04 Avrily 2013

Tantara tamin'ny 04 Avrily 2013

Feo ao Eoropa Mitaky Ny: “Eoropa Ho An'ny Vahoaka, Fa Tsy Ho An'ny Varotra”

  04 Avrily 2013

Nikarakara herinandrom-pihetsiketsehana ny mpiserasera Eoropeana nanomboka tamin'ny 11 Martsa hatramin'ny 17 Martsa, ho fanoherana ny fepetran'ny fitsitsiana mihatra amin'ireo firenena ao amin'ny vondrona Eorepeana ho paikady hampitsaharana ny krizy ara-toekarena. Fantatra amin'ny anarana hoe Fanoheram-Bovonana Eoropeana [es], izay setrin'ny Vovonana Eoropeana hivorian'ireo filoha Eoropeana [es], ary fomba iray hampahafantarana ny feon'ireo olom-pirenena miaro an'i...

Korea Atsimo sy Avaratra Anatin'ny ‘Tany Miady’

  04 Avrily 2013

Manana tantara lavabe momba ny fomba fiteny tia ady sy tia mandrahona an'i Korea Atsimo sy ny mpiara-dia aminy i Korea Avaratra. Saingy nafana vay tsy misy toy izany ny fandrahonana nataon'ny any Avaratra farany, ary mihazakazaka mampatahotra ny fifanenjanana ao amin'ny renim-paritra Azia Atsinanana tao anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.

Fahafahana Vonjimaika Ho An'ilay Mpanao Gazety Indiana Naveen Soorinje.

  04 Avrily 2013

Nosamborina tamin'ny 7 Novambra 2012 i Naveen Soorinje, mpanao gazety amin'ny fahitalavitra raha namoaka ilay loza niseho momba ny “fitondra-tena” izay nahavoarohirohy ireo mpikambana ao amin'ny ankavia hindoue Jagaran Vedike ho nana herisetra tamin'ireo tanora lehilahy sy vehivavy ao Mangalore, India. Nahazo fahafahana vonjimaika avy amin'ny Fitsarana Ambony Karnataka ihany anefa izy. Noraisina izany fanapaha-kevitra...

Amerika Latinina Aorian'ny Nahafatesan'i Chávez: Fanovana sy Fanohizana

  04 Avrily 2013

Amin'ny maha-mpitsikera mavitrika an'i Etazonia sy amin'ny maha-mpitarika nampifoha indray ny antoko ankavia azy manerana an'i Amerika Latinina, tsy isalasalana fa namela dia miavaka eo amin'ny politika iraisampirenena iainana amin'izao fotoana i Hugo Chávez Frías. Saingy hanao ahoana kosa ny lova navelany? Raha misaona sy miditra amin'ny fampielezan-kevitra i Venezuela,...