- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ireo Fototry Ny Olana Ankehitriny Ao Amin'ny Repoblikan'i Centrafrique

Sokajy: Afrika Mainty, Frantsa, Gabòna, Ginea Ekoadaoreana, Mali, Oganda, Repoblikan'i Afrika Afovoany, Tchad, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana

[Fanavaozam-baovao: Tahaka ny hoe nandositra ny Lapam-panjakana ny filohe Bozizé.]

Raha nanambara fidirany tao Bangui renivohitra ireo ireo mpihoko avy amin'ny Séléka [1] io sabotsy 23/03 io, ndeha hoezahantsika takarina ny antony ahafahana nilaza fa efa voavinavina ny hampandamoka ny fifanarahana tao Libreville [2].

Ny fifanarahana hisian'ny filaminana, nosoniavina tao Libreville tamin'ny 2008, dia nanambara fa tokony handray anjara amin'ny governemanta vaovao ny mpanohitra nanao sonia azy io.

Ny 2012 anefa dia niverina nandray fiadiana ireo mpihoko ary naka tanàna maro ho eo ambany fifehezany. Nolavin'ny filoha François Hollande ny hanome tohana ara-miaramila frantsay nangatahan'i François Bozizé mba hanakànana ireo mpihokon'ny Séléka tamin'ny Desambra lasa teo, ary novaliany fa « efa lasa» ny fotoanan'ny fanampiana tahaka izany, izay nanosika ny filoha  ‘Centrafricain’ hanao sonia ireo fifanarahana tany Libreville [3] nanery azy tamin'ity indray mitoraka ity handray praiminisitra avy amin'ny mpanohitra. Kely ny vintana hahatafita  [3]io governemanta io, noho ny antony maro : iray amin'ireny antony ireny ny hamaroan'ireo toerana maro noforonina tany anaty ministera mba hahafahana manozongozona ny fahefan'ny praiminisitra; ny iray hafa dia tsy nisy voahaja ny ambin'ireo fifanarahana tany Libreville.

Hatramin'ny nanaovana sonia io fifanarahana io, ny tafika avy any Tcahd manohana an'i François Bozizé dia tao Mali [4]nisy andiam-pihoko nitetika ny hiverina indray amin'ny ady mitam-piadiana amin'i Idriss Déby [5] [ity farany izay tonga teo amin'ny fitndrana tamin'ny alàlan'ny fihokoana ihany koa].

Antso vitsy lasa izay, ny 16 martsa, noroahana hiala an'i Tchad [6] ilay mpanohitra, Jean-Jacques  Demafouth [7], toerana izay nialokalofany, nalefa anyy Centrafrique [8].

Tao anatin'io toe-draharaha io ny Séléka no nametraka lisitra iray miaty fitakiana iraikambinifolo tamin'ny filoha Bozizé [9], no sady nàka tanàna maro. Manambara ny fidirany ao Bangui renivohitra ry zareo io Sabotsy io.

Mangataka fivoriana maika ao amin'ny ONU [10] ny governemanta frantsay.

Rebelles en République centrafricaine via wikipedia CC-BY-2.0 [11]

Mihoko any amin'ny République centrafricaine nalaina taoamin'ny wikipedia CC-BY-2.0

Mampahafantatra antsika i Francis Laloupou ao amin'ny blaoginy “Centrafrique, Etat zéro [12]” :

Ny filoha voalohany tao Centrafrique, Barthélémy Boganda [13], maty tamin'ny 1959, volana vitsy monja taorian'ny naha-voafidy azy … tanaty fijery manao dingan-dava … dia naminavina fomba iray hahafahana misoroka ny fivenjivenjen'ny fireneny efa tsinjony mialoha, tamin'ny fitlomana, indrisy tsy nisy vokany, hanangàna Fanjakàna Tokana Ao Afrika Afovoany ka ho isan'izany i Centrafrique, i Cameroun, i Congo sy Gabon.

