Fanambaràna Ireo Tafakatra Amin'ny Dingana Famaranana Amin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013

Te-hankasitraka ireo tsirairay nanolotra tetikasa mba hodinihin'ny Famatsiam-bola Kiritika 2013 ho fanentanana ny mponina amin'ny alàlan'ny haino aman-jery ny Rising Voices. Fa mbola nandre indray feon'olona an-jatony avy amin'ny firenena maherin'ny 100 izay nanana hevi-baovao hampandraisana anjara ny vondrom-piarahamonina ao an-toerana sy hampianatra azy ireo ny fomba fampiasana ny haino aman-jery izahay.

Nanamarika ity taona ity ny nanaparitahana ny vovonana vaovao iaraha-miasa izay ahazahoan'ny mpifaninana mametraka ireo hevitra savaranonandony mba ho hita sy marihana, ary hanamora ny fampifandraisana izany amin'ny tetikasa mifanahaka aminy izay mifototra amin'ny lohahevitra notsongaina na mifototra amin'ny toerana ara-jeografia iray manana ny maha izy azy. Vokany, nahazoana fanehoankevitra miaraka aminà fanontaniana maherin'ny 500, tamberina ary ny teny famporisihina ireo tetikasa navoaka. Misy sarintany ahitàna maso ireny tetikasa ireny amin'ny toerana misy azy ary io dia tranonkala mahaliana hijerena ireo soso-kevitra avy amin'izao tontolo izao.

Nandinika sy nisivana tsara ireo tetikasa 74 tamin'ireo efa ho 860 avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao mba hodinihina amin'ny fihodinana manaraka ny komity miasa an-tsitrapo avy amin'ny Global Voices. Mampiseho lohahevitra samihafa ary avy amin'ny firenena maherin'ny 50 ireo tetikasa ireo.

Mahafaly anay ny mitanisa ireto tafakatra amin'ny dingana famaranana ireto, izay asaina mba handefa ny tolo-kevitra farany mba hodinihin'ny Rising Voices. Avy amin'io vondrona io no hifidiananay tetikasa dimy hovatsiana vola mba hanatanterahany ny heviny. Ireto ny lisitry ny teikasa manaraka ny filaharan'ny alfabeta :

Afghanistan: Kabul Beat
Albania: Waste in my City
Argentina: Communicating Our Indigenous Peasant Assembly
Argentina: Mapping the Water Landscape
Argentina: Radio Los Inestables: More participation, less segregation
Australia: Replenish the Earth – Voices from Aboriginal Australians
Bhutan: E-ngage Youth
Bhutan: Stories from a Young, Maturing Democracy
Bolivia: Jovenes de Uspha-Uspha
Bolivia: Shooting Bolivia from Wikimedia Commons
Brazil: Building the Oral History of Brasilândia
Brazil: Our Rivers Speak (ORS)
Brazil: This is our Place Film Festival
Burundi: Conn@cting People
Cambodia: Old Bunong Stories in New Times
Cambodia: The Cambodian Grassroots Social Media Project
Cameroon: Questioning Public Authorities Through Citizen Media
Cameroon: Voicing Out To Release Post Conflict Trauma
Cameroon: We know. Let the World Know Too
Colombia: Hearing Stories in Our Own Tongue
Colombia: Radio and Forum Mariamulata
Colombia: Traditional Knowledge for Sustainable Development
Cuba: Mapping the “Neighborhood Cuba”
Cyprus: From Our Perspective: Discussing Disability
Ecuador: Citizen Podcast
Ecuador: I Wrote a Song That Will Change Your Mind
Ecuador: Open Journalism with Open Licenses and Technologies
El Salvador: Yankwit Tunal (New Sun)
Fiji: Tukuni Yadua (Talking about Yadua)
Greece: Citizen Journalism Against Ore Mining in Halkidiki
Honduras: Good News Blog
Hungary: Development of Local Stories in Budapest
India: South Asian Comics Activists for Gender Justice
India: Strengthening Women Human Rights Defenders in Human Rights Monitoring
Indonesia: From Disable for Disable Project
Kenya: Girls Community Digital Desk Project
Kenya: The Maasai Woman Diary
Kenya: WOES-Walking on Egg Shells
Macedonia: Wild Herbs Exchange Network
Maldives: Drug Addiction Diaries
Mauritania: Popular Memory
Mexico: Audio-visual Record of the Zapotec Language
Mexico: Didza Kieru for SMS
Mexico: Jko’ponik (Our Voice)
Mexico: Preserving and Promoting the Mayan Language
Mexico: The Mayan voices of Popolá
Mexico: The Plum, Lyrics and Vocals in Resistance
Myanmar (Burma): Collab Space for CJs
Nepal: Travel Story Camp on Gorilla Trek
Netherlands: Reaching for the overlooked Oromo voices
Niger: Mapping for Niger
Nigeria: Addressing Iwerekhan Environmental Concerns
Pakistan: IDPs Media Project
Pakistan: Radio Vision
Palau: Youth-In-Conservation Social Network
Peru: My Community Voices
Peru: Promoting Communication Rights of Indigenous Peoples
Romania: Transylvanian Online Cook Book
South Africa: Crowdmapping Environmental Health
Swaziland: Artists Go Public
Uganda: #TweepsHelpBududa Experience
Uganda: Community Reporters’ Hub & Clinic
Uganda: Female Documentary Film Training on Women Advocacy and Women's Rights
Uganda: Right To Speak Ik
Zambia: Lekeni Nsose (Let Me Speak Out)
Zimbabwe: Promoting Citizen Journalism in Chitungwiza
Zimbabwe: Voices from the deep end

Marihana, azafady, fa nisy tetikasa sasany nifidy ny tsy handray anjara amin'ny famoahana tsy an-tery ny heviny noho ny antony samihafa, tsy hisy fiantraikany amin'ny fifidianana farany izany fanapahan-keviny izany.

Manana fahafahana handalina ny heviny amin'ny fanolorana soso-kevitra mivelatra bebe kokoa ho dinihina ireo mpifaninana ireo. Azon'ny mpifaninana tafakatra amin'ny dingana famaranana atao ny mampiditra lahatsary, feo, na sary ho fanampin'ny tolokevitra nosoratany.

Rehefa alefan'ny mpifaninana ny tolokeviny farany, dia avoakanay ao amin'ny sehatra firesahan'ny Famatsiam-bola Kiritika mba hahafahan'ny vondrom-piarahamonina maneho hevitra indray sy hisian'ny tamberina fanampiny.

Manantena izahay fa hamoaka ny fanambaràna izay voafidy hahazo ny Famatsiam-bola Kiritika alohan'ny faran'ny herinandro faharoan'ny volana Aprily.

Tsarà vintana ry mpilalao amin'ny famaranana !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.