Tantara tamin'ny 06 Avrily 2013
Tenifahatra Ejypsiana Niresaka Momba Ny Homofôbia!
Niteraka adihevitra maresaka sy mafana faramparany teo ny antso hiadiana amin'ny homofôbia (fankahalàna pelaka) tao amin'ny media sosialy. Ao Ejypta, mbola fady ny firesahana ampahibemaso ny lohahevitra firaisana ara-nofo, na...
Mitsangana Ny Fikambanana Saodiana Voalohany Mpiaro Ny Zon'olombelona Mitaky ny Hanafoanana ny Didim-Pamonoana ho Faty
Taorian'ny didim-pitsarana manafoana ny Fikambanana Mpiaro ny Zo Sivily sy Politika Saodiana (ACPRA) iray volana lasa izay sy ny fakana ny fananany (tsy misy), misy vondrona mpikatroka iray omaly nanambara ny fitsanganan'ny fikambanana mahaleotena vaovao iray antsoina hoe Firaisana ho amin'ny Zon'Olombelona. Ao anatin'ny tanjona napetrany, ny fitadiavan'ny fikambanana hamarana ny famonoana fanao hampihemotra ny hafa, lohahevitra tsy dia misy miresaka loatra ao amin'ny Fitondram-panjaka.