamonoana ho Faty

Taorian'ny didim-pitsarana manafoana ny Fikambanana Mpiaro ny Zo Sivily sy Politika Saodiana (ACPRA) iray volana lasa izay sy ny fakana ny fananany (tsy misy), misy vondrona mpikatroka iray omaly nanambara ny fitsanganan'ny fikambanana mahaleotena vaovao iray antsoina hoe Firaisana ho amin'ny Zon'Olombelona. Ao anatin'ny tanjona napetrany, ny fitadiavan'ny fikambanana hamarana ny famonoana fanao hampihemotra ny hafa, lohahevitra tsy dia misy miresaka loatra ao amin'ny Fitondram-panjaka.

Efatra ry zareo no mpiara-manorina, iray amin'izy ireo i Mohammad Abudllah al-Otibi izay nofonjaina telo taona nanomboka ny Janoary 2009 taorian'ny fikasana hanomana fihetsiketsehana milamina ho firaisankina amin'i Gaza.

Mpanadihady politika maro no nanamarika fa ny nidiran'ny ACPRA tamin'ny fanehoa-kevitra politika, tahaka ny fitakiana lalampanorenana ara-pitondram-panjakana, no nahatonga azy ho mora lasibatry ny famoretan'ny manampahefana. Hitahita ihany fa mamolavola lalana hafa ny Firaisana ho amin'ny Zon'Olombelona amin'ny tsy hanaovana fitakiana politika. Hoy ny fanambaram-panorenana [ar] :

وليس لهذه الجمعية غايات سياسية أو حزبية أو دينية، لذلك فإن جمعية الاتحاد لحقوق الإنسان تقف مع حقوق الإنسان الأساسية دون تفرقة في الدين او العرق او العنصر أو ذكراً أو انثى.

Ary tsy manana tanjona ara-politika na ara-pivavahana ny fikambanana. Noho izany antony izany, mijoro ho amin'ny zon'olombelona fototra tsy anavahana fivavahana, foko na lahy na vavy ny Firaisana ho amin'ny Zon'Olombelona.

Notaterin'ny Amnesty International fa manapa-doha olona roa isan-kerinandro eo ho eo i Arabia Saodita hatramin'ny fanombohan'ny taona 2013. In September 2012, noalefahana ny fanapahan-dratsana [ar] tamin'ny septambra 2012 tamin'ny alalan'ny fanafoanana ny filàna ny marimaritra iraisan'ny mpitsara, mamela ny didim-pamonoana amin'ny ho lany amin'ny alalan'ny safidin'ny maro an'isa.

Ho “Fampitandremana ny hafa” ny ankamaroan'ny didim-pamonoana any Arabia Saodita ary ny ankamaroan'izany dia mifandraika amin'ny trafikana rongony sy ny fanendahana. Saingy, tsy ny “famonoana ho fampitandremana ny hafa” ihany, sokajy hafa ihany koa ny “fanasaziana amin'ny alalan'ny fanapahan-dratsana”, izay ampiharina amin'ny tranga-na famonoan'olona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.