[Amin'ny teny Espaniola avokoa ny sary ankoatra izay marihana manokana.]
Nanambara ny fanohanany hametrahana “fetra sasantsasany” amin'ny famoahana sary manohintohina amin'ny fampitam-baovao, nandritra ny tafatafa tao amin'ny radio [1], ny filoham-Paritr'i Madrid Atoa Ignacio González, tamin'ny filazany fa “aoka hitandrina tsy hanimba ny olona sy ny andrim-panjakana”.
González, izay nitafatafa tao amin'ny Radio de Libertad Digital (Radio Fahafahana Nomerika) tamin'ny 4 Avrily 2013, no nanao ny fanambarana isian'ny sivana andro vitsivitsy monja taorian'ny namoahan'ny gazety espaniola El País andian-tsary efa 20 taona lasa [2] izay nahitana ny filoham-Paritr'i Galicia, Alberto Núñez Feijóo, miaraka maka sary tamin'ny lehiben'ny mpivarotra rongony malaza efa any amponja amin'izao fotoana izao antsoina hoe Marcial Dorado.
Na i González na i Feijóo dia samy avy ao amin'ny antoko mpandala ny nentin-drazana Antokom-Bahoaka (PP).
Toy izao ny fanambaran'i Feijóo's tamin'ny gazety espaniola El Confidencial [3] tamin'ny fanafintohinana:
Dije siempre que detrás de esas fotos no había nada, y que esas fotos eran eso, unas fotos, y dije también que estaba dispuesto a seguir explicando y explicar todo lo que se me plantease. De hecho, el próximo miércoles voy a comparecer en el Parlamento.
Io “karazana sary manohintohina” io no tian'ny filoham-paritr'i Madrid rehefa nanolo-kevitra ny hanao sivana ny media izy ho fiarovana ny voninahitry ny andrim-panjakana isan-karazany. Io indray no fanafihana farany mamely ny fahalalahan-gazety ao Espaina, izay hita fa mihalasibatry ny politisiana espaniola hatrany.
Saiky teo noho eo ny setriny avy amin'ny media sosialy, lasa lohahevitra ironana ao amin'ny Twitter [4] tao anatin'ny minitra vitsivitsy monja:
@ROMARIOIDEG [5]: A Ignacio González se le olvida algo llamado: Democracia. Que implica libertad de prensa.
@tOnnijimenez [6]: ¿Ignacio González donde quedará la libertad de expresión?
@LaMariMala [7]: Dice Ignacio González que lo de la libertad de expresión no le mola nada. El llama “límites” a lo q los demás llamamos CENSURA#marcaespaña
@CristianMas86 [8]: Ignacio González es más de poner límites a la prensa que destapa la corrupción que a los propios corruptos. Muy#MarcaEspaña [9] todo.
*Hajian-tsary nahazoana alalana avy amin'ny PP Madrid [10] ary novokarina indray rehefa nandalo ambanin'ny licence CC BY-3.0. [11]