- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fanambaràna Ireo Tafakatra Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013

Sokajy: Mediam-bahoaka, Rising Voices

Te-hankasitraka ireo tsirairay nanolotra tetikasa mba hodinihin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013 ho fanentanana ny mponina amin'ny alàlan'ny haino aman-jery ny Rising Voices. Fa mbola nandre indray feon'olona an-jatony avy amin'ny firenena maherin'ny 100 izay nanana hevi-baovao hampandraisana anjara ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana sy hampianatra azy ireo ny fomba fampiasana ny haino aman-jery izahay.

Nanamarika ity taona ity ny nanaparitahana ny vovonana vaovao iaraha-miasa [1]izay ahazahoan'ny mpifaninana mametraka ireo hevitra savaranonandony mba ho hita sy marihana, ary hanamora ny fampifandraisana izany amin'ny tetikasa mifanahaka aminy izay mifototra amin'ny lohahevitra notsongaina na mifototra amin'ny toerana ara-jeografia iray manana ny maha izy azy. Vokany, nahazoana fanehoankevitra miaraka aminà fanontaniana maherin'ny 500, tamberina ary ny teny famporisihina ireo tetikasa navoaka. Misy sarintany ahitàna maso ireny tetikasa ireny amin'ny toerana misy azy ary io dia tranonkala mahaliana hijerena ireo soso-kevitra avy amin'izao tontolo izao.

Nandinika sy nisivana tsara ireo tetikasa 74 tamin'ireo efa ho 860 avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao mba hodinihina amin'ny fihodinana manaraka ny komity miasa an-tsitrapo avy amin'ny Global Voices. Mampiseho lohahevitra samihafa ary avy amin'ny firenena maherin'ny 50 ireo tetikasa ireo.

Mahafaly anay ny mitanisa ireto tafakatra amin'ny dingana famaranana ireto, izay asaina mba handefa ny tolo-kevitra farany mba hodinihin'ny Rising Voices. Avy amin'io vondrona io no hifidiananay tetikasa dimy hovatsiana vola mba hanatanterahany ny heviny. Ireto ny lisitry ny teikasa manaraka ny filaharan'ny alfabeta :

Afghanistan: Kabul Beat [2]
Albania: Waste in my City [3]
Argentina: Communicating Our Indigenous Peasant Assembly [4]
Argentina: Mapping the Water Landscape [5]
Argentina: Radio Los Inestables: More participation, less segregation [6]
Australia: Replenish the Earth – Voices from Aboriginal Australians [7]
Bhutan: E-ngage Youth [8]
Bhutan: Stories from a Young, Maturing Democracy [9]
Bolivia: Jovenes de Uspha-Uspha [10]
Bolivia: Shooting Bolivia from Wikimedia Commons [11]
Brazil: Building the Oral History of Brasilândia [12]
Brazil: Our Rivers Speak (ORS) [13]
Brazil: This is our Place Film Festival [14]
Burundi: Conn@cting People [15]
Cambodia: Old Bunong Stories in New Times [16]
Cambodia: The Cambodian Grassroots Social Media Project [17]
Cameroon: Questioning Public Authorities Through Citizen Media [18]
Cameroon: Voicing Out To Release Post Conflict Trauma [19]
Cameroon: We know. Let the World Know Too [20]
Colombia: Hearing Stories in Our Own Tongue [21]
Colombia: Radio and Forum Mariamulata [22]
Colombia: Traditional Knowledge for Sustainable Development [23]
Cuba: Mapping the “Neighborhood Cuba” [24]
Cyprus: From Our Perspective: Discussing Disability [25]
Ecuador: Citizen Podcast [26]
Ecuador: I Wrote a Song That Will Change Your Mind [27]
Ecuador: Open Journalism with Open Licenses and Technologies [28]
El Salvador: Yankwit Tunal (New Sun) [29]
Fiji: Tukuni Yadua (Talking about Yadua) [30]
Greece: Citizen Journalism Against Ore Mining in Halkidiki [31]
Honduras: Good News Blog [32]
Hungary: Development of Local Stories in Budapest [33]
India: South Asian Comics Activists for Gender Justice [34]
India: Strengthening Women Human Rights Defenders in Human Rights Monitoring [35]
Indonesia: From Disable for Disable Project [36]
Kenya: Girls Community Digital Desk Project [37]
Kenya: The Maasai Woman Diary [38]
Kenya: WOES-Walking on Egg Shells [39]
Macedonia: Wild Herbs Exchange Network [40]
Maldives: Drug Addiction Diaries [41]
Mauritania: Popular Memory [42]
Mexico: Audio-visual Record of the Zapotec Language [43]
Mexico: Didza Kieru for SMS [44]
Mexico: Jko’ponik (Our Voice) [45]
Mexico: Preserving and Promoting the Mayan Language [46]
Mexico: The Mayan voices of Popolá [47]
Mexico: The Plum, Lyrics and Vocals in Resistance [48]
Myanmar (Burma): Collab Space for CJs [49]
Nepal: Travel Story Camp on Gorilla Trek [50]
Netherlands: Reaching for the overlooked Oromo voices [51]
Niger: Mapping for Niger [52]
Nigeria: Addressing Iwerekhan Environmental Concerns [53]
Pakistan: IDPs Media Project [54]
Pakistan: Radio Vision [55]
Palau: Youth-In-Conservation Social Network [56]
Peru: My Community Voices [57]
Peru: Promoting Communication Rights of Indigenous Peoples [58]
Romania: Transylvanian Online Cook Book [59]
South Africa: Crowdmapping Environmental Health [60]
Swaziland: Artists Go Public [61]
Uganda: #TweepsHelpBududa Experience [62]
Uganda: Community Reporters’ Hub & Clinic [63]
Uganda: Female Documentary Film Training on Women Advocacy and Women's Rights [64]
Uganda: Right To Speak Ik [65]
Zambia: Lekeni Nsose (Let Me Speak Out) [66]
Zimbabwe: Promoting Citizen Journalism in Chitungwiza [67]
Zimbabwe: Voices from the deep end [68]

Marihana, azafady, fa nisy tetikasa sasany nifidy ny tsy handray anjara amin'ny famoahana tsy an-tery ny heviny noho ny antony samihafa, tsy hisy fiantraikany amin'ny fifidianana farany izany fanapahan-keviny izany.

Manana fahafahana handalina ny heviny amin'ny fanolorana soso-kevitra mivelatra bebe kokoa ho dinihina ireo mpifaninana ireo. Azon'ny mpifaninana tafakatra amin'ny dingana famaranana atao ny mampiditra lahatsary, feo, na sary ho fanampin'ny tolokevitra nosoratany.

Rehefa alefan'ny mpifaninana ny tolokeviny farany, dia avoakanay ao amin'ny sehatra firesahan'ny Famatsiam-bola Kiritika [1] mba hahafahan'ny vondrom-piarahamonina maneho hevitra indray sy hisian'ny tamberina fanampiny.

Manantena izahay fa hamoaka ny fanambaràna izay voafidy hahazo ny Famatsiam-bola Kiritika alohan'ny faran'ny herinandro faharoan'ny volana Aprily.

Tsarà vintana ry mpilalao amin'ny famaranana !