Mampalahelo azy indrindra indrindra ny tantaran'ny ady fahefana nifanaovan'ireo mpitarika tsy alehany :

… i Centrafrique ihany no niketrika , teo imason'izao tontolo izao, ny seho an-tsehatry ny fikororosiny tsy azony nihodivirana. Fitontonganana faran'izay tsy takatry ny saina, vokatry ny nataon'ireo fitondràna mpanimba zavatra no sady tsy manana izay kely indrindra amin'ny fahaiza-miaina. … Bokassa [14] nanadra-tena ho amperora niaraka tamin'ny fanampian'ilay namana tsy mahafoy azy Valéry Giscard d’Estaing [15], talohan'ny nanonganan'ity farany azy tamin'ny 1979 … Mba hisorohana ny fahabangan-toerana eo amin'ny fitondràna, efa nikarakara tsara ny hanomana toerana ho an'i David Dacko [16] ny tao amin'ny Elysée, tao anatin'ny iray tamin'ireo fiaramanidiny mpitatitra miaramila nankany Bangui handray anjara amin'ilay bemidina « Barracuda  [17]». Efa nitsakoahana sahady ny tantara tao Centrafrique : napetrak'i Giscard d’Estaing ho eo amin'ny fitondràna, ho amin'ny toerana hisolo an'i Bokassa, i David Dacko, izy izay filoha fahiny ihany koa,  naongan'i Bokassa tamin'ny 1965. Roa taona taorian'izay, tamin'ny 1981, David Dacko, izay tsy mba nahay fetsifetsy, dia hiharan'ny fanonganana iray vaovao hitondra ny jeneraly André Kolingba [18] ho eo amin'ny fitondràna…

Manamarika ireo fifidianana demaokratika izay anarany fotsiny ihany koa izy :

Tamin'ny 1993, i Centrafrique, toy ireo firenena afrikana maro, dia nisafidy ny fisian'antoko maro, ary tonga teo amin'ny fitondràna i Ange-Félix Patassé taorian'ny fifidianana « demaokratika ».

Manohy ihany isika amin'ny lahatsoratra BOZIZÉ, DEBY, SASSOU, OBIANG: Des putschistes dans la hantise d'être victimes de putsch [19] (…mpanongana matahotra ny hiharan'ny fanonganana):

Ny 15 martsa 2003, raha mbola nanao fivahinianana tany Niger ny mpiara-dia fahiny, Ange Félix Patassé, niverina avy any an-tsesitany i M. Bozizé ary nàka an'i Bangui tamin'ny fomba tsy nanano-sarotra.

Fanamarihana goavana ao anatin'ny CENTRAFRIQUE : ANNUS HORRIBILIS (PAR JOSEPH AKOUISSONNE) [2] :

Niaraka tamin'ny fanampian'ny governemanta Tchadiana no nahazoan'i François Bozizé ny fitondràna tany Centrafrique. Hatreo, niaina teo ambany fiahian'i Idriss Déby [20] Filohan'i Tchad [21] ny Repoblikan'i Centrafrique.

Efa 10 taona izany izao i François Bozizé no teo amin'ny fitondràna araka ny tsindrian'ny mpanoratra ity lahatsoratra ity: Mine de rien, le soudard Bozizé fête ce 15 mars 2013, le 10ème triste anniversaire de son coup d’état [22] (Sahala amin'ny tsynisy na inona na inona, mankalaza ny faha-10 taona mampalahelon'ny fanonganam-panjakàna nataony amin'ity 15 Martsa 2013 ity ilay miaramila mahery setra Bozizé)  :

Tany am-boalohany izy nihambo fa hoe hamerina fotsiny ny ara-dalàna eo amin'ny firenena no nanaovany izany … Teny an-tsefantsefany teny, nikarakara sarintsarim-pifidianana roa izy tamin'ny 2005, avy eo tamin'ny 2011, izay nihamboany ho izy no nahazo azy ary miomana ny hahazo fitondràna fanintelony aorian'ny 2016 tamin'ny fotoana nahatongavan'ny fihokoan'ny Séléka nampitsingatotra ny fitondràny tamin'ny Desambra lasa teo…

Tanatin'ny folo tana nitantànana ny firenena, nataon'i Bozizé ambony ambany i RCA ; rotiky ny ady i RCA. Tsy misy fanjakàna intsony, tsy misy tafika tsy misy sakafo, azo lazaina ho tsy misy intsony firenena aza. Sakafo iainana isanandro ny fahantrana sy tsy fisiana ho an'ny vahoaka. Ireo andian'olono mitam-piadiana avy any ivelany, ogandey, sodaney, tchadiana, afrikana tatsimo no manapka sy mitsinjara ny faritry ny tany …

Ny vahoaka sivily hatrany no mizàka mandrakariva ny vokatr'io fifandirana io. Ity lahatsary ity, an'ny vokovoko mena, dia maneho ireo olana ara-pandriampahalemana misonga hatrany ao amin'ny firenena